Litera L

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Lahinainginy: a: Hoditramafy sy matevina ataon'ny mpanao kiraro amin'ny faritra aoriana amin'ny kiraro mba hanamafisana azy. Ahitsio
Lahindefona: a.: Lehilahy nianatra ny ady an-defona ka tonga nahay fatratra amin' ny tora-defona, tombo-defona, fiarovan-tena amin'ny ampinga. Ahitsio
Lahintangerina: a.: Vy lavalava mitsofoka amin'ny kodiarana amin'ny tendrony roa ary mitondra ny fiaramanontolo. Ahitsio
Lahiroa: a.: Karazan-kazo madinidinika. • Fambolena tahon-ketsa tsiroaroa amin'ny lavaka iray. Ahitsio
Lahirodona: a.: Fanetsana ketsa maro fototra indray mandeha. Ahitsio
Laho: ft.: - t.i.f : Halaho / malaholaho. Ahitsio
Laho: na Laholaho ft: - t.i.f : Lahoina 1 laholaho 1 malaholaho. Ahitsio
Lahoina: Madiva ho faty, mby efa ho faty, ambavahoana. • hi.: Vizana aoka izany, trotraka izaitsizy: Aoka izany ny fifanosehana ao anaty fiarambahoaka: lahoina ianao van tafauoaka rehefa hidina. Ahitsio
Laholaho: (t.tr.) p.t.: Moramora, tsy rotoina. Ahitsio
Lahy: a sy p.t: Teny entina milaza olona na biby mifanohitra amin'ny vavy. Raha itenenana olona ny hoe lahy dia fampiasa: 1) Hilazana zanaka lahy: Dimy mianodahy ny zanako; tala vavy, roa lahy. 2) Miaraka amin'ny teny milaza isa: Dia niainga izy roa lahy. 3) Ilazana ny vady lahy: Rasoa no ao fa ny lahy uao lasa nivoaka. ? p.t.: Manana ny fomba na toetran-dehilahy: Hanao tantsambo hono ny zanany lahy. - t.i.f: Lahilahina I mandahilahy, fandahilahy, mpandahilahy / miandahy / mahalahy / lahilahY 1 ny lahiny 1 filahiana 1 andahiny. - F.-p.: Lahin'akoho, lahintsoavaly: akoholahy na soavalilahy atao fakana taranaka. / Lahi-mizàna: vy kely mijoro eo afovoan'ny mizàna mitsara ny fahamarinan' ny fandanjana. / Lahilahy toetra: vehivavy maherihery setra toy ny lehilahy, na amin'ny fihetsika na amin'ny fisaina. / Fito lahy fito vavy: teny entin'ny olona mitsodrano ny mpanambady mba ho maro anaka, maro dimby. / Lahim-bela: ny vola izay tsara petraka amin'ny lalao fanorona, ka mety handany ny vaton'ny andaniny. / Tokantranon-dahy: ilazana ny tokantrano tsy misy vehivavy, na tsy ao ny vehivavy, ka tsy mimpirina araka ny tokony ho izy. Ahitsio
Lahy: t-p.: Tenim-piontanana enti-mil aza:l) Alahelo, tsy fanampoizan-javatra: Lasa tokoa lahy izy! 2) Fiangaviana na fangatahana somary miambezo: Mba omeo aho lahy! 3) Fisalasalana, tsy fahalalana: Asa lahy! fa tezitra foana teo izyl 4) Faniriana: Raha nanam-bola aho lahy nouidiko ity saha Ahitsio
Laika: a.: Fomba fandeha na fanindra matotra, mendrika; famindra miadana, tsy rototra sy toa kamokano nefa miaingitraingitra. - t.i.f.: Laikana, alaika, taf alaika / milaika, filaika, mpilaika 1 ilaikana, filaikana 1 mahalaika / laikalafka. Ahitsio
Laikaina: (laika) mt. ih. (laikao): Enti-milaza famindra na dia atao matotra tsara, asononoka: Laikao ny famindra fa aza rotorotoina. Ahitsio
Laiko: na Laïkolaiko a: Famindra somary miandranandrana nefs miadana, ary tsy maka sarotra loatra. - t.i.f.: Laikoina 1 milaiko, filaiko, mpilaiko / ilaikolaikoana, filaikolaikoana( mihalaikolaiko / mitsilaikolaiko na mitsilaiko. Ahitsio
Laikoina: (laiko) mt. ih. (laikoy): Atao milamina tsara misy aingitraingitra. Ahitsio
Lailay: a.: Hidihidy vokatry ny lay. - t.i.f.: Malailay. Ahitsio
Laimanjava: (Br) a.: Fivoriana iantsoana ny fanahin'ny maty na amohazana ny angatra. Ahitsio
Laina: a.: Tsy fahazotoan-komana. • Tsy faharisihana hanao zavatra, hakamoana, fidonanaham-poana: Ny zoto ahandroana, ny laina itonoana. i t if.: Malaina, malaindaina / mahalaina 1 ahalainana, fahalainana 1 kalaina. - F.-p.: Manaran-daina: manaram-po amin'ny fahalainana. * Ohab.: Ny mandeha tsy zoto, ny mijanona tsy laina: adidy no aleha ary andraikitra no ijanonana, ka izay mahatsara zavatra no atao, fa tsy hoe akory izay mande-ha dia olo-mazoto ay izay mijanona dia olo-malaina. / Ny zoto ahandroana, ny lai-na itonoana: ny malaina hahandro homana ny tsizarizary fa ny mazoto kosa mihinana ny masaka: izay malainkisahirana tsy mba manana ny tsaa. Ahitsio
Lainga: a.: Filazana mifanohitra amin'ny marina: Vaky ny laingan'Isambilo; hay falzafolo izy fa tsy voalohany. • Filazana ho marina ny zavatra fantatra fa tsy marina hamitahana olona: Mivelona amin'ny lainga io olona io. ¶ M. h.: Fitaka. i t.if•: Laingaina, voalainga / mandainga, fandainga, mpandainga / andaingana, fandaingana / mahalainga 1 laingalainga, tsilaingalainga, kilaingalainga. Ahitsio
Laingaina: (lainga) mt. ih. (laingao): Ilazana lainga: Nolaingainy ianao fa tsy mahalala akory. Ahitsio