Litera L

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Lisansy: (fr. licence) a: Fanadinana mamarana ny fianarana ambaratonga ambony; diplaoma omena an'izay afaka amin'io fanadinana io. • Taratasy fahazoan-dalana hampiasa fiarakaretsaka. Ahitsio
Lise: (fr, lycée) a.: Kolejim-panjakana. Ahitsio
Lisy: (f- lis) na Lilia a.: Karazam-boninkazo fianakaviamben'ny "liliacées", mahatratra 1 metatra ny haavony, ny raviny boribory lavalava maitso mangirana ary ny voniny fotsy mangatsohatso sady mantra miendrika vazy lavalava eo an-tendron-tahony; ny lisy dia noheverina hatrizay ho sarin'ny hadiovam-pitondran-tena. Ahitsio
Lita: sy Litalita a: Fandehanana mikonesanesa, miretareta. i t. L f : Militalita, filitalita, mpilitakta / ilitalitana, filitalitana. Ahitsio
Litania: (fr. litanie) a: Fivavahana misy fitanisanisana anaran'olomasina mandeha irery na miaraka amin'ny toetra masina nananany, ka valiana hatrany hoe: "mivavaha ho anay". Ahitsio
Litatra: (fr. litre) a.: Venty fototra ampiasaina raha mamatra ranon-javatra, mitovy hatiana amin'ny iray desimetatra toratelo (1 dm3): Divay telo litatra. Ahitsio
Litera: (angl latter) a: Tarehintsoratra: Misy litera iraika amby roapolo amin'ny abidy malagasy. Ahitsio
Litika: p. t.: Lihitra ta hanao (zavatra). - t.i.f : Militika, filitika, mpilitika / ilitihana, filitfhana i litiditika. Ahitsio
Livatra: a.: Tsara, fatratra aoka izany, lavorary. Ahitsio
Livatra: (fr, livre) a.: Ny lanjan' ny 500 grama na antsasa-kilao. Ahitsio
Lo: p. t. sady a.: Simba sy milotaka: Voankazo lo. - t.i.f.: Lovina J mando, fan-do, mpando / andovana, f andovana / mahalo ) lolo / halovana, fahalovana. a F.-p.: Lon-damba: lamba efa tontan'ny nanaovana. ¶ M. h.: Drodroka, boboka. Ahitsio
Loa: a: Zavatra nohanina ka avoaka amin'ny vava indray: Ny alika no miverina amin' ny loany. • Famoahana vo-la, fanefana vola: Loa vola. 6 Li. f : Aloa, voaloa / mandoa, fandoa, mpandoa 1 andoavana, fandoavana / mahaloa f mampandoa 1 ampandoavhra 1 ampandoavana na fampandoavana. Ahitsio
Loahana: (loaka) mt.ih. (loahY): Asiana loaka; asiana hirika, lavaka: Noloahan'ny voalavo ny tsihy. Ahitsio
Loaka: a sady p. t.: Lavaka kely, hirika: Tsy fanao ny mijery amin'ny loaka amin'ny hidim-barauarana. - t.i.f : Loahana, aloaka, voaloaka / mandoaka, fandoaka, mpandoaka / andoahana, fandoahana / miloaka, filoaka, mpiloaka 1 iloahana, filoahana / mahaloaka 1 loadoaka. - F.-p,: Loa-body: loaka na gorobaka ny vodinY (harona na hevitra). J Mitahiry an-karon-doobody: tsy mba mitsitsy fa izay rehetra azo lanina avokoa. / Manao teny tsy loa-body: manao fitenenana tsy mazava loatra fa misy afinafenina, ¶ M.h.: Safe li-teny. / Loa-bolana: miteny tsy satry noho ny hagagana eo anatrehan-javatra tsy nampoizfna, na tsara na ratay. ¶ M.h.: Vaky vava. / Loa-jafy: nahazo ny zafy voalohany. j Loaka an-tsakany loaka an-davany: vita tomombana, tsy misy azo kianina fa vita tsara dia tsara amin'ny lafiny rehetra. J Loa-ka orona: enti-milaza lrony olona lanin'ny homamiadana irony, ny orony. ¶ M.h.: Gorobaka, boroaka, borobaka tanteraka, trobaka, voatrebika, voatrebona, voatrabaka, robaka, mangobaka, mangirana. Loaka, lavaka, hirika, haroka. Ahitsio
Loakandro: (andro) a: Entimilaza ny andro fahefatra manomboka amin'ny andro itenenana — na efa lasa izany na mbola ho avy — fa raha mbola ho avy, dia asiana hoe "raha"; ohatra: raha Alakamisy no itenenana, ny hoe "loakandro androany" dia ny Alatsinainy talohan'io, ary ny hoe "raha loakandro anio", dia ny Alahady mana-raira. Ahitsio
Loarana: (loatra) mt.ih. (loaro): Avoaka (avy ao anaty zavatra lalina aty): Loary ny vary. / Folo sobika ny tany noloarana tao anatin'io lava-ka io. ~ ho.: Noloarany ny hatezerana tao am-pony. Ahitsio
Loatra: a.: Famoahana na fanalana ny ao anatin'ny zavatra lalina aty: Ataouy tsara zara ny loa-bary. - t.i.f : Loarana, aloatra, voaloatra, tafaloatra 1 mandoatra, fandoatra, mpandoatra / andoarana, fandoarana / miloatra, filoatra / iloarana, filoarana / mahaloatra / loadoatra. - F,-p,: Loa-bary an-dasy: fanadihadiana zavatra na hevitra samy eo imaso, ifanatrehana. J Loa-bary mitahy uady: fizaPan-javatra misy fiangarana, ka ny anjaran'ny olon-tiana atao betsaka, fa ny an'ny hafa atao kely. Ahitsio
Loatra: p.mt: Mihoatra noho ny tokony ho izy: Miasa loatra izy. / Kely loatra harona Ahitsio
Loba: sy Lobaloba p.t.: Entimilaza ny akanjo na satroka malalaka loatra. - t.i.f.: Alobaloba 1 milobaloba. Ahitsio
Lobà: (Ski) a: Hazo fisakamitsvalana eo amin'ny vavan' ny botry na sambo itsatohan'ny andriny. Ahitsio