Litera K

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Kotrana: (Btm) a.: Volotsanga na maina vakina ahantona eny an-tanimbary ka hetsiketsehina mba hampatahotra sy hanaitra ny fody na ny lambo. Ahitsio
Kotranina: mt ih. (kotrano): Ampifampipohina, ampifampikatrohina: Aza kotranina ny uilia sao uaky. / Helingelenina, kotabaina: Kotranin' ny mpamosavy isan'alina, hono, izy. / Kotranin'ny fakampanahy lava izao izy. 1 Asiana ka ahontsankontsana: Kotranina fasika ny tauoahangy hanadiouana azy. Ahitsio
Kotrefa: na Kotrefaka na Kotrepaka p.t.: Tsy marim-pandeha fa mitolitsika ny tongony ilany; mandringa, kotringa, kotrifa. - t.i.f.: Akotrefaka / mikotrefaka, fikotrefaka, mpikotrefaka / ikotrefahana, fikotrefahana 1 mahakotrefaka I kotrefatrefaka. Ahitsio
Kotrehina: (kotrika) mt. ih. (kotre ho) : (atody) Ambombana mba hafana ka ho foy: A-tody folo no nokotrehin'Ikalamauo ka telo monja no foy. ~ Tazonina, giazana ao an-trano: Kotrehinao ao antrano ny zanakao ka tsy mba mahalala ny fanaon'ny olona. Ahitsio
Kotrepaka: Jar. Kotrefa. Ahitsio
Kotretraka: na Kotretrika a: Fitomaniana lava. - t.i.f.: Akotretrika / mikotretrika, fikotretrika, mpikotretrika I ikotretrahana, fikotretrahana 1 mahakotretrika / kotretritretrika. Ahitsio
Kotrifa: a: Mitovy amin'ny Kotrefa. Ahitsio
Kotrifana: a.: Fitiavana sangy maherihery setra; tsy fahapetrahana eo amin'ny toerana iray fa mijilajila, fitrafantrafanana, trifana. - t.i.f.: Kotrifanina, akotrifana 1 manakotrifana, fanakotrif ana, mpanakotrifana 1 anakotrifanana, fanakotrifanana / mikotrifana, fikotrifana, mpikotrif ana 1 ikotrifanana, fikotrifanana 1 mahakotrifana / kotrifantrifana. Ahitsio
Kotrifanina: (kotrifana) mt. ih. (kotrifano): Asaina na avala mikarenjirenjy, mipelipelika. Ahitsio
Kotrifatrifa: p. t.: Mandrin g a, mikotringa. Ahitsio
Kotrika: a: Fambomban'ny vorona ny atodiny mba hafana ka hahafoy azy. - t.i.f.: Kotrehina, akotrika, voakotrika, tafakotrika / manakotrika, fanakotrika, mpanakotrika 1 anakotrehana, fanakotrehana 1 mikotrika, fikotrika, mpikotrika 1 ikotrehana, fikotrehana 1 mahakotrika 1 kotrikotrika. Ahitsio
Kotringa: p.t.: Mitongilam-pamindra fa miavo miiva. 1 tif : Akotringa 1 mikotringa, fikotringa, mpikotringa 1 ikotringana, fikotringana 1 mahakotringa 1 kotringatringa. ΒΆ M.h,: Mandringa, kotrefa, kotrefaka, kotrepaka, kotrifa, tolitsika, kely ila. Ahitsio
Kotritratritra: a: Zaza mitrif antrifam-poana, tsy mahatsiaro henatra amin'ny fihetsiny. - t.i.f : Mikotritratritra. Kotrivo: Jer. Kitrivo. Ahitsio
Kotro: a: Hoditra mihamatevina sy mihamafy eo amin'ny felatanana na ny faladia no-ho ny asa betsaka atao na ny dia lavitra vita; kitro. * F.-p.: Be kotro maro holatra: teny enti-milaza ny miaramila menavazana nahazo takaitra tany an'ady. Ahitsio
Kotrofony: a: Tsirin'ny ahitra nodorana. Ahitsio
Kotrohina: (kotroka) mt. ih. (kotrohy): Apoaka na arefotra mafy. 1 Andrahoina, ampangotrahina: Kotrohy tsara ireto tsaramaso ire tri. Ahitsio
Kotroka: a.: Fipoaka na firefotry ny varatra; dona miezinezina heno eny amin'ny la-nitra rehe fa h o avy ny oran a: Matahotra kotroka (na kotrok'orana) izaitsizy ny zafikeliko. 1 Rehefa mety ho feon-javatra mafy manako. 1 Laza. 1 Fandrahoana ny sakafo ho masaka. i t. t f.: Kotrohina, akotroka, voakotroka, tafakotroka f mikotroka, fikotroka, mpikotroka I ikotrohana, fikotrohana 1 mahakotroka 1 kotrokotroka I mikotrokotroka / manakotrokotroka 1 makotroka 1 hakotroka. * F.-p.: Kotro-baratra: ny firefotry ny varatra. I Kotrok' orana: ny fipoakan'ny kotrobaratra mialoha ny iavian'ny orana. / Kotro-maina: poabaratra amin'ny andro migaingaina tsy misy orana akory; h.o.: enti-milaza koa ny hatezerana lehibe izay tsy misy antony tokony ho niaviany.l Kotroka an-tany: feo re avy amin'ny fifohan-drongony izay misy fantsona mandalo ao anatin'ny voatavo misy rano. Ahitsio
Kotrokosa: (Tsm) a: Hena ampangotrahina fotsiny dia ajanona mba hahazoana mitahiry azy. Ahitsio
Kotrokotroka: a : Karazan-java maniry (jar. Tsikotrokotroka). Ahitsio
Kotronosy: a: Anaran-kirairay izay fitendry fahiny tamin' ny valiha. Ahitsio