Litera I

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Ireo: p. mdr na s. mdc: Enti-manondro olona na zavatra ma-ro, ka ny halaviran-toerana tondroiny dia mitovy amin' ny tondroin'ny ft. niaviany "io": Ampangino ireo zaza mitomany ireo fa mankarenin-tsofina. Ahitsio
Ireroa: p.mdr. sy s.mdr.: Entimanondro zavatra na olona maro, ka ny halaviran-toerana tondroiny dia mitovy amin'ny an'ny ft. niaviany "iroa": Hitanao ireroa hazo anankiroa amoron-drano ireroa? Ahitsio
Irerokatra: p.mdr. sy a,mdr. misy tovana, mitovy hevitra amin'ny "ireroa" niaviany ihany: Lehibe ireto akoho ireto noho irerokatra. jreto p.mdr. sy s.mdr.: Entimanondro zavatra na olona maro mitovy halaviran-toerana lazaina amin'ny "ito" na "ity": Avoahy any ireto zaza ireto fa mitabataba. Ahitsio
Irery: p. t. nap.mt.: Iray, tokana, tsy misy namana: Olona irery tsy mahabata io vato io. / Mitoetra irery ao izy. - t.i.f.: Manirery. ¶ M.h.: Iray, tokana, hany, fotsiny, monja, singana, tsy amboa tsy lambo, irery tena, boribory, vato kiboribory. Ahitsio
Irerý: p.mdr. sy s.mdr.: Entimanondro zavatra na olona maro ka ny halaviran-toerana tondroiny dia mitovy amin' izay tondroin'ny ft. niaviany "ir?" iltany: Vonjeo irer? ombin'ialahy, ry Isambilo, fa mitondraka. Ahitsio
Iretony: p. mdr. sy s. mdr.: Manondro mitovy amin'ny "itony", saingy izy milaza maro. Ahitsio
Iretsy: p. mdr. sy s. mdr.: Entimanondro zavatra na olona maro, avy amin'ny "itsy" ka mitovy ny halaviran-toerana lazainy sy lazain'ny "9tsy": Mahafinaritra iretsy sary iretsy. Ahitsio
Irikatra: p. mdr. sy s. mdr.: Misy tovana ikatra, mitovy hevitra amin'ny ft. 'iry" niaviany ihany: Mba mahafinaritra ahy irikatra hazo midoroboka irikatra. Ahitsio
Irina: (iry) mt. ih. (irio): Tadiavina ho azo: Irin'ny olona rehetra ny ho tratra antitra ° sambatra. - F.-p.: Iri-mahory ohatra ny zaza maditra: enti-milaza zavatra notadiavina mafy ho azo, nefa nony azo nampitondm fahoriana. / Tapi-java-nirina: tsy manan-javatra tadiavina intsony fa efa ao anatin' ny fiadanana. !titra na Irotra a.: Fanaovana an-tsitrika ao anaty rano; fandevenana amin'ny fasana vonjy maika eo akaikin'ny fasana lehibe: Mandevina amin'ny fasana an'iritra. - t.i.f.: Airitra, voairitra I maniritra, faniritra mpaniriira / aniritana, faniritana I iritriritra I aniritra. Ahitsio
Iroa: p.mdr. sy s.mdr: Entimanondro lavidavitra kely: Andeha mipetraka ambanin' iroa hazo iroa / Omet) azy iroa Ahitsio
Irokitra: s.mdr.: Enti-milaza olona tokana. Ahitsio
Irony: p. mdr. sy s. mdr.: Entimanondro olona maro tondroina an'eritreritra: Izaho tsy mba tahaka irony mpanambaka olona irony. Ahitsio
Irotra: Jar. Iritra. Ahitsio
Iroy: s.r.: Enti-manondro olona tokana. Ahitsio
Iry: ft.: Fitadiavana hanana. - t.i.f.: Irma, voairy / maniry, faniry, mpaniry / aniriana, faniriana I mahairy / iriniry. Ahitsio
Iry: p. mdr. sy s. mdr.: Enti-manondro lavitra fa taza-maso tsara: Jereo irery vorona manao faribolana ambonin'ir? tendrombohitra Ahitsio
Isa: (Btl) a: Hira sy haisoratra betsileo. (Misy karazany efatra ny isa, dia ny isan'andravana na kilaolao: hiran-dalao ankapobeny, fa indrindra ho fiderana ny andriana na ny olo-malaza; ny isan-drary: hira fivavahana ho an'ny mpiantafika; ny isam-balahazo: hira fanaon'ny tovolahy raha mifampiaika amin'ny tolona; ary ny kitari-daolao: hira fanaon'ny tovovavy amin'ny takariva diavolana: mandeha mifampitohitohy maro izy ireo ka ny tanany havanana itohizany amin'ny eo aloha ary ny havia amin'ny eo aonana). Ahitsio
Isaina: (isa) mt.ih, (isao): Lazaina ny isany: Isao ireny vorona manidina ireny raha vitanao. ~ Heverina ho anisan' ny: Nisainay ho namanay ianao tamin'ny fisoratana anarana hitsangantsangana. isaka, Isaky, Isan' ppk ary ppt. feh.: Manan-kevitra hoe "amin'ny fotoana miverimberina" na "an'ny tsirairay" na "samy... rehetra" ka ny fatnpiasa azy ireo dia toy izao: Isaka no ampiasaina eo alohan'ny "izay": Isaka izay miteny izy dia diso; — ny isaka dia tonga isaky eo alohan' ny mpanoritra anarana: Isaky ny zoma / Isaky ny miteny, — na lasa isan'eo alohan' ny anarana tsisy mpanoritra: Isan-jomà, isan'alina, isan' olona. Ahitsio
Isalahy: a.: Fizarana mitovy isan'olona. - t.i.f.: Misalahy. Ahitsio
Isam-pangady: a: Ampahany (tokony ho intelon'ny vata: 6 dal) amin'ny vary vokatra izay omen'ny olona ny mpanjaka mba ho fankatoavana azy amin'ny maha-tompon'ny tany azy. (Raha menabe ny tany, dia an'ny mpanjaka manontolo ny isam-pangady, fa raha menakely kosa, dia animahana ho an'ny tompomenakely ka raha Andriamasinavalona ilay tompomenakely dia orne-na ny antsasany ary raha zanak'andriana kosa, tsy orne-na afa-tsy ny ampahadiminy. Ahitsio