Litera L

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Lapomady: a: Menaka fanosorana (tsy fiteny intsony, fa pomady no fampiasa ankehitriny). Ahitsio
Laposety: (fr. l'absinthe) a.: Zava-pisotro mahery misy alkaola. Ahitsio
Laraka: (fr. arack) a: Zava-pisotro mahery atao avy amin' ny vary nalôna. Ahitsio
Laretirety: (fr. la retraite) a.: Fihatahana kely mba hanaova- Lar na fandinihana masina sy fivavahana, antsoina matetika koa hoe matsom-panahy. Ahitsio
Laro: a: Izay rehetra aharo amin'ny zavatra iray mba hampitombo ny heriny: A-taon'ny olona laron-toaka ny katrafay. 1 Lavenona namboarina ka afangaro amin'ny paraky na ampifangaroina a• min'ny menaka hanaovana savony: Toa paraky tsisy la-ro izy izany, ry Ikoto a! - t.i.f.: Laroana, alaro, voalaro 1 mandaro, fandaro, mpandaro 1 andaroana, fandaroana 1 milaro, filaro, mpilaro 1 ilaxoana, filaroana 1 mahalaro. Ahitsio
Laro: (Skl) a.: Anaran-kazo tsy misy raviny, mandronono raha tapahina ary fanamamoana hazandrano. Ahitsio
Laroana: (laro) mt. ih. (laroy): Asiana laro: Laroy it? paraky ity. Ahitsio
Lasa: na Lasana p.t.: Miainga, mandeha: Lasa anikeheo i Dada. / Manisa telo aho dia lasa 1 Milefa, mandositra, tsy tana: Tapaka ny fatorany ka Lasa ilay alika ~ Entina: Lasany ilay bokinao teto ambon y latabatra 1 Vidina: Aiza hovidiko iry satroka iry . —Efa lasan'olona io, tompoko. / Lasako dimampolo it9 amalona ity. ? Angalarina, faohina: Lasan'ny sasany halina ny kisoanay. 1 Tsy eo intsony: Zavatra efa lasana izany ka tsy tokony hofohazina intsony. ? Lany andro: Efa lasa izany iamody izany. 1 Maty: Lasa halina tamin'ny iray Rakoto. ~ h. i.: Man omboka milalao: La-sa aho. i ai. f.: Mahalasa 1 ahalasanana, fahalasanana. - F.-p,: Mahaleova mahalasana: teny entina mitso-drano ny ankizy na ny tanora ka irariana azy mba handresy ny sarotra, hahomby amin'izay rehetra hatao (ara-bakiteny: mba handresy ary hahalasa babo). / Lasam-borona, lasam-binany: llazana indrindra ireo zatovo verivery hevitra noho ny fitiavana, tratran'ny alahelo sy manjonitra tsy marary. / Lasa ambiroa: verivery hevitra sy verivery tadidy. f Lasan-ko razana: maty na nodfmandry. / Lasan-ko vavany toa harontabebaka: (jar. Harona). / Ririnin-dasa tsy tsaroana: mahatsiaro hatsiaka ny olona rehefa ririnina, ary izay tsaroana amin'ny fotoana iray no toa mamirifiry indrindra hatraznin'izay. f Akoho tsy naneno hatr'izay lasan'ny kary: tsy misy porofon'ny fahaverezana mihoatra noho ny tsy fahitana ilay zavatra na ny tsy fandrenesana ny feony. * Ohab.: Lasa tsy manao ue-Loma naman'ny tezitra (io ohabolana io dia matetika misy tapany manao hoe: tonga tsy mifampiarahaba naman' ny sosotra): araka ny lalàn' ny fihavanana malagasy, ny fiarahabana sy ny fanaovambeloma dia tsy maintsy atao raha mbola tsy tapaka akory ny fihavanana. ¶ M.h.: Niala, nisintona, nirintona, nihataka, nisintaka, nidify, "nadio ny rano nitana", "ny lalana mody no nasiany olona", nandao, nanifi-drano. — Lasa, niendaka, nisinda, nisava, dila. Ahitsio
Lasàka: (fr. le sac) a.: Kitapo be. Ahitsio
Lasana: a: Karazan-javamanfry mandady. Ahitsio
Lasantsy: (fr. essence) a: Karazan'ilo azo avy amin'ny fanasitiliana ny solitany na zavamaniry sasany; ny lasantsY dia manan-toetra mora mirehitra izaitsizy ary ampiasaina hampihetsika ny milina mampandeha ny fiarakodia, fiaramanidina. Ahitsio
Lasary: (fr. l'achard) a: Tongolo voatetika aharo voatabiha ary asiana sakay raha tiana. Ahitsio
Lasely: (fr. la selle) a.: Hoditra voavoatra hipetrahana eo ambony soavaly. Ahitsio
Laserake: (Ski) a.: Tady lava sady lehibe fitarrihana botry na lakana. Ahitsio
Lasibatra: (fr. la cible) a: Teboka eo afovoan'ny baoritra iray izay kendrena anaovana fanazaran-tena. amin'ny fitifirana. ~ ho.: Olonakendrena asiana foana: Ataon'ny olona lasibatra foana io Rangahy io. Ahitsio
Lasiray: a: (ilany sy iray) Ana ram-bola malagasy mitovy a• min'ny ilaa(voamena) (0,10) sy iray (voamena) (0,20) izany hoe 0,30 Fr na 30 santima amin'ny vola ankehitriny. Ahitsio
Lasiroa: a: (ilany sy roa) Anaram-bola malagasy mitovy amin'ny ila (voamena (0,10) sy roa (voamena) (0,40), izany hoe 0,50 Fr na 50 santima amin'ny vola ankehitriny. Ahitsio
Lasitelo: a: (ilany sy telo) Anaram-bola malagasy mitovy amin'ny fia (voamena) (0,10) sy telo (voarnena) (0,60) izany hoe 0,70 Fr na 70 santima amin'ny vola ankehitriny. Ahitsio
Lasitika: (fr. élastique) a.: Matezaroritina atao famehezanjavatra, fitanana akanjo na volo. Ahitsio
Lasitra: a: Zavatra misy sary lempona izay anidinana metaly voaempo, ka rehefa mangatsiaka ilay metaly dia manana endrika mitovy amin'ilay sary fa mivohitra kosa. 1 Marika atao modely amin'ny fanaovan- taozavatra, ohatra, ny mpanjaitra dia manana lasitra (sari-na vatan' olona amin'ny hazo) izay ametahany ny vatan'ilay akanjo rehefa didiany. Ahitsio