Litera K

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Korongo: Jar. Kirongo. Ahitsio
Korongo: na Kirongo a sy p.t.: Enti-milaza ny tandrok'omby izay mifanatona ny lohatendrony, mifanohitra amin' ny hoe "baka" ka nahatonga ny fitenenana hoe: "Raha baka mahay mihorirana ianao, izaho kirongo tsy azo idirana". 1 Mifanety sy mifanakaiky. i t. if.: Akorongo, voakorongo, tafakorongo 1 manakorongo, fanakorongo, mpanakorongo / anakorongoana, fanakorongoana / mikorongo, fikorongo, mpikorongo 1 ikorongoana, fikorongoana I mahakorongo. Ahitsio
Korongona: Jer. Kirongo. Ahitsio
Koronkana: a : Teny ilazana ny entana rehetra, indrindra ny zava-madinidinika ao an-trano. Ahitsio
Koronosy: (fr. corniche) a.: Rafitra trano misy filirony. Ahitsio
Korontana: a: Zavajavatra tsy milamina ao an-tokantrano: Aiza no ahitana ny fanosehanao ato amin'it? korontana ato an-trano? ~ Tabataba sy adiady mifanjevo: Misa, korontana lava ao amin'io tany io. - t.i.f: Korontanina, akorontana, voakorontana, tafakorontana / manakorontana, fanakorontana, mpanakorontana 1 anakorontanana, fanakorontanana 1 mikorontana, fikorontana, mpikorontana 1 ikorontanana, fikorontanana 1 mahakorontana / korontandrotana. Ahitsio
Korontanina: (korontana) mt ih. (korontano): Asiana korontana; tabatabaina: Nokorontanin'i Soa ny bokiko. / Aza korontaninao ny saiko. Ahitsio
Koropaka: Korapaka, Korapapa a: Fihetsehana tsy voahevitra noho ny hamaikana na ny hamaimaizana. 1 kif: Mikoropaka, fikoropaka, mpikoropaka / ikoropahana, fikoropahana. Ahitsio
Koropoka: Jer. Korofoka. Ahitsio
Kororoana: Mitovy amin'ny Gororoana. Ahitsio
Kororoha: a.: Tsy fifankahazoana, fifosana. Ahitsio
Kororohina: (kororoka) mt. ih. (kororohy): Alana bozaka na akofa: Kororohy tsara ny varintsika, Rabozy a! 1 h.o.: Haratsina, fosaina: Nokororohany tao amin'ny fivoriana tao Rakoto. Ahitsio
Kororoka: a: Fanesorana ny akofa amin'ny vary amin'ny fomba toy izao: araraka avy ambony ny vary ka amin'izay entin'ny rivotra miaraka aminy ny bozaka sy ny akofa ary dia ny voam-bary kosa no milatsaka ka azo raofina. ~ h.o.: 1) Ozona, fanozonana; 2) Fanaratsiana. - t.i.f.: Kororohina, akororoka, voakororoka 1 mikororoka, fikororoka, mpikororoka 1 ikororohana, fikororohana 1 mahakororoka / kororodroka. Ahitsio
Kororosy: na Ankororosy a: Fisolafahana, fibolisarana, fitambotsorana hidina, fidinana mitambororotra. ~ h.o.: Fionganana. - t.i.f.: Akororosy, voakororosy, tafakororosy 1 mikororosy, fikororosy, mpikororosy 1 ikororosiana, fikororosiana I mahakororosy. Ahitsio
Korosina: (korosy) mt. ih. (korosio): Asosa sady atosika. Ahitsio
Korosy: a.: Fibolisaran-javatra izay atosika tongotra. ~ ki.t: Korosina, akorosy, voakorosy, tafakorosy 1 manakorosy, fanakorosy, mpanakorosy 1 anakorosiana, fanakorosiana I mikorosy, fikorosy, mpikorosy 1 ikorosiana, fikorosiana I mahakorosy 1 korosirosy. Ahitsio
Korotehina: (korotika) mt. ih. (koroteho): Rovitina tsy misy kitotony, kotehina: Nahoana no korotehinao toy izao ny akanjoko? ? Simbana tanteraka: Nokorotehin'ilay bibidia ny tarehiny. 1 Asavorovoro ka tsy hita intsony izay laniny, asafotofoto: Nokoretehin'iza àry it? kofehy it?? Ahitsio
Korotika: p. t.: Rovitra, kotika, toa voakaikikaikitra be ihany: Korotiky ny nendra ny tarehiny. 6 tif: Korotehina, voakorotika, tafakorotika 1 manakorotika, fanakorotika, mpanakorotika I anakorotehana, fanakorotehana 1 mikorotika, fikorotika, mpikorotika I ikorotehana, fikorotehana 1 mahakorotika 1 korotidrotika. Ahitsio
Korotsahana: (korotsaka) mt pdr. (korotsahy): Enti-milaza zavatra na olona ampidinanjavatra: Nokorotsahanay fasika mahamay ilay mpangalatra ka rifatra nandositra. Ahitsio
Korotsaka: a: Fitambotsorana midina moramora, fianjeranjavatra midina mitambotsotra. - t.i.f : Korotsahana, akorotsaka, voakorotsaka, tafakorotsaka 1 manakorotsaka, fanakorotsaka, mpanakorotsaka 1 anakorotsahana, fanakorotsahana 1 mikorotsaka, fikorotsaka, mpikorotsaka / ikorotsahana, fikorotsahana 1 mahakorotsaka 1 korotsadrotsaka. Ahitsio