Litera K

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Kompà: (fr. compas) a.: Fitaovan'ny mpandrafitra sy ny mpianatra anaovana soritra boribory tonga lafatra; misy tongony roa ny kompà, ka ny iray, maranitra, mitsatoka eo amin'ny ivon'ny boribory tian-katao ary ny iray kosa azo ahodina manodidina ka mamaritra ilay boribory. - t.i.f.: Kompaina, voakompà 1 manakompà. Ahitsio
Kompaina: (kompà) mt ih. (kompao): Soritana amin'ny komp à. Ahitsio
Kompania: (fr. compagnie) a.: Fikambanana misahana taozavatra na varotra lehibe. Ahitsio
Kompitse: (Ski) a.: Anaran-kazo karazan'ny lombiro. Ahitsio
Komy: a.: Fanoherana ny fahefana misy, famelezana amin' ny fiadiana noho ny tsy fanekena na fivadihana, fiodinana, firaisan-tetika mba hanongam-p anj akana i t,i. f : Tafakomy ) milromy, fikomy, mpikomy I ikomiana, fikomiana / mahakomy I komikomy. Ahitsio
Konaika: Konainaika a: Fidridridridriana sy fararemotra, tolokoloko sy fikonetahana. i t.i.f.: Mikonainaika, fikonainaika, mpikonainaika 1 ikonainaihana, fikonainaihana / mahakonainaika. Ahitsio
Konaina: Konainaina a: Fitaraindrainana toy ny an'ny alika voakapoka, fitolokoana, fitomaniana, fimenomenonana. - t.i.f.: Mikonaina, mikonainaina, fikonainaina, mpikonainaina / ikonainainana, fikonainainana 1 mahakonainaina. Ahitsio
Konakona: Jer. Gonagona. Ahitsio
Konantitra: na Rakonantitra a.: Rangahibe na Rafotsibe efa antitra. - t.i.f.: Mikonantitra, fikonantitra, mpikonantitra 1 t konanterana, fikonanterana. Ahitsio
Kondendy: na Kondendina na Korandendina a.: Fikarakaran a ny kanonkanon-tokantrano, fisaritahana eo am-panaovana afo mahandro sakafo. - t.i.f: Mikondendy, fikondendy, mpikondendy likondendena, fikondendena I mahakondendy 1 kondendindandy, Ahitsio
Kondrikondry: Jer. Tsikondry. Ahitsio
Konesa: a. sy p.t.: Fandeha na mpandeha midaidaika mirisarisa somary sempotsempotra; famindra miadana toa mivesatra entana noho ny fahalehibeazan'ny vatana sy ny hatavezana. - t.i.f : Akonesa / mikonesa, fikonesa, mpikonesa 1 ikonesana, fikonesana I mahakonesa 1 konesanesa. Ahitsio
Konetaka: a: Fitaraindrainandava fa te hokarakaraina bebe kokoa, hantahanta: Zaza be konetaka koa ity zanakao it?. 1 t.if.: Akonetaka, tafakonetaka 1 mikonetaka, fikonetaka, mpikonetaka 1 ikonetahana, fikonetahana 1 mahakonetaka 1 konetanetaka. Ahitsio
Konfesy: (fr. confesse) a: (Fiv, kat.) Filazana ny fahotana amin'ny pretra mba hahazoana ny famotsorana. (Ny konfesy dia miompana amin'ilay tenin'i Kristy tamin'ny Apostoly manao hoe: "Raiso ny Fanahy Masina, ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela, ary izay hotananareo dia ho voatana"). - t.i.f.: Mikonfesy, fikonfesy, mpikonfesy 1 ikonfesena, fikonfesena 1 mampikonfesy I mahakonfesy. Ahitsio
Kongona: a: Bibikely mpitsentsitra ra ka mahatonga hidihidy lozantany somali/ ma. hamaimay izany. 6 t.if: Kongonina. Ahitsio
Kongonina: (kongona) p. t: Be hatina na hatenina. Ahitsio
Kongorevo: (fr. congrève) a: Asa na hevitra natao amimpahamaikana tsy nisy fiomanana fa novonjivonjena fotsiny amin'izao: Natao kongorevo ny fanomanana ny fety ka tsy nahomby. Ahitsio
Konia: Jer. Kinia. Ahitsio
Konjo: Konjokonjo p.t: Fetsy maranitra. ~ Kinga sy mailaka amin'ny haratsiana fa mahay miseho ho tsara: Tsy azo ianteherana mba hikarakara izay Ranona olona konjokonjo iny. ~ Sarotiny aoka izany fa hoe mahalala na mitana ny rariny. Ahitsio
Konka: p.t: Antitra be, tranainy dia tranainy, ela: Hazo konka. ¶ M.h.: Goga. Ahitsio