Litera K

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Kaolina: a.: Karazan-tany fanaovana paorselaina. Ahitsio
Kaoma: a: Mari-pijanonan-tsoratra (,), faingo. Ahitsio
Kaomisera: (fr. commissaire) a: Manamboninahitra ambony indrindra amin'ny Polisy izay tompon'andraikitra amin'ny fampanjakan a ny fandriampahalemana sy ny filaminana amin'ny tanàndehibe, ary mamarana ny famotorana ny fikarohana ny mpanao ratsy natomboky ny inspektera. Ahitsio
Kaona: a: Fifanatonana, fiadiana, fikambanana mifandray tsara. - t.i.f.: Akaona, voakaona, tafakaona / manakaona, fanakaona, mpanakaona / anakaonana, fanakaonana ( mikaona, fikaona, mpikaona ( ikaonana, fikaonana ( mahakaona. Ahitsio
Kaonfitira: (fr. confiture) a: Voankazo nandrahoina tamin'ny siramamy. Ahitsio
Kaonitra: a: Zoron-trano mandroso kely ka manjary toa haingony. Ahitsio
Kaonitra: p.t.: Efa manify sady fohy ny volony. Ahitsio
Kaonkaona: a: Fanenon'ny biby sasany, toy ny vorontsiloza; kaikaika tsy misy fiatoana. 6 Li. f.: Tafakaonkaona )mikaonkaona, fikaonkaona, mpikaonkaona)ikaonkaonana, fikaonkaonana ) mahakaonkaona. Ahitsio
Kaonserva: (fr. conserve) a.: Hena na trondro na voankazo na hanina efa nomanina ka atao anaty boaty vifotsy tsy idiran-drivotra mba ho azo tehirizina. Ahitsio
Kaontsy: a.: Karazana paoma marimarikivy sy handatrandatra (Cydonia vulgaris L.). Ahitsio
Kaonty: (fr. compte) a: Toetra na isan'ny vola miditra sy mivoaka: Izao no kaontin'ny volanao. • Fanisana na fanambarana vola: Manao kaonty ao an'efitra ao i rainao. / Tsy miady izany kaonty izany. - t.i.f.: Kaontina, voakaonty 1 mikaonty, fikaonty, mpikaonty / ikaontiana, fikaontiana. * f-p.: Kaonty baoritra: faminavinana anjoanjo fotsiny. Ahitsio
Kaoperativa: (fr. coopérative) a.: Fikambanan'olona mpamokatra na mpihinana izay manambatra ny asany na ny volany mba hananganana zava-mamokatra iray, ka miara-manana na miombona koa amin'ny vokatra azo. Ahitsio
Kaopra: (fr. copra) a: Ny aty nofon'ny voam-boanio izay efa nomainina. Ahitsio
Kaosy: a.: (akory izato izy) Teny ifampiarahaban'ny hova amin'ny foko merina: Kaosy, tompoko. Ahitsio
Kaosy: p.t.: Kanosa, saro-tahotra. Ahitsio
Kaovasy: a.: Fialana misokosoko, fiporitsahana handeha na handositra. - F..p.: Manao kaovasy: mihodivitra, mibolidy, mibisioka. Ahitsio
Kaozatina: (kaozatra) p.t.: Mahia aoka izany ka toa hozatra sisa tavela. Ahitsio
Kaozatra: p.t.: Mahia dia mahia, afa-nofo. i t.if.: Kaozatina I mikaozatra. Ahitsio
Kapa: a: Karazan-kiraro izay tsy feno ny tampon-tongony. i t. if.: Mikapa. Ahitsio
Kapa: a.: Karazam-pamelezana fanaon'ny mpanao daka, ka ny voditongotra no itsenana ny ranjon'ny ankilany. * F.-p.: Kapa tokana: karazan-daka toy ny kapa tsotra ihany, saingy mihorirana kely kosa ny vatana, dia entina mankeo anoloana ny tongotra vao alefa amin'ilay asiana, ka mazàna no mahavoa ao an-danivoa. Ahitsio