Litera L

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Lefitra: a: Enti-milaza izay mitana ny laharana faharoa manarakaraka ny voalohany eo amboniny: Rakoto no filoha lefitra amin'ny Fikambananay. Ahitsio
Lefo: na Lefolefo ft.: Filezolezo toy ny ho tapaka; tsy fahenjanana; fahalefadefabana. 6 t.if.: Alefolefo, lefolefoina j malefolefo / milefolefo, filefolefo, mpilefolefo / ilefolefoana, filefolefoana. Ahitsio
Lefoka: a: Jer. Voalefoka.Lefolefoina (lefo) mt. ih. (lefo- Leh lefoy): Lefahana. Ahitsio
Lefona: a: Fiadiana fanipY misy tahony lavalava, lelany maranitra ary lohany matsilotsilo. 1 Lefonina, alefona, voalefona I mandefona, fandefona, mpandefona 1 andefonana, fandefonana J milefona. - Lefom-pohy: lefona fohy ny zarany ary mora afenina any am-balahana. / Lefona ivoho: famelezana na fiampangana tsy eo anatrehana fa any ivoho (an-takona), teti-dratsy tsy mivantana fa an-kolaka. Ahitsio
Lefonina: (lefona) mt ih. (lefony): Tsatohana amin'ny lefona. Ahitsio
Lefy: p. t.: Lany hery: Lefy sahady ny hanitr'ilay ranomanitra novidina omaly. ? h.i.: Tsy maso mpanaraka intsony: Efa lefy ankehitriny io didin'akanjo io. 1 Adala. 1 Alefy I mandefy I mihalefy I mahalefy j fahalefy 1 fahalefena, halefana. Ahitsio
Leha: ft.: Findra, zotra. i t. i f• : Aleha 1 mandeha, fandeha, mpandeha J andehanana, fandehanana j mahaleha 1 andeha 1 mandehandeha. Ahitsio
Lehibe: p.t.: Enti-milaza olona na biby sady avo ranjanana no be vatana, na zavatra makadiry, ngeza: Trondro lehibe, trano lehibe. ? a: 1) Ny mpifehy, ny mpitondra: Ho tonga hamangy antsika rahampitso ny lehibe. 2) Ny tale, ny filoha: Ny lehiben' ny mpitsara, ny lehiben'ny sekoly. - t.i.f.: Halehibiazma / manalehibe / analehibiazana, f analehibiazana 1 mihalehibe I halehibe, fahalehibe, halehibiazana, fahalehibiazana. ¶ M. h.: Dabe, makadiry, vaventy, fonitra, debo, f one ta. na, donga, vokatra, ngeza, goay (goaibe), goavana, go-ma (gomabe), dobara (dobarabe), dofa, bontolo, mokany, bolangina, botrefona, beboko, vokavoka (vongavonga), bevava, tsy mifanerana, tsy anoharana, tsy ahombiazana, tsy omby fo. Mihalehibe: mitombo, mütatra, maka vahana, mihamafy, mihombo, manonitra, manararaotra. Ahitsio
Lehilahy: (lahy) a.: Teny ilazana ny lahy amin'ny karazan' olombelona, mifanohitra amin'ny vehivavy: Teo aloha nandoa karatra daholo ny lehilahy feno iraika amby roapolo taona. 1 Olona manankerimpo, mijoro amin'nyheviny, mahavita zavatra: Izany ka lehilahy! 1 (f t.m.): Sakaiza na vady lahy: Lasa niaraka amin'ny lehilahiny any izy. - t.i.f : Voalehilahy. - F.-p.: Tonon'andro tsy mahoiehilahy: ilazana fa misy ny herin'ny vintana, ka na e-fa mitandrina mafy aza, dia mandaitra amin'ny tsy nampoizina ny vintana. / Fanjakan-dehilahy: ny fampirafesana no antsoina amin'izany satria zavatra tsy tantin'ny vehivavy ny mirafy. * Ohab.: Halauoan-dehilahy: manongalika: tsy mbamitrosina ny lehilahy rehefa lava, fa mora miarina (fankaherezana tsy hivarilavo foana). / Alahelon-dehilahy tsy maharitra hateloana: manindrahindra ny herimpon-dehilahy izay tsy mba mitanondrika ela amin'ny fahoriana. Ahitsio
Lehiretsy: s.m.: Mitovy ary avy amin'ny ilay retsy. Ahitsio
Lehiroa: s.m.: Mitovy ary avy amin'ny ilay roa. Ahitsio
Lehitsy: s.m.: Mitovy ary avy amin'ny ilay itsy. Ahitsio
Lehotra: ft.: Fisalovanana amin' ny zavatra tsy mikasika ny tena, salehotra. Ahitsio
Lehy: Fiovan'ny Ilay, fametraka eo alohan'ny anaran'olona na biby. Ahitsio
Lejo: sy Lejolejo ((ejo) ft: La-va manify. - t.i.f: Milejolejo, filejolejo, mpilejolejo / ilejolejoana, filejolejoana I mahalejolejo. Ahitsio
Lejo: a.: Ny lafy fahatelo manatrika ny zoro mahitsy amin'ny telolafy mahitsizoro: Ny lejo atao toradroa dia mira amin'ny fitambaran'ny lafy roa hafa samy atao toradroa. Ahitsio
Lela: a.: Organa miendrika no-fo lavalava mena ao anaty va-va, izay mamadibadika ny sakaf o voatsakon'ny nify ary manampy amin'ny fanononana ny teny lazaina (rakotra marokoroko madinika ny vohon'ny lela, ka ireo no ahatsiarovana ny tsiron-tsakafo hanina). - t.i.f.: Lelana I lelalela 1 alelalela / milelalela, filelalela , mpilelalela f ilelalelana, filelalelana. a F.-p•: Lelan'angady na lei' angady: ilay vy misy rirany maranitra fihadiana ny tany amin'ny angady. / Lelan'antsy na lel'antsy: ilay vy manify maranitra amin'ny antsy: Mizara roa ny tenan'ny antsy, dia ny zaran'antsy sy ny lel'antsy. / Lela penina: ilay metaly misy vaky kely idiran'ny ranomafnty ka manoratra. / Lela varavarana: ilay hazo mikopaka amin' ny varavarana. / Lela vola (taloha): vola tsy vaky, ariary — (ankehitriny): enti-milaza tena vola fa tsy taratasim-bola na zavatra mitovy vidy amin'ny vola: Saiky haloany vary ny karamako, kanefa tsy nety aho fa nasaiko nataony lela volaihany./Matavy an-dela: manao azy ho mahay na manankarena, ne-fa tsy izany; fatra-mampanantena zavatra betsaka, ne-fa tsy manome inona akory. Ahitsio
Lelafina: (lelaka) mt. ih. (lelafo): Kasihina ary safosafoina amin'ny lela; tambatambazana aoka izany. * Ohab.: Ny latsaka am-po tsy hamelona, ka ny an-tendro-molotra indray no teelafina: raha misy zavatra efa nahavoa ny tena indray mandeha, tsy tokony hilalao amin' ny tahaka an'io fahitandrina fatratra. / Omby mahia tsy lelafin'ny namany: ny mahantra, ny madinika tsy mba mana-namana; ny lehibe, ny mpanankarena ihany no hodidinin-tsakaiza maro. Ahitsio
Lelaka: (lela) a.: Fanakisahana sy fanafosafoana amin'ny le-la. • Fandokadokafana tsy mendrika mba hahazoan-tsitraka. - t.i.f: Lelafina, alelaka, voalelaka / milelaka, filelaka, mpilelaka / ilelafana, filelafana / mahalelaka,leladelaka, - F-p.: Lela-molotra: filelafana ny molotra, mariky ny faniriana, ny filendalendana hihinan-javatra mahatsiriritra. / Lela-paladia: fitalahoana mafy, fiangaviana izaitsizy, fifonana ambany dia ambany. Ahitsio
Lelalela: a: Firehetan'afo midedadeda. 1 Antsoantso na kiakiaka an-kisesy. 1 Ravaka na lokon-javatra midorehitra 1 Fahamaimaizan'ny amba• vafo toa no ana. 1 ti.f: Lelalelaina / milela• leia, filelalela, mpilelalela / i• lelalelana, filelalelana / mampilelalela. Ahitsio