Litera K

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Kelimafana: a: Karazan-javamaniry roa karazana no antsoina amin'izany, ka ny voalohany misy tsirony handatra ary toa mandoro na mahakendakenda izany; ny faharoa kosa, fampiasan'ny olona ho fampahazotoana ho-mana ka hanina alohan'ny sakafo. Ahitsio
Kelimanjakalanitra: a: Karazana modimodia na mihorongorôna (jar. ireo teny ireo). Ahitsio
Kelimasesy: (Btl) a: Karazana voatavo izay kely dia kely ny voany. (Ny niavian'ny anarany dia toy izao: raha entin'ny olona mantsaka io voany io dia voatery miverimberina matetika misesy izy vao mahafeno sinibe). Ahitsio
Kelimifodrà: a.: Karazan-javamaniry mitovitovy amin'ny kelihomandrà (Ethulia consoides). Ahitsio
Kelivoloina: a: Karazan-javamaniry fanaon'ny olona ody tazo noho izy mora mahatsemboka ary manadio ny rano (Conyza aegiptica). Ahitsio
Kely: p.t.: Tsy lehibe, madinika: Trano kely no ipetrahanay. • Tsy be, vitsy, tsy firy: Kely ny isan'ny mpianatra tonga. • Manify, mezaka: Kely ny vahan'io olona io. • Fohy zeny: Lazain'ny mpitantara fa olona kely, hono tzany uazimba izany. - t.i.f.: Hakelezina, voakely / manakely, fanakely, mpanakely / anakelezana, fanakelezana 1 mahakely, mihakely 1 kelikely / hakelezana. - F.-p.: Kely ray: ilazana ny lehilahy fohy. / Kely reny: ilazana ny vehivavy fohy. / Kely ambaitra: malemilemy ka mila fitandremana fatratra. ¶ M.h.: Saro-pady. /Kely antitra: ilazana ireo olona botry sy fohy nefa efa be taona. / Kely boritika: madinika dia madinika. / Kely fan tatr'olona: anaranailazan' ny olona ny kary. / Kely hiratrq kely hoho: entin'ny olona hilazana ny kahidy sy tena mahihitra. / Kely aizana: enti-milaza zaza mbola kely nefa bevohoka sahady ny reniny. / Kely sisa: ny kely mbola tsy vita amin'ny raharaha ary ilazana koa ny volana madiva ho tapitra. / Manao kely tsy mba mamindro: enti-milaza ny fahefana tsy miraharaha ny kely fa manifikifika fotsiny amin'ny hery ananany. / Manakely loa-bary: mampihena ny anjara sakafo noho ny fitsitsiana. ¶ M.h.: (olona) Kely ray, kely reny, kely endaka, kambity, kambitry, tsingetana, botity, bija, bitika, boleta, bozeta, bozeny, mafy kely, vatokely, madinika, majinika, hetry, botry, katita, aketalahy, tsampirano, tapak' amponga, nihinan-tain'orona, tsapitika. Kely dia kely: Kely bitika, kely bilitika, kely botitika, kitfka, kitsika, kitsitsika, tsintsina, ankanofisana, indray manila, rano an-kitsak'akoho, ohatra ny ivy, pitiny kely, sombiny kely, ilany kely, ambilombazana, sily, hoho, silakoho, tapany kely, piny kely, motiny kely, ambiny kely. Kely sisa tsy nahavoa: Ambivitra, avivitra, kely viviny, vaxiraiventy. Ahitsio
Kemaina: (kema) mt ih. (kemao): Asiana demba, asiana dembana; dembaina. Ahitsio
Kemo: a: Fikainkonana; fihemorana; fialana tsy hanao na hanaraka izay efa nekena na nokasaina. - t.i.f : Akemo, voakemo, tafakemo / mikemo, fikemo, mpikemo / ikemoana, fikemoana / mahakemo / kemokemo. Ahitsio
Kenakena: a: Fitondran-javatra amim-pitandremana fatratra il t.i.f.: Kenakenaina, voakenakena / mikenakena, fikenakena, mpikenakena 1 ikenakenana, fikenakenanalmanenakena. Ahitsio
Kenakenaina: (kenakena) mt. ih, (kenakenao): Entina ampitandremana fatratra: Kenakenao ny fitondranao ireto atody ireto sao vaky. ? h.o.: Entina amin-kamorana loa• tra, am-panaovana rainazy: Nokenakenainao loatra ny fitondrana ny zanakao ka nanjary malemy sy sarotsarotiny ilay izy. Ahitsio
Kenda: p.t.: Misy zavatra mibahana ao anaty tenda ka manjary sempotra tsy afamiaina: Kendam-bomanga i Lita kely ka nivontirika ny voamasony. • Voageja, voatery mafy, voafihina ny Mn-da: Kenda aho fa vahao ny bokotry ny vozon'akanjoko. •Enti-milaza zavatra, fantsona na lakan-drano, izay tsentsina na tampina ka tsy mamela handeha izay asisika na alefa ao anatiny: Kenda ny basy ka tsy mety mandeha ny fahana. 1 tif: Kendaina, akenda, voakenda, kinenda 1 manenda / manakenda, fanakenda, mpanakenda / anendana, fanendana / anakendana, fanakendana 1 mahakenda. - F.-p.: Kenda tsintsina: fanakendana amin'ny fanondro sy ny ankibe. / Kenda roroka: fanakendana amin' ny tanana roa na amin'ny sandry roa izay entina mamihina ilay kendaina. / Mihakendakenda: enti-milaza irony voankazo na vodin-javamaniry somary fasipasehina ka manahirankirana ny mitelina azy. * Ohab.: Mitsako tsy re ka kenda uao "dony aho ranaotra": enti-milaza irony olona mifaly irery raha misy soa azony, fa miantso ny hala kosa rehefa nisy nahavoa azy. / Rafotsibe kendam-bomanga ka matin'ny nasesiky ny tanany: ebti-milaza ny olona voan'ny nataony ihany. ¶ M.h.: Mandrora mitsilany ka mahavoa tena, vivy nanitrika ka bongo mason'ny nahiny, toho matin'ny lelany. / Manao kenda be, manao ken-da roroka: fiteny samy nalaina avy amin'ny famonoana omby, ka ny hevitr'ilay voalohany dia hoe: misavika ny omby eny am-bozony ka ohatra ny manenda azy; ny faharoa kosa manenda azy eo amin'ny traokany. Ahitsio
Kendaina: (kenda) mt. ih. (ken-dao): Terena amin'ny vozony. Ahitsio
Kendrena: (kendry) mt. ih. (kendreo): Tilina atao izay hahazoana azy, hahavoa azy: Kendren'ny saka ilay uoronkely. • Tadiavfna ho azo: Ny soa no kendreko ho an' ny tanindrazako. Ahitsio
Kendry: a: Fitiliana zavatra tiana ho voa, ho azo; fiheverana sy fiomanana mialoha. 6 t,tf.: Kendrena, akendry, voakendry, kinendry / mikendry, fikendry, mpikendry / ikendrena, fikendrena / ma• hakendry/ kendrikendry. Ahitsio
Keninkenenina: (keninkenina) mt. ih. (keninkeneno): Amboarfna, omanwa. Ahitsio
Keninkenina: a: Zavatra na raharaha madinika mitazona tsy hahavitana zavatra hala. i t.i.f.: Keninkenenina / mikeninkenina, fikeninkenina, mpikeninkenina 1 ikeninkenenana, fikeninkenenana. * F.-p.: Be kenfnkenina: malimalina, fatra-piahy loatra ny zavatra madinika. Ahitsio
Kenona: Kenonkenona a: Fikarakarana ny raharaha madinidinika ao an-tokantrano; fisahiranana manketsy mankeroa. i Kenonkenonina / mikenonkenona, fikenonkenona, mpikenonkenona / ikenonkenonana, fikenonkenonana 1 mahakenonkenona. * F.-p.: Vita kenona: efa vita daholo ny raharaha madinidinika. Ahitsio
Kenonkenonina: (kenonkenona) mt. ih. (kenonkenony): Karakaraina. Ahitsio
Kentana: p.t.: Kely ray, nefa marisidrisika sy mailamailaka. Ahitsio
Kentrona: Jer. Ketrona. Ahitsio