Hobaka | : | p.(.: Poaka aty, nefa lehibe. - t.i.f.: Mangobaka sy mangobakobaka. * F-p.: Fery mangobakobaka: fery be mitanatana/Tenda mangobakobaka: be tan-da, mahery homana.
Ahitsio |
Hobana | : | Jer. Kobana.
Ahitsio |
Hobana | : | sy Hobankobana a: Fibohiran-javatra toa trafo, fibontsinana. - t.i.f.: Ahobankobana, hobankobanina 1 mihobankobana, fihobankobana / ihobankobanana, fihobankobanana.
Ahitsio |
Hobina | : | na Hobena (hoby) mi ih. (hobio, hobeo): Deraina amin'ny antsoantsom-pifaliana: Nohobin'ny uahoaka ireo mpiantafika vao avy nandresy. * Ohab.: Adin'ombaiahin'ny mpianakavy: ny mahery tsy hobina, ny resy tsy akoraina: Raha misy olona roa na antokon'olona roa tonte samy tiana mifaninana, izay mandresy aminy tsy tokony hoderaina mihoapanrpana, ary toraka izany koa, izay resy aminy tsy tokony hoesoina izaitsizy.
Ahitsio |
Hobohobo | : | ft.: Fiafenana, ankifonofono: Varotra an-kobohobo: varo-maizina 6 t.i. f.: Hobohoboina.
Ahitsio |
Hobohoboina | : | (hobohobo) mi ih. (hobohoboy): Afenina, a-tao an-kifonofono: Inona io zavatra hobohoboinao anaty lamba io?
Ahitsio |
Hoboka | : | p.t.: Foana, tsy misy na inona na inona. - t.i.f.: Mangoboka. - F.-p.: Hoboka aty: foana ny ao anatiny. ¶ M.h.: Hoa ka. / Manao an-koboka: ma nao an-tsokosoko, mangingina.
Ahitsio |
Hoby | : | a.: Antsoantsom-piravoana atao ho mari-piderana: Tsy nifandrenesana ny hoby nataon'ny vahoaka ny Filohan'ny Nosy. - t.i.f.: Hobina, hobena, voahoby / mihoby, fihoby, mpihoby 1 ihobiana, ihobena, fihobiana, fihobena 1 mahahoby 1 hobihoby.
Ahitsio |
Hoda | : | p. t.: Malemy, bodaka: Vomanga hoda
Ahitsio |
Hodahoda | : | a.: Fikodedehana raha miteny; fiakanakanana mahatonga tsy hahatonona tsara izay lazaina, na fiboredehana mahatonga hiteny an-kisesy sarotraraisina. - t.i.f.: Hodahodaina 1 mihodahoda, fihodahoda, mpihodahoda 1 ihodahodana, fihodahodana.
Ahitsio |
Hodahodaina | : | (hodahoda) mt. ih. (hodahodaino): Lazaina amin'ny fombamiboredika
Ahitsio |
Hodaka | : | Jer. Hotaka.
Ahitsio |
Hodiatra | : | (fit-p.) a: Enti-milaza asa ataon'izay mandalo a mfn'ny toerana mihataka la vitra mangingina. - F.-p.: An-kodiadiatra: a amin'ny toerana lavitramangingina.
Ahitsio |
Hodibalaza | : | a: Fono na saxon' ny balaza, izany hoe ilay sosony voalohany amin'ny hoditra et? ivelany mandrakotra ny balaza; manify izy io ary moramihofakofaka, nefa mora maniry koa.
Ahitsio |
Hodidina | : | a.: Ny sisiny mamaritra na mamefy zavatra iray. i t.i.f : Hodidinina, ahodidina, voahodidina, tafahodidina / manodidina, fanodidina, mpanodidina I anodidinana, fanodidinana / mihodidina, fihodidina, mpihodidina 1 ihodidinana, fihodidinana / mahahodidina / hodidindidina.
Ahitsio |
Hodidinina | : | (hodidina) mt.ih. (hodidino): Misy... mamaritra ny sisiny hatraiza hatraiza: Hodidinin'ny hazo ny tanànanay. 1 Fefena, sokeraina: Hodidinin'ny fahavalo ny tanàna ka aoka isika hiomana tsara, ? Otronina: Nohodidinin'ny minisitra ny Filohan'ny Nosy teo anoloan' ny lapan'ny tanàna.
Ahitsio |
Hodina | : | a: Fiverenana eo amin'ny toerana ihany mankany ivoho; fitodihan'ny 10-ha mankany aoriana na ao an-daniny; fitsimbadihana rehefa mikorisa, ka ny ambany tonga ambony ary dia mifandimby hatrany toy izany. 1 t.i.f.: Ahodina, voahodina, tafahodina / manodina, fanodlna, mpanodina / anodinana, fanodinana / mihodina, fihodina, mpihodina 1 ihodinana, fihodinana / mahahodina / hodinkodina,
Ahitsio |
Hodipotsy | : | a.: Pentimpentina fotsifotsy amin'ny tarehy.
Ahitsio |
Hodirina | : | (hoditra) mt. ih. (hodiro): Alana ny hoditra aminy: Hodiro io omby io. * h. o.: Tsara volon-koditra (entimi?aza olona).
Ahitsio |
Hoditra | : | a.: Ny fonony ivelany amin'ny tenan-javamananaina (olombelona, biby) na zavamaniry: Miuoaka amin'ny mason-koditra ny hatsembohana. / Volouoloina ny hodipaiso. 1 Ilazana ny volon'ny tenan'ny olombelona koa. - t.i.f.: Hodirina / manodi• tra, fanoditra, mpanoditra 1 anodirana, fanodicana / mihoditra / mahahoditra I hoditroditra. - F.-p.: Amboadia mitafy hodi-janak'ondry: entina milaza olona fatra-pihatsaravelatsihy lozan-tany. / Fanavakauaham-bolon-koditra: entina milaza fiangarana noho tsy fitovian'ny volon-koditra. / Hodi-potsy: aretina mahazo ny hoditra, izay manjary toy ny anakandroana. / Hodi-maso: ilay hoditra mahazo mikatona sy mivoha manarona ny maso. I Hodi-toho: fahamaintisan'ny hoditra amin'ny faritra kely amin'ny tena. / Mamy hoditra: tiam-bahoaka. / Manao hodi-tsirany sy hodi-peny: enti-milaza olona miangatra (samy hoditra tokony tsy hisy hafa ireo — ny sirana sy ny fe ka tsy azo avahana ho tsy maharary raha amin'ny iray, fa manaintaina kosa amin'ny ilany faharoa). / Mangidy hoditra: olon-doza sy efa nahavita ratsy tamin' ny mpiara-belona ka tsy tian' ny olona mainty. / Manolokoditra: enti-milaza fitafiana anatiny indrindra ka mikasika ny hoditra. I Maniry ma-nitra ohatra ny alika miambozon-koditra: entina milaza olona tsy lavitra zava-tsoa iray, nefa tsy afaka haka azy fa mitsiriritra lava eny. / Mari-koditra: ilazana ny olona mangatsiaka ka mangovingovitra hila hanavy. /,Mby ankoditra: enti-milaza loza na fahasahiranana mahazo ny tena ka tsy azo akifika. J Mihorona ny hodi-doha: mahatsiaro tahotra amin'ny zavatra iray ahina hihatra amin' ny tena ka toa mikainkona ny hodi-doha. / Tandra vadin-koditra: enti-milaza zavatra tsy azo sarahina fa miaraka mandra-pahafaty. / Mihodi-bola: mivolom-bolamena, nefa somary mavo antitra.
Ahitsio |