Litera I

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Ise: a.: Ny atao hoe isan-javatra na olona dia ny teny milaza na firy na firy ireo zavatra na olona ireo: Dimy no isan'ny rantsantanana an'ila. ~ Teny enti-milaza ny hoe "iray" eo am-panombohana manisa:lsa, roa, telo... - t.i.f.: Isaina, voaisa / manisa, fanisa, mpanisa / anisana, fanisana / mif anisa / misa, fiisa, mpiisa / isàna, fisàna / mahaisa / isaisa I isany. - F.-p.: Isa fa tsy roa na safatsiroa: tokana tsy manantsahala (teny entina mandoka olona na zavatra maningana eo amin'ny toetra na ny hatsaran-tarehy). / Isa land y: isa atao tsiefatrefatra hatrany. / Isa lava: isa tsy asiana avakavaka fa atao mitovy amin'ny fanisana na ny kely na ny lehibe. / Isam-batan' olona: isan'olona, ny olona tsirairay tsy misy avahana. / Isam-bava: vary na tanimbary tsinjaraina isaky ny vava mihinana. /Isam-bolana: (Jer. Fotoana). / Isam-pangady: (Jer. io teny io). / Isan-dahy: (hetra): vola aloan'ny vatandehilahy tsirairay avy ho an' ny fanjakana. / Isan-kafiriana: fanontaniana ahalalana ny isan'ny andro manelanelana dia miverina indray ilay fotoana. / Isan-ketra: vola aloa amin'ny raharahampanompoana araka izay tany nomena hovolena. Ilsan-jato: 1) enti-milaza ireo antokon' ny mponina manao fanompoana izay mitsinjarazara ho zato isaky ny iray tarika; 2) ampahany raha atao ara-keviny amin'ny zato: Ny valopolo isan-jato amin'ny Malagasy dia mpamboly. / Isantanany: anaran'ny nofon-kena amin'ny sorony manaraka ny tehezany. Ahitsio
Ise: s.o.: Misolo ny olona itenenana raha tokana, ifanaovan'ny samy lehilahy na ny samy vehivavy mifankazatra, na ny lehilahy sy vehivavy mifankatia; fanao teny lazaina ny "ise" fa raha atao teny fameno dia ampialohana ny "an": Ise ve no nilaza izanyP / Tonga namangy an'ise izahay fa tsy tao an-trano ise. - t.i.f.: Misese, fiseae, mpisese / iseseavana, fiseseavana / mahaise. Ahitsio
Isika: s.o.: Fanao teny lazaina, misolo ny olona miteny raha maro ka tsy manavaka ny tenany amin'ny olona itenenany izy: Samy olombelona mety diso daholo isika (Ra-ha manavaka ny tena amin' ny olona itenenana, dia izahay no ampiasaina: Malagasy izahay, fa ianareo Vazaha). laina a.: Fandefasana fofon'aina hivoaka any an'orona mba hivoahan'ny lelo, fanesorana ny lohan'ny lahinjiro efa manjary lavenona fotsifotsy. - t.i.f : Aisina, voaisina / manisina, fanisina, mpanisina / anisinana, fanisinana 1 mahisina / isinisina. Ahitsio
Isitra: t.p.: Teny enti-manambara fandavana, tsy fahafaliana na fanesoana koa aza. 1 t.i.f.: Tafaisitra f misitra, fisitra, mpisitra / isirana, fisirana f mahaisitra 1 isitrisitra. Ahitsio
Isitra: a.: Fandavana ny hadisoana amin'ny fanolahana a• zy amin'ny hafa. - t.i.f.: Manisitra, fanisitra, mpanisitra / anisirana, fanisirana J mahisitra f isitrisitra. Ahitsio
Isotra: Jar. Esotra. Ahitsio
Israelianina: (fr. israélien) a: Ny firenena tompon-tany any amin'ny tanin'i Israely: Mitokantokana tsy maro na-mana intsony ny Israelianina ankehitriny. 1 p. t.: Mikasika an'i Israely, an'i Israely na avy any Israely: Milina israelianina itony. Ahitsio
Israelita: (fr. israelita) a.: Nympomba ny fivavahan'ny Jody na Hebrio. Ahitsio
Isy: a: Ny fisiana (fampiasa taloha amin'ny fehezantenY toy ny hoe: Tsy isy rano ao an-tsinibe; tsy isy hijanona; izay novana taty aoriana ka natao hoe tsy misy: Tsy misy rano ao an-tsinibe, tsy misy mijanona). i tif: Aisy, asiana f fasiana, voaisy f faisy f manisy, fanisy, mpanisy I anisiana, fanisiana / misy, fisy, mpisy / isiana, fisiana, fisiavana f mampisy I mahisy. ¶ .M.h.: Tsy misy ivoasana, kapoka iray, katroka iray, lasitra iray, tsy misy fankaiza, navela tao. Ahitsio
Isy: t.p.: Tsia, tsy... velively (teny atao noho ny fahasosorana ary matetika no miaraka amin'ny fikifihana sy fandavana): Isy! ahoana no hampidirako an'iny olona tsy valahara iny an-trano? Ahitsio
Ita: ft.: Fitsakana mirobo-drano manker? an-dafin-drano. i Aita, itana, tafita 1 mita, fita, mpita f itana, fitana I mampita 1 ampitaina, miampita / mahaita 1 itaita. Ahitsio
Italianina: (fr. italien) a.: Ny firenena tompon-tany any amin'ny tanin'i Italia: Azo lazaina ho firenena artista ny Italianina 1 p. t.: Momba an' i Italia, an'i Itaüa na avy any Italia: Tamin'ny taon-jato faha-XVI no niuelaran'ny zauakanto italianina indrindra Ahitsio
Itana: (ita) ma ih. (itao): Robohina mba hankanesana ery an-dafin-drano; vikinina mba hahatongavana ery an-dafinkady: Sarotra itana ity rano itý izany fa lalina / Mora itana ve io hady io? Ahitsio
Itarina: (itatra) mt. ih. (itaro): Halehibeazina, halalahina: Nitariko hatrer? am-bavahady ny tanimbolim-boninkazoko. 1 Ampitomboina, na habe na habetsahana: Itaro isan'andro ny fahalalanao. 1 Ampitomboina ara-pilazana: Nitarinao ny filazana ny zauatra, ry Ikoto: olona efapolo raha misy no tonga ka nolazainao hoe roanjato. Ahitsio
Itatra: a.: Fampitomboana, fanalehibeazana, - t.i.f.: Itarina, aitatra, voaitatra, tafaitatra f manitatra, fanitatra, mpanitatra I anitarana f fanitarana 1 miitatra, fütatra, mpütatral itarana, fitarana / mahitatra / itatritatra. Ahitsio
Itena: s.o.: Misolo ny olona itenenana raha tokana, ary tsy manaja, ifanaovan'ny olona tezitra, indrindra ny vehivavy. - t.i.f.: Itenatena f mitenatena. Ahitsio
itiavana:Jereo: tia Ahitsio
Itikitra: sy itikatra p.mdr. sy s. mdr. misy tovana, mitovy hevitra sy fampiasa amin'ny ft. niaviany "it?': Tsy tiako itikatra satroka itikatra A-leoko lavitra itikatra Ahitsio
Ito: p.mdr.: Enti-manondro ny taons diavina na hitsahina: Be ny voankazo taona ito. Indraindray koa ampiasain' ny mpanoratra mitovy arnin' ny "it?" ny "ito", fa tsy miverina indroa, aloha sy aorian'ny anarana kosa izy. Ahitsio
Ito: a.: Fisarahana, fahatapahana. é t.f. f.: Itosana, otosana, voaito 1 mandai, fanito, mpanito / anitoana, fanitoana 1 mahito 1 itoito 1 maito. Ahitsio