Litera K

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Karatra: a: Baoritra filalaovana misy marika sy sary, ary mitovy soratra ny vohony. • F.-p.: Miloka karatra: milalao karatra ka mahazo ny vola apetraka izay mahafaty. Ahitsio
Karatsaka: a: Jer. Tsipetrika. Ahitsio
Karatsaka: a: Feon-javatra mitovy amin'ny an'ny biby mitsakatsaka any anaty ahitra, na feon-javatra toa mikepokepoka toy ny ravi-maina voahitsaka. - t.i.f.: Mikaratsaka, fikaratsaka, mpikaratsaka / ikaratsahana, fikaratsahana / karatsadratsaka / mikaratadrataka. Ahitsio
Karavantsy: (Ski) a: Katsaka andrahoina miaraka amin'ny karabo na tsiaridrafy. Ahitsio
Karavasina: (karavasy) mt. ih. (karauasio): Asiana ny karavasy. Ahitsio
Karavasy: (fr, cravache) a: Tady na hoditra fikapohana. - t.i.f.: Karavasina, voakaravasy ( mikaravasy. Ahitsio
Karavato: (fr. cravate) a: Fehin-tenda enti-mihaingo. Ahitsio
Karazana: a: Sokajin'olona, biby na zavamaniry mitovitovy toetra amam-pomba: Ny alika, hono, no maro karazana indrindra amin'ny biby rehetra. Ahitsio
Karbonina: (fr. carbone) a: Tenan-javatra tsotra izay hita eo amin'ny zavaboary, na amin'ny endrika tsy miharo amin-javatra hafa (toy ny diamondra), na mifangaro amin'ny zavatra hafa (toy ny arintany). Ahitsio
Kardinaly: (fr. cardinal) a.: E-veka na indraindray koa aza Pretra, voatendrin'ny Papa hiara-mitondra aminy ny E-glizy, ary mifidy sady azo fidina ho Papa. Ahitsio
Karemy: (fr. carême) a.: Fe-potoana efapolo andro manomboka ny Alarobian'ny lavenona ka miafara amin'ny A-sabotsy masina, ifadian'ny kristianina katolika hanina sy hena isan-jomà ho fanaovana asa fivalozana. Ahitsio
Karenina: p.t.: Teny somary manesoeso ilazana ny olona donto, tsy mahare tsara, ary koa ny vilany tsy dia malady loatra. Ahitsio
Karenjena: (karenjy) mt ih. (karenjeo): Enjehina. Ahitsio
Karenjy: a.: Fivezivezena atsy sy aroa • Fandehanana ara-ka izay tiana. 1 Fanaram-po tafahoatra, filibana amin'izay lalana aleha. - t.i.f.: Karenjena, akarenjy, voakarenjy, tafakarenjy/manakarenjy, fanakaxenjy,mpanakarenjy 1 anakarenjena, fanakarenjena / mikaxenjy, fikaxenjy, mpikarenjy likaxenjena, fikarenjena / mahakaxenjy 1 karenjirenjy. Ahitsio
Karepodambo: (Ski) a: Zavamaniry fanao emboka ny vodiny. Ahitsio
Karepoka: a.: Karazan-javamaniry sahala amin'ny ahitra maniry eny rehetra eny, ka ny vodiny hanin'ny ankizy. Ahitsio
Karepoka: a.: Feon-javatra kepohin'ny nify ao anaty vava. i tif: Akarepoka, karepohina, voakarepoka 1 mikarepoka, fikarepoka, mpikarepoka / ikarepohana, fikarepohana / mahakarepoka / karepodrepoka. Ahitsio
Karetohina: (karetoka) mt. ih. (karetohy): Kaikerin'ny nify na ketohin'ny nify miaraka ka misy feo mitsako aterak' izany. Ahitsio
Karetoka: a: Ketoka, kaikitra na fanerena zavatra amin'ny nify ka aharenesana feo mitsako amin'ny fanekerana ilay zavatra. - t.i.f.: Karetohina, akaretoka, voakaretoka, tafakaretoka 1 mikaretoka, fikaretoka, mpikaretoka 1 ikaretohana, fikaxetohana / mahakaretoka 1 karetodretoka. Ahitsio
Karetsahina: (karetsaka) mt ih. (karetsaho): Itsoriahana, asiana faingana, asiana tampoka vetivety: Nokaretsahin'ny fahavalo ny tanna. / Nokaretsahiny totohondry ny lohan-janako. Ahitsio