Litera K

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Kinenda: (kenda) mt.ih. misy tsofoka in: Voakenda, kendaina: Nokinenda no nahafaty azy. Ahitsio
Kinepoka: (kepoka) mk ih, misy tsofoka in: Voakepoka, kepohina: Nokinepoky ny alika ny taolana. Ahitsio
Kinetoka: (ketoka) mt. ih. misy tsofoka in: Voaketoka, ketohina: Nokinetoky ny alika ny tanan-jazakely fa vonjeo. ~ h.o.: Nokinetoky ny varavarana ny tanako. Ahitsio
Kinetraka: (ketraka) mt. ih. misy tsofoka in: Voaketraka, ketrahina, voagedragedra: Nokinetrak'iza àry itq tady ity? Ahitsio
Kinetrika: (ketrika) mtih. misy tsofoka in: Voaketrika, ketrehina, tenehina, ampangotrahina. Ahitsio
Kinetsa: (ketsa) mt. ih. misy tsofoka in: Voaketsa, ketsaina, voafindra: Vary efa nokinetsa ireo fa ataovy tsara ran o. Ahitsio
Kinga: Kingakinga p.t.: Fatrapanao zavatra haingana sy tsara, haingam-panao zavatra, mailaka, mivikiviky: Kinga ery Ikoto rehefa miasa 1 Mahay, havanambanana: Mp itendry zavamaneno kinga Rakoto. - t.i.f: Hakinga, fahakinga, hakfngana, f ahakingana. ¶ M.h.: Mailaka,mailamailaka, lahilahy, matselaka, tselika, f analo, malaky, malady, mavika, mavibika, mavitrika, mavitribitrika, mivikiviky, mariadriaka, marisika. Ahitsio
Kingatsa: a.: Karazan-javamaniryKingory a.: Karazan-damba madinidini-tenona. Ahitsio
Kinia: Kiniania a. sady p.t.: Fanaovan a zavatra an-tsitrapo, fanahy iniana mbahamazivaziana olona na noho ny hamaivan an-doha. - t.i.f.: Kinianiavina, tafakinkania 1 mikiniania, fikiniania, mpikiniania I ikinianiavana, fikinianiavana I mahakiniania. Ahitsio
Kinianiavina: (kinia) mt.ih. (kinianiavo): Atao an-tsitrapo mba hananihaniana: Tana tsapako fa nokinianiaviny mihitsy iny zavatra iny. 1 Ahitsio
Kinibo: (kibo) mt.ih. misy tsofoka in: Voakibokibo, voakitikitika: Nokinibony ny zazakely ka nitokelakelaka aoka izany. Ahitsio
Kiniho: (kiho) mt. ih, misy tsofoka in: Asiana don-kiho. Ahitsio
Kiniky: (kiky) mt. ih, misy tsofoka in: Voakiky, voakaoka, voahihy: Tsy nokiniky tsara ny mangahazo. 1 Voakepoka, lanina: Nokinikiny daholo ny lovany. Ahitsio
Kinila: (kila) mt ih. misy tsofoka in: Voakila. Ahitsio
Kininina: (fr. quinine) a.: Karazan-kazo lehibe anisan'ny mora maniry ary mahasoa tokoa fa azo ampiasaina hanaovan-javatra maro ny hazony: arina, kitay, ngorodona, hazon-trano... Karazana valopolo no nampidirina avy tany ivelany tao Analamazaotra tamin'ny taona 19141915 (Eucalyptus robusta smith). Ahitsio
Kininina: a.: Fanafody tazo fantatra amin'ny tsirony mangidy. Ahitsio
Kinisoka: (kisoka) mt ih. misy tsofoka in: Voakisoka, voatorotoro, voatoto: Paraky tsy nokinisoka tsara izy izany. Ahitsio
Kinitikitika: (kitikitika) mt. ih. misy tsofoka in: Kitikitihina, kibokiboina. Ahitsio
Kinivy: (kivy) mt. ih. misy tsofoka in: Kivina: Nokinivinjokiny izy dia tsy nianatra intsony. Ahitsio
Kinizaka: (kizaka) mt ih. misy tsofoka in: Voakizaka, voaharaby, tevatevaina. Ahitsio