Litera K

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Kitoto: a: Vidy, lanja, filaminana, antony: Tsy misy kitoton y. Ahitsio
Kitôto: (Tsm) a: Voronkely tsara feo mitovitovy amin'ny domohina saingy kelikely kokoa. Ahitsio
Kitotony: a: (Tsy fampiasa raha tsy miaraka amin'ny "tsy misy"). Tsy misy kitotony na tsisy kitotony: Tsy misy heviny, tsy misy antony, tsy misy izay maha-izy azy. • Tsy misy filaminany, tsisy firindrany. Ahitsio
Kitoza: a: Hena nodidiana lavalava ka alona sira mba ho azo tehirizina, ary ahantona eo ambony fatana. 1 f,i, f : Kitozaina, voakitoza / manakitoza, fanakitoza, mpanakitoza 1 anakitozana, fanakitozana 1 kitozatoza. - F,-p.: Kitozan-kabary, kitozan-teny: teny na kabary lava tsy mety tapaka. / Kitoz an 'ad y: ady mitohy tsy misy farany. / Kitozan'amalona: amalona atao kitoza. / Kitozan'ny mpifana: zavatra atolotra ho valin'ny rom-patsa nomena nv vehivavy vao tera-bao. Ahitsio
Kitozaina: (kitoza) mt. ih. (kitozao): Didiana atao lavalava. • Ahantona, atao mitarozaka: Nokitozain'ilay mpitsara ny adinay. Ahitsio
Kitra: a: Fanakorontanana na fanaovana izay hampifamalY sy hampiady. • Kilema, tsiny: Ixaho tsy hibaby kitra ny aminao. • h.o.: Trosa. • Angely ampiadina. - t.i.f.: Kitraina, akitra, voakitra 1 manaldtra, fanakitra, mpanakitra 1 anakitrana, fanakitrana 1 mikitra, fikitra, mpikitra 1 ikitrana, fikitrana 1 mahakitra 1 kitrakitra. Ahitsio
Kitra: a.: Lalao baolina dakantongotra fa tsy azo raisintanana, lalao baolina boribory. Ahitsio
Kitra: (t.tr.) p.t.: Botry ratsy. ? Karaodraoka, kitika. Ahitsio
Kitraina: (kitra) mt. ih. (kitrao): Kotabaina, kotranina: Kitrain'ny ahiahy ny saiko. • Ampanenoina: Nokitrainy ny vola tao am-paosiny ka gaga ny mpandalo. 1 Sokirina, kitihina, taomina, vokisana: Nokitrainy hanaraka azy ny zanako. Ahitsio
Kitrambero: a.: Kolokolom-bero mameno ny tany fambolena. Ahitsio
Kitrana: a.: Feo heno amin'ny fifandonan-javatra (toy ny sotro, vilia); fimenomenon' ny ankizy maro tafahaona, na ny zavatramaro miparitadritaka etsy sy eroa. - t.i.f.: Kitranina, akitrana, voakitrana, tafakitrana 1 manakitrana, fanakitrana, mpanakitrana 1 anakitranana, fanakitranana / mikitrana, trana, mpikitrana 1 ikitranana, fikitranana 1 mahakitrana 1 kitrankitrana. Ahitsio
Kitranina: (kitrana) mt ih. (kitrano): Ampanenoina amin' ny fampifandonana: Aza kitranin'Ialahy ny louia fa mahamenatra olona • Ahetsiketsika, akofokofoka, akorontana: Nokitranin' ny zanany tao ny bokiny. Ahitsio
Kitranotrano: a.: Tsilalao misy sarintsarin-trano toa hita vatana ataon'ny ankizy. Ahitsio
Kitratraina: p. t.: Marary tratra, tsy afa-kohaka. Ahitsio
Kitriotriotra: a.: Karazam-borona toy ny fandiafasika. Ahitsio
Kitrivo: a.: Zavamaneno avo feo. Ahitsio
Kitro: a.: Ny fipetraky ny vatom-panorona eo amin'ny tampona anankiroa tsy mifanitsy. i ti.f.: Kitroina, voakitro 1 mikitro, fikitro, mpikitro 1 ikitroana, fikitroana 1 mahakitro. Ahitsio
Kitro: a: Faritramafimafy mamarana ny tongotry ny biby, toy ny omby, soavaly... izay ahafahany mandeha amin' ny vato: Tsy mivaky toy ny an'ny omby ny kitron-tsoavaly. ? Zavatra toy ny holatra maniry eo amin'ny tanana miasa mafy noho ny fitanana angady, ohatra, na eo amin'ny tongotra noho ny tongotra mikiraro: Efa maniry kitro mihitsy ny tanako amin'ny asa tany nataoko omaly, • Loto efa mandry ka tonga mafy amin'ny vody nify. - t.i.f.: Kitroana, kotroana I kitroina. * F.-p,: Kitro ifaharana: enti-milaza ny olona natao hiankinana. Ahitsio
Kitroana: na Kotroana (kitro) p. t.: Enti-milaza ny vy dora-na atao mena mivaivay ka dilorina amin'ny tandroka. Ahitsio
Kitrofoka: Kitrofony a: Tsirin'ny ahitra avy nodorana. Ahitsio