Kapa | : | a: Fandidiana amin'ny famaky na antsibe: Ratsy kapa ity hazo ity izany. - t.i.f.: Mikapa, fikapa, mpikapa 1 ikapana, fikapana.
Ahitsio |
Kapaika | : | (Ski, Tan) a.: Hazo madinika izay hanin'ny olona ny vodiny rehefa mosarena ny tany (Tacca artoearpifolia Sern.).
Ahitsio |
Kapaina | : | (kapa) mt ih. (kapao): Tapahina amin'ny famaky na antsibe.
Ahitsio |
Kapaoro | : | p.t.: (tsy fampiasa loatra intsony) Lany fana-nana. ? Fehezina eo ambany.
Ahitsio |
Kapaoty | : | (fr. capote) a.: Karazam-pitafiana lava atao aro ivelany amin'ny orana na ny hatsiaka.
Ahitsio |
Kapavava | : | p. t.: Teny enti-milaza fahafenoana raha marnatra zavatra ka atao somary voakaoka kely ny safovava
Ahitsio |
Kapelatsa | : | (Bti) p.t: Enti-milaza karazan-tandrok'omby mivelatra tanteraka, izany hoe malala-pivelatra ary miolaka miakatra.
Ahitsio |
Kapetsy | : | (fetsy) p, t.: Fetsifetsy mitady hanambaka, kinga amin'ny hafetsena. - t.i.f.: Mikapetsy, fikapetsy, mpikapetsy / ikapetsena, fikapetsena.
Ahitsio |
Kapika | : | (ft.-p.) a.: Voanjombazaha.
Ahitsio |
Kapila | : | a: Vakina hodi-boatavo mena ataon'ny olona toham-baliha na tsentsin-tongobolo. • Karazana famaranjava-madinika, toy ny sira... * h.o.: Olona mahia na maivan-doha (toy ny kapilamboatavo). ? h.i.: Tafotanimanga fisaka. - F.-p.: Kapila hazo: hazo vita efa-joro atao tafontrano. / Kapila manan-tsaina: teny an'ohatra enti-milaza ny sofina. / Kapilam-barauarana: ny kibom-baravarana. * Ohab,: Kapila uoahitsaka: mirefotra ihany fa any ambany faladia: enti-milaza olona maivan-doha mihevi-tena ho zavatra: mipentsompentsona ihany, saingy tsy asian'ny olona vidiny.
Ahitsio |
Kapila | : | a.: Vakim-boatavomonta fanao solon-tavoara fasian' ny ntaolo menaka na sirs.
Ahitsio |
Kapilany | : | (t, tr. ) p. t.: Mahia, manify.
Ahitsio |
Kapilipily | : | a: Fikivilivilin'ny tehina atsipy.
Ahitsio |
Kapily | : | a: Zavatra mihantona m.isavilivily amin'ny famantaranandro lehibe. - t.i.f: Mikapily, fikapily, mpikapily I kapiliPilY I mikapilipily, fikaPilipilY, mpikapillpily I ikapilipilfana, fikapilipiliana / mahakapilipily.
Ahitsio |
Kapisily | : | (fr. capsule) a.: Zavatra kely mandrehitra ny vanja amin'ny sofim-basy raha donina,ka mampipoaka ny bala.
Ahitsio |
Kapisily | : | (fr. capsule) a,: Teny ilazana koa ilay vy kely boribory atao saron'ny tavoahangy sasantsasany.
Ahitsio |
Kapisinina | : | (fr. capucine) a.: Hazo lehibe fandravahana zaridaina na tanna amin'ireo voniny volomparasy mahafinaritra (Tropaclum malus L,)
Ahitsio |
Kapitaly | : | (fr. capital) a.: Vola ampiasaina mbahampandeha orinasa na raharaham-pamokarana iray.
Ahitsio |
Kapitatisma | : | (fr. capitalisme) a: Fomba fitantanan-karena miompana amin'ny fikendrena ny tombontsoan'ny tompom-bola miasa amin'ny orinasa iray (kapitaly), ka tsy mijery firy ireo mpiasa fototry ny fitomboan'ny hareny.
Ahitsio |
Kapiteny | : | (fr. capitaine) a.: Manamboninahitra amin'ny foloalindahy an-tanety sy a-na habakabaka, ambonin'ny Lietnà ary ambanin'ny Komandà; mitovy fahamboniana amin'ny Lieutenant de vaisseau amin'ny tanisa andranomasina (jar. Grady). * Ohab.: Kapiteny rainazy: mitoto vary ho an'ny sahazany: ny olona mpiasabe no matetika malemy loatra ka izy indray no manao ny anjara asan'ny olona eo ambany fifehezany.
Ahitsio |