Litera H

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Holapata: a.: Karazam-bibilava madinika manopy mena. Ahitsio
Holarina: p. t.: Misy holatra. Ahitsio
Holatra: a.: Dian-dratra na fery efa sitrana hita eo amin'ny hoditra. - t.i.f.: Holarina. Ahitsio
Holatra: a.: Karazan-javamaniry mitarehi-na elo mivelatra ny maro aminy: Misy karazany roa lehibe ny holatra: dia ireo fihinana ary ireo misy poizina ka mahafaty. Ahitsio
holatry:jereo. [holatra] Ahitsio
Holika: mitovy amin'ny Olika. Ahitsio
Holoka: p. t.: Loaka ny ao anatiny, hoboka. • h.o.: Mpandaingalainga na fetsifetsy. - t.i.f : Mangoloka / holokoloka. - F-p.: Holoka aty: poaka aty, hoboka aty, hoaka aty. Ahitsio
Holokoloka: p.t.: Fetsy, kapetsy, fangoloka. Ahitsio
Holontsina: na Holontsona Jer. Horontsina. Ahitsio
Holy: a: Fahatahorana, tsy fahasahiana handroso; fihemorana. - t.i.f.: Miholy, fiholy, mpiholy 1 ~oliana, fiholiana, ho-]iholy. Ahitsio
Homaingihaingy: Jar. Somaingisaingy. Ahitsio
Homambahamba: Jar. Hambahamba. Ahitsio
Homamiadana: a: Jer. Kansera. Ahitsio
Homana: (h - om - ana) mt.: Mihinana: Tsy homan-kena izahay anio. 1 Mandany za• vatr'olona ho an'ny tena: Homana ny volam-bahoaka io mpiasam-panjakana io. • Mahazo: Mba tsarooy ny na-mana fa homana be ise amin' io asa io. - F.-p.: Mandao homana: miala alohan'ny fahataperan' ny sakafon'ny olona miara• mihinana amin'ny tena. / Homam-bela: maty amin'ny fanorona ka manarina ny fahafatesana. / Tsinay homana aty: enti-milaza olona mifamely na mifanimba nefa mpihavana na mpisakaiza izao. / Homam-bary olona: ilazana ny fotoana fihinanan'ny olona sakafo amin' ny hariva. / Homan-dany roa ohatra ny dinta (sady mitsentsitra ny vavan'ny dinta no manaikitra ny vodiny): enti-milaza zavatra mampididoza roa. J Homan-dela: zana ny zavatra masiatsiaka ka manaikitraikitra ny lela nony hanina. ( Homan-tena: ilazana ireo miferin'aina amin'ny zavatra mihatra aminy; ny tany homan-tena kosa dia ireo mihotsaka sy mikorosy ho azy na tsy misy mihady akory aza. /Homantenda: ilazana ny zavatra mampalaolao na manitikitika ny tenda raha hanina. / Homan-tsy mizara kapakapa lela: anambarana ny sarotra an-kanina ka tsy manome ny namany. / Sady mandidy no homana: ilazana ireo tsy 'niera fa sady manao ny baiko no avy hatrany dia mihinana. * Ohab.: Bolokilahy homamboan-tseua ka mamy ny atsy, fy ny aroa: ilazana ny tia roa ka sady tia ny ventiny no tia ny rony, sady tsy mahafoy ny eo an-tanana no mankamamy ny any ivelany. / Gisalahy homan-ketsa ka izy mihinana indray no avo va-va: ilazana ny olona nanao ratsy na nangalatra ny an'ny hafa, nefa izy indray no be vava sy midrinkina. / Mandrara homana ohatra ny goaika: ny feon'ny goaika dia tsy miato na efa mihina• na ny voanjon'olona aza ka mova tsy ny mpiandry mise-ho ho mikarakara iny izy, kanjo izy no tena mihinana ny zavatra andrasany. Ahitsio
Homandroso: (Ski) a: Soratr' omby sahalahala amin'ny Vakivoho. Ahitsio
Homarantsody: p.t.: Hatsatra, rera-tena, malazolazo. - t.i.f.: Mihomarantsody, fihomarantsody. Ahitsio
Homarototra: Jer. Somarotoira. Ahitsio
Hombo: a.: Hazo na vy kely anentsenanaloaka, anakamba• nan-javatra roa simaka; fanararaotana tenin'olona mba hamelezana azy ihany; fihamafisan'aretina:Hay tsy varavarana hombo vy fa hazo fisaka midity harongana (Tsel). 1 t.i.f.: Homboana, ahombo, voahombo, tafahombo I manombo, fanombo, mpanombo 1 anomboana, fanomboana / mihombo, fihombo, mpihombo 1 ihomboana, fihomboana / mahahombo / hombohombo. Ahitsio
Homboana: (hombo) mt. ih. (homboy): Araikitra amin' ny hombo, tsimatra: Hom-boy ny hidin-trano. 1 Fantsihana: Nohomboana tamin' ny hazofijaliana i Jesoa-Kristy. • Asiana, alentika: Nohomboana tamin'ny teniny Ikotofatsora. Ahitsio
Hombona: Jer. Kombona. Ahitsio