Litera L

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Lanonana: a: Fifaliana misy dihy sy hira ary zavarnaneno ataom-bahoaka eny an-kalamanjana. * Ohab.: Ikala fohy mizaha lanonana; efa mody vao hi tan'ny olona (satria noho izy fohy dia very tany anatin'ny olona tany): enti-milaza zavatra na olona tsy tonga tamin'ny fotoana nilana azy. I Lanonam pahavaratra ka ny maraina ihany no izy (satria matetika mirotsaka ny orana ny hariva): rehefa manao zavatra tokony hifidy ny fotoana mahamety azy indrindra. Q M. h.: Zaika, anjaika, korana, fivoriana, firavoravoana, firiariavana, andro iray, andro iray toa zato, andro tsy maty. Ahitsio
Lanosina: (lano) mt, ih. (lanosy): Itana amin'ny lano, ilomanosana: Tsy azo lanosina io rano io fa be mamba. Ahitsio
Lanto: a: Rindra, filaminana; fanamboarana ny zavatra hilahatra; fandaharana tsy hiparitaka sy tsy hikorontana. i ti.f.: Lantoina, alanto, voalanto / mandanto, fandanto, mpandanto / andantoana, fandantoana / milanto, filanto / ilantoana, filantoana / mahalanto. Ahitsio
Lantoina: (lanto) mt. ih. (lantay): Alamina. Ahitsio
Lantonoara: (fr. l'entonnoir) a: Fitaovana fampidinana rano, izay kely ny vavany ambany fa lehibe kosa ny ambony. Ahitsio
Lantsika: p.t.: Miforitra mankany ivoho, hantsika. • Enti-milaza ny tanana mandihy ka mitsotra somary mandroso mihantsika ny felatanana. 1 ti.f: Alantsika, voalantsika, tafalantsika f milantsika, filantsika I ilantsihana, filantsihana / mahalantsika, lantsidantsika. Ahitsio
Lany: p.t.: Tapitra, tsy misy intsony: Lany ny vary ao antsompitra. ? Vary foana: Lany niandry anao teto ny androko, • Simba, levona, hanin-javatra: Lanin'ny fositra it? uoavahy • Ampiasaina: Ohatrinona ny vola laninao nanaovana it9 trano it?! • Tsy misy mijanona noho ny niasana taminy: Mahagaga raha lany sahady ilay pensilihazo novidiko ho anao. 1 Baboina: Lanin'ny fanjakana ny hareny. 1 Ekena, ankatoavina, azoazo, voafidy: Tsy lanin'ny be sy ny maro ny heuitrao. / Lany ho solombavambahoaka Ramasaka • Raisina: Lany ho miaramila ny rahalahiko. ? Ekena, raisina: Tsy lany intsony ny vo-la toy itony. • Atao mahita faisana, hanina: Raha misy tsy manaraka izany lalàna izany dia lanintsika. • Tapa-ka: Lanin'ny mpitsara fa hohelohina foin taona izy. 1 tif: Lanina / mandany, fandany, mpandany / andaniana, fandaniana / mahalany / ahalaniana / lanilany. - F.-p.: Lany andro: a) entimilaza ny zavatra efa tapitra ny fe-potoana nampahalaza azy, ka tokony hasiampanavaozana; b) mijanona maharitra amin'ny raharaha tsy misy antony firy, na variana amin'ny lalao sy korana / Lany haika: efa nanao izay azo natao rehetra. / Lany atrika: foana daholo ny toko anoloana amin'ny lalao katra, ilazana ny fahataperan'ny azo raisins eo anatrehana. / Lany ara: efanifanarahana sy nifanekena teo amin'ny dinidinika nifampiheverana. / Lany fatotra amampondrana: tapitra avokoa na dia izay nananana kely indrindra aza. / Lany karaoka: tena lany fananana tanteraka ary tsy manana afa-tsy ny e• ny an-koditra sisa. / Lany ron-doha: ilazana ireo nam piasa ny fahaizany sy ny herfn-tsaina nananany amin'izay nokarakarainy. / Lany henatra, lany hasina: nanimba ny voninahiny sy tsy nihevitra ny hajany tamin'ny fanaovan-dratsy. /Lany mondron-kery: lany harena sy fananana nanasoavana zanaka na zavatra hafa nilaina ho tsars. / Lany atody: ilazana ny akoho na vorona efa nanatody betsaka ka nitsahatra tsy nanana atody intsony (I-reo lany harena tsy mahazo vola intsony). / Tsy laniko oelively izany: tsy tiako, tsy ankasitrahako velively. / Tsy lany lanina: be dia be, azo anamparana amin'ny habetsahany. / Haren-danim-bazo: ilazana ireo harena na fananana nomena ny sakaiza ratsy ka verivery foana ary very tanteraka. / Lany uoamena zato: ilazana ny ray aman-dreny lany vola nitaizana sy namelomana ny zanany hatramin'ny fahakeliny. / Lany fanahy: very hevitra tsy mahita izay hatao intsony amin'ny fananarana na amin'ny fitadiavana zavatra tsy hita. / Lany zara: enti-milaza zavatra nozarazaraina ka tsy misy ambiny, na tovovavy nijanona tsy nahazo vady intsony. ¶ M.h.: Tapitra, ritra, majifa, mafafa, borona, levona, foana, goana, fongana, ringana, mangaka, jabolevona, makiky, ringitra, f oan-tanana, madiodio, mangadihady, tsy misy miangana, tsy misy horaotina. Lany be: Lany fatotra amam-pondrana, lany mondron-kery, manaraka mbamin'ny taninketsa, ny any an-tsalaka no miala, mitain-kidin-trano, lany karaoka, lany harena, ravaharena, botry, mitondra kitra, mikiky rindrim-baky, makiky. Ahitsio
Lany: a: Fofon'ny hazandrano: Maimbo lanin-trondro. • Ny kiran'ny hazandrano izay manarona ny tenany. *Bay zavatra maditidity amin'ny hoditry ny amalona. - t.i.f.: Malany. Ahitsio
Lany: a: Ny rirany amin'ny an-kilany sy ny an-daniny, ny lafiny: Maroni-dany roa io, lelan'antsy io. • Ny tendrony, ny tendrony farany: Mbola tsy miseho ihany ny lanin'ny tafika / Tsy hita lany ny ranomasina • Bans,: Ery an-dany andrefan'Ampamarinana no misy anay. i t. i f : Miandany, fiandany, mpiandany / iandaniana, flandaniana / an-daniny. Ahitsio
Lao: p.t.: Tsy mahatoetra, tsy mahapetraka, tsy tamana amin'ny toerana iray; leony. i Ilaozana 1 mandao, fandao, mpandao I andaozana, fandaozana / mifandao, mampifandao, mampandao / mahalao. - F.-p.: Lao monina: tofoka tamin'ny fipetrahana tamin' ny toerana iray ka any antoeran-kafa indray no mipetraka. I Maimbo lao: ilazana fofon'ny trano izay efa tsy nitoerana naharitra. * Ohab.: Ny vary tsy ilaozan'akatatra, tanàna tsy ilaozan'adala: tsy maintsy misy tsininy kely fa tsy tsara tanteraka akory. / Saonjo iray lohasaha tsy ilaozan'izay hamarara: mitovitovy amin'ilay eo ambony ihany, fa manamarika kokoa ny hevitrahoe amin'ny antokon'olona iray, na fikambanana na fianakaviana, tsy maintsy misy manivaka ihany; tsy ary ho tsara daholo. Ahitsio
Laodivy: (fr. l'eau-de-vie) a: Karazan-toaka mahery. Ahitsio
Laoka: a: Ilazana izay rehetra hanina miaraka amin'ny vary, na hena na anana na hazandrano: Be sira loatra ny laoka i ti.f.: Milaoka, filaoka, mpilaoka / ilaofana, filaofana 1 mahalaoka. - F.-p.: Laokan-drano: hazandrano. I Laoka ritra: hena na hazandrano ritina, izany hoe andrahoina tsy misy rano. * Ohab.: Raha mahazo patsa indray mahandro, aza manao tsy ho orin-daoka intsony: ny fiainana dia fiezahana isan'andro tsy tapaka, ka raha mahita ny hohanina anio, tsy tokony hianina amin'izay. / Tanora ratsy fihary ka antitra vao ratsy laoka: tokony hitsinjo ny ho avy; izay tsy mba mihevitra ny hanangona fony tanora, hahantra tsy mba hanana ny metimety rehefa antitra Ahitsio
Laolao: a: Jar. Lalao. Ahitsio
Laona: a: Hazo na vato noloahana — fa tsy tanteraka — ka atao fitotoam-bary: Laom-bato, laon-kazo. Ahitsio
Laoniny: (fr. l'aune) a: Halavan-drefy mitovy amin'ny mamakitratra (0,91 metatra eo ho eo). * F.-p.: Amin'ny laonfny: A-ra-dalàna, araka ny rariny. Ahitsio
Laoranjy: (fr. l'orange) a: Voasary mamy. Ahitsio
Lapa: a: Trano itoeran'ny Andriamanjaka. ~ h,o.: Tokantrano tsara tarehy aoka izany na anjakan'ny fiadanana: Lapan'ny fahasambarana ity irano ity. 1 Trano voafidy hanaovana famorana. - t.i.f.: Milapa, filapa / ilapana, filapana 1 mifandapa 1 fifandapa. * F.-p,: Farim-peo tsy milapa: malahelo ary manenina amin'ny soa tsy natao. I Lapa be: fiarahan'ny olona maromaro samihafa mandry ao amin'ny efitra iray. / Manao lapa marivo: enti-milaza izay tsy manaja ny andalan-tohatra fa avy hatrany, raha misy angatahina, mivantana any amin'ny manam-pahefana ambony indrindra / Mangaron-dapa: mangalatra any an-dopa. 1 Miati-dapa: tonga avy any amin'ny vohitra hafa mba hihfra amin'ny tanàna anaovana hasoavana. 1 Miditra an-dapa: miditra amin'ny trano hanaovana hasoavana. Ahitsio
Lapana: p.t: Sasatra, valaka, tsy manan-kery noho ny havizanana na hanoanana: La-pana ny vahoaka niandry ny filoha nandritra ny adiny efatra Ahitsio
Lapely: (fr. la pelle) a,: F'iasana misy lelany vy somary kaoka miditra amin'ny zarany hazo, ka ampiasaina amin' ny fisorohana tany kikisana na ahitra. Ahitsio
Lapoaly: (fr. la poêle) a: Karazam-bilany metaly talesaka, ary misy tahony lavalava, a-tao fanendasana hena, atody. Ahitsio