Litera H

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Horita: a: Biby maro tanana any anaty ranomasina izay malaza ho mpitsentsitra ny ran'ny haza azony. • h.o.: Olona fatra-pitsentsitra ny madinika. Ahitsio
Horohoro: a.: Hovotrovotra: Nampianjera ny fanaka tao an-trano ilay horohoron-tany halina. 1 Tebiteby, tahotra mamely mafy, fahatairana izaitsizy: Tsy hita holazaina ny horohoron'ny vahoaka nandre fa nanatona ny fahavalo. - t.i.f : Mihorohoro, fihorohoro, mpihorohoro / ihorohoroana, fihorohoroana / mangorohoro. Ahitsio
Horohoro: a.: Karazan'ahitra. Ahitsio
Horokoroka: p, t.: Enti-milaza ny zaza vao teraka na ny zana-borona vao foy miala amin'ny akorany, ka samy malemilemy sy bodaboda. Ahitsio
Horombary: a: Karazana horona bebe taho sy ravina. Ahitsio
Horompotsy: a: Ahitrakarazana horona, maniry mitambabe eny amoron-drano na ankeniheny, lava ravina, mafy taho, atao fanafoana trano, ary noho izy malefaka kokoa noho ny horona dia anaovana sesi-kidoro koa. Ahitsio
Horona: a: Karazan'ahitra fanao kitay, na kifafa koa no-ho izy henjana. Ahitsio
Horona: a: Fanadiovana zavatra toy ny taratasy, tsihy, kofehy hivoromborona eo amin'izay nitoerany ihany. • Fandanonana sy fampirimana ny zavajavatra. • Fikainkonana sy fiketronana. • Fambaboana fananana. - t.i.f.: Horonana, ahorona, voahorona,tafahoronalmangorona, fangorona, mpangoroua 1 angoronana, fangoronana / mihorona, fihorona, mpihoroaa 1 ihoronana, fihoronana, mahahorona/horonkorona,horongorona. Ahitsio
Horonana: (horona) a.: Zavatra (taratasy, tsihy, kofehy) mivoromborona: Horonan-taratasy. Ahitsio
Horondahy: a.: Karazana horona kelikply taho sy ravina. Ahitsio
Horondany: a.: Anarana omena ny tahona horona notsongaina hanaovana satroka. Ahitsio
Horondrano: a: Karazana horona marotsaka sady lava. Ahitsio
Horova: na Horovana a.: Jer. Tsikorovana. Ahitsio
Horovitsika: ft.: Ny toetran'ny rano hafanaina ka miantomboka hangotraka. - t.i.f: Mangorovitsika. Ahitsio
Horovy: a.: Karazam-bahy fanao ody tazo ny fakany. Ahitsio
Hosena: (hosy) mt. ih. (hoseo): Hitsahina amin'ny tongotra: Aza hosena it? lambako. ? h o.: Atao tsinontsinona, zimbazimbafna: Nohoseny ny hajan'ny tokantranony tamin'ny fitondran-tena ratsy nataony. • Vakivakina (enti-milaza ny baingan'ny tanimbary vakina mba hampahalemy ny fotaka hamafazana na hanetsana ny vary): Hosen'ny olona ny tanimbary alohan'ny hanetsana • Baboina: Nohosen'ny fanjakana ny hareny fa namadika tanindrazana izy. Ahitsio
Hosenana: (hosina) mt, pdr. (hoseno): Fotetahana, tavonana: Nohosenany ranomainty ny tarehiny. Ahitsio
Hosina: a.: Fifotetahana amin' ny fotaka, na vovoka, na 1oko, na loto; fandraisana adidy amin'ny raharaha iray ara-pianakaviana ka manao tsy miroa fo mihitsy. ¶ M. h.: Tavona. - t.i.f•: Hosenana, ahosina, voahosina, tafahosina 1 manosina, fanosina, mpanosina / anosenana, fanosenana 1 mihosina, fihoskra mpihosina / ihosenana, fihosenana / mahahosbra 1 hosinkosina . Ahitsio
Hosina: a: Haba varahina na volafotsy; fonjan-javatra boribory na boribory lavalava. i t.if.: Ahosina, voahosina I mihosina, mihosinkosina, fihosinkosina. Ahitsio
Hosoka: sy Hosokosoka a: Zavatra tsy tena izy, fa ala tahaka ratsy sy vita an-tandrevaka mba hamitahana: Nanao vola an-kosoka izy ka voasazy roapolo taona amponja. - F.-p.: Manao hosoka: ma-nova endri-javatra, manao zavatra tsara ivelany hamitahana olona. Ahitsio