Litera K

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Katolika: (fr. catholique) a.: Olona manaraka ny katolisisma izay antokom-pivavahana kristianina manaiky ny Papa. Ahitsio
Katolisisma: (fr. catholicisme) a: Antokom-pinoana kristianina manaiky ny Papa ho filoha, Ny foto-pampianaran' ny katolisisma dia momba ny misterin'ny Trinite Masina, ny fahatongavan'ny Zanak'Andriamanitra (Jesoa Kristy) ho nofo, ny fanavotany ny olombelona tamin' ny fahotana tamin'ny alalan' ny fahafatesany, ny fifindran'ny fahotan'i Adama sy Eva (fahotana tamin'ny fototra) tamin'ny taranany rehetra, ary ny fanajana an'i Masina Maria ho toy ny renin'Andriamanitra. Ahitsio
Katolo: (Ski) a.: Anaram-borona izay mahatonga loza mampifindra fonenana, ho-no, ny volony raha miboha ao an-trano. Ahitsio
Katona: a: Firindrinana, fanakombonana. 1 t.i. f.: Akatona, voakatona,tafakatona 1 manakatona, fanakatona, mpanakatona / anakatonana, fanakatonana / mikatona, fikatona, mpikatona I ikatonana, fikatonana 1 mahakatona / katonkatona. Ahitsio
Katoroka: a: Karazan-javamaniry atao koa hoe torotoroka. Ahitsio
Katoto: (Ski) a.: Karazam-borona tahatahaka ny voromahailala, fa kelikely kokoa. Ahitsio
Katra: a.: Karazan-daolao fanaon'ny vehivavy sy ny ankizy: misy lavaka boribory maromaro laha-droa mifanitsy, ka vato roa isan-davaka no atao aminy; afindra zaraina amin'ny lavaka tsirairay ireo ka misy fotoana ahazoan'ny mpilalao ny vaton'ny an-kilany mifanitsy amin'ny azy; izay mahatapitra ny vaton'ny anankiray aloha ara-ka izany no mandresy. Ahitsio
Katra: a.: Korintsana vita amin' ny kapoaka na hoditra avy amin'ny tongotr' omby ka nasiana vato kely na voan-javatra madinika; fampiasa eo amin'ny dihy ny katra miaraka amin'ny zavamaneno ha-fa; ahontsankontsana koa izy atao fanairana ny fody na famporisihana ny omby rehefaman osy tanimbary. Ahitsio
Katrafay: na Katrafaina a.: Hazo akana hodiny hatao amin' ny toaka mba hampahery sy hahatsara ny tsirony. (Cedrelopsis grevai). • h.i.: Toaka. i t i. f : Mikatrafay, mikatra• faina. Ahitsio
Katrahana: (katraka) mt. ih. (katraho): Atao heno mikepoka: Nokatrahako ny totohondry ny lohany. Ahitsio
Katraka: a.: Feo heno mikepoka amin'ny fianjeran'ny zavatra mafy anankiray amin' ny zavatra mafy iray hafa. - t.i.f : Katrahana, akatraka, voakatraka 1 manakatraka, fanakatraka, mpanakatraka 1 anakatrahana, fanakatrahana 1 mikatraka, fikatraka, mpikatraka / ikatrahana,fikatrahana 1 mahakatraka I katrakatraka I mikatrakatraka. Ahitsio
Katrana: a: Akotry afafy amin' izao fa tsy mba nalona ho vaky vazana, - F.-p.: Fafy katrana: fomba famafaz ana vary atao matevina, izany hoe betsaka no indray atsipy, satria noho izy tsy vaky vazana dia mety tsy hitsimoka daholo. / Manao fafy katrana: mamafy betsaka befahatany. Ahitsio
Katraoka: a: Feo re avy amin' ny tongo-tsoavaly na ny kiraro mandeha amin'ny tany mafy na vato. - t.i.f.: Akatraoka / mikatraoka, fikatraoka / mahakatraoka 1 katraotraoka. Ahitsio
Katrikatriny: a. sady p. t: Antonontonony, salasalany. Ahitsio
Katrikatry: p, t.: Enti-milaza ny taolana hita miranirany a• min'ny tenan'ny olona mahia: Taolana mikatrikatry, ¶ M.h.: Trakitraky. Ahitsio
Katrinia: a: Ny ravina sy ny voan-drongony ampifangaroina ka asiana siramamy no fohina, Ahitsio
Katritra: p.t.: Tsy manjary, manao toetram-boto, Ahitsio
katro:kilalao malagasy ampiasàna faritra boribory kely maromaro sy vatokely ahisakisaka Ahitsio
Katrohana: (katroka) mt. ih. (katrohy): Donina: Nokatrohan'ilay fiarabe ny fiarakelinay ka nivadika. • Asiana: Nokotrohany totohondry ny oron-janany ka vaky ra. ~ Hanina, atao amin-joto sy amin-kafanam-po: Nokatrohan'ny adalavauy ny vary iray lovia be makadiry ka najifa tery. / Nokatrohan'izy teio lahy ny tanimbary ao ambany atsimo ka vita vetivetY foana. Ahitsio
Katroka: a.: Fifandonana; fihaonana misy fifamelezana; ady tsy mifampitsitsy. a t t f : Katrohana, akatroka, voakatroka, tafakatroka 1 mikatroka, fikatroka, mpikatroka / ikatrohana, fikatrohana I katrokatroka 1 manakatrokatroka, fanakatrokatroka 1 anakatrokatrohana, fanakatrokatrohana 1 m'rkatrokatroka. Ahitsio