Litera J

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Jiny: Jinijiny a.: Hasosotsosorana, halonilony, havitsianteny. - t.i.f.: Jinina, jinijinina / mijinijiny, fijinijiny, nY / ijinijiniana, fijinijiniana I mahajinijiny. ¶ M.h.: Fijomóka, fijahidy. Ahitsio
Jio: (t.tr) a: Hajefena dia midika hoe haingana ihany koa. Ohatra hoe ny ankizy na tanora Iray rehefa hampanaovin-javatra dia haingana ery mamita izany. Toetra miavaka, haingam-pihetsika, kinga. Tamin'ny fahagola dia ilazana tovolahy haingam-pihetsika sy fanaovan-javatra ary irakiraka ny teny hoe:"jiolahimboto". Ahitsio
Jiodo: (fr• judo) a.: Karazana tolona sy ady totohondry miharo, japoney, izay efa miely hatraizahatraiza ankehitriny, miomp ana amin'ny fahakingana sy ny fahatsiarovan-tena matselaka ka sady fampiasam-batana fatratra no fiarovan-tena mahomby raha misy mamely. Ahitsio
Jioga: (fr. joug) a.: Hazo efajoro mitohy amin'ny tanantsarety izay ampidirana ny lohan'ny omby ka anerena azy hitarika ny sarety. • h. o.: Fahefana manery: Tao ambany jiogan'ny vahiny ny firenentsika nandritra ny enimpolo taona mahery. Ahitsio
Jiona: (fr. juin) na Jona (angL june) a.: Anaran'ny volana fahenina amin'ny taona, misy andro 30. (fer. Zanvie). Ahitsio
Jipy: (fn jeeP) a.: Fiarakodiamiaramila tany am-boalohany, afaka mandeha amin'izay tian-kaleha, ampiasaina amin' ny tany miady raha nisy zavatra na toe-javatra tian-kozahana na vaovao tian-koentin a. Ahitsio
Jirajira: a: Haavo sy halehibiazana ara-batana sy ara-panahy. i t.ff.: Mijirajira, fijirajira. Ahitsio
Jirihina: (jirika) miih. (jiriho): Amidy antsinjarany: Tokony hojirihina ny vary fa ny manam-bola ihany no afa-mividy an-kitapo. Ahitsio
Jirika: a.: Jiolahy tafatambatra hamely sy handroba; dahalo. Ahitsio
Jirika: a: Varotra: Nanao jirika olona ny taloha • Fivarotana entana antsinjarany hahazoan-tombony tsy aradalàna, na koa fividianana entana hakana tombony: Manao jirl-bary io lehilahy io. - t.i.f.: Jirihina, ajirika, voajirika 1 mijirika, fijirika, mpijirika / ijirihana, fijirihana / mahajirika. Ahitsio
Jiro: a.: Teny enti-milaza rehefa mety ho fanazavana amin' ny aiina: Ampireheto ny jiro fa efa maizina ato an-trano. ? Jabora misy lahiny ka arehitra hanazava. - F.-p.: Lahin-jiro: vorodamba vonto-menaka ka arehitra ho jiro. j Fanaouan-jiro: zavatra itoeran'ny jiro. j Tauinjiro: tavy kely misy ny menaka itsobohan'ny lahin-jiro. Ahitsio
Jirofo: na Jorofo (fr. girofle) a.: Karazan-kazo salasalany ny habeny nefa mety hahatratra 10 m. ny halavany, ambolena noho ny bokom-boniny (ny voniny mbola tsy mivelatra otazana ka hamainina), izay ampiasaina hanaovana fanafody na fano-I mezan-tsiro ny laoka koa inldraindray, , atao hoe karafoy. Ahitsio
Joadimariko: a : (fiovan'ny h oe Jadimariko) Teny tenenin'ny mpampinona eo am-panasana ny tangena, ka ny heviny dia hoe: tsy mihontsina nefa marikoriko te handoa Ahitsio
Joaka: a. na p.t.: Enti-milaza olona na zavamaniry maroroka sy ngeza haingana, avo midangana. - t.i.f.: Mijoaka, fijoaka I joakajoaka. Ahitsio
Joala: Joalajoala a.: Fahalehibiazana sy fahalavana avo be. i t. if.: Mijoalajoala / ijoalajoalana, fijoalajoalana. fahiny dia firavoravoana ataon'ny olona iray avy narary ny joala. Manasa ny namany izy amin'izany. Ahitsio
Jobily: a: Fitsingerenan'ny fa-ha- 50 taonan'ny mariazy, na faha- 50 taons nanaovana raharaha iray, naharetana amin'ny asa iray. Ahitsio
Jobo: p. t.: Kely vava fa hoboka aty: Satroka jobo. - F.-p.: Jobo (Java: olona kely vava. Ahitsio
Jobo: p.t.: Mamon-divay na toaka: Jobo lava iny lehilahy iny ka tsy mahagaga raha maty an-tatatra. - t.i.f.: Joboina j manajobo, fanajobo, mpanajobo / anajoboana, fanajoboana. Ahitsio
Joboina: (jobo) mt.ih. (ioboy): Mamoina: Nojoboin'ny namany tany Rabe. Ahitsio
Jobona: a: Fifantenana, fifidianana. - t.i.f: Jobonina, voajobona I mijobona, fijobona, mpijobons I ijobonana, fijobonana 1 mahajobona. Ahitsio