Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mahalala: a.: Anaxana ilazana vody mangahazo tanora, izay mangidy ary mankaleo. Ahitsio
Mahalala: (lala) mt.p. (mahalalà): (zavatra) Mahay:Tsy mahalala ny fombanareo aty a-ho. 1 (olona) Manana fahafantarana momba ny olona iray, mahafantatra: Tsy mahalala an'io lehilahy io velively aho. a F.-p. sy Fiten.: Mahalala an'Andriamanitra: mahafantatra an 'Andriamanitra ka mangoraka ary manao ny marina. / Mahalala ny rariny sy ny hitsiny: mitana ny fahamarinana mandrakariva a ry mampihatra izany amin' ny tsy fanambakana ny sasany. / Mahalala folo ho an'ny tena fa tsy mahalala iray ho an'ny hafa: ilazana fitiavantena maharikoriko tsy mihevitra afa-tsy ny tombon-tsoa ho an'ny tenany fa tsy mijery ny an'ny hala. / Tsy mahalala kely: ilazana ny zokinjaza manampatrany fitiavantena amin'ny zandriny izay tsy matanjaka noho izy na badobado. / Tsy mahalala lahy: enti-milaza ny zazavavy mbola tsy mahafantatra ny filan'ny nofo teo amin'ny firaisana. / Tsy mahalala onony: manao tafahoatra ny mety eo amin'ny sotroina, hanina, fanaranam-batana. / Tsy mahalala sorona: tsy mba mahay misafarifary fa rehefa asaina manao dia manao tokoa. / Tsy mahalala tsy misy: ny zaza mbola tsy vory saina dia tsy mahafantatra ny hoe tsy misy, ka mikaikaika izy rehefa nana, na dia tsy manan-katokona aza ny rainy sy ny reniny. / Tsy mahalala vizana: ilazana ny olona feno herim-po amin' izay ataony. * Ohab,: Izaho tsy mahalala akoho bevohoka, fa rehefa mikakaka izy saronako: ilazana ny zava-miseho ety ivelany, toy ny feo, izay mazana entina mitsara ny tena toe-javatra. Ahitsio
Mahalana: (halana) p.t.: Beela nelany, tsy mifanakaiky: Nataonao mahalana loatra ny hazo nambolena ka betsaka ny ambiny tsy lany. ¶ M.h.: Makaka, bakaka, bakatraka, manify, manify fafy, malais ka be elanelana, mielanelana, tsy matetika, tsy mifanety. • Tsy mpiseho matetika, indraindray foana: Mahalana vao mitsidika anay aty ny lehibem-paritany. ¶ M.h.: Tsy fahita matetika, tsy fahita firy, mitsitapitapy, indraindray tadiavina, tsy fahita firy ohatra ny gisamainty. Ahitsio
Mahalasa: (Lasa) mt. p.: (Milaza ny "lasa mandrakariva": nahalasa) Nividy, tonga tompony: Ranaivo no nahalasa ny tranonay tao Ankazotokana. ~ Mety tonga: Mahalasa lavitra ny antsamotady. Ahitsio
Mahalena: (Ski) a.: Orana. Ahitsio
Mahaleo: (lao) mt p. (mahaleova): Manan-kery hahatohitra, afaka handresy: Tsy mahaleo azy aho ka hany heriko mangina. ~ Mahavita, afaka hisahana, hikarakara: Mahaleo tsara ny fitondrana ny ankizy ilay mpampianatra vaovao. 1 Mahatanty, mahazaka: Olona tsy mba mahaleo ny esoeso sy ny fanarabiana izy. - F.-p.: Mahaleo tena, fahaleovan-tena: afaka mizaka tena tsy miankina amin'ny hafa intsony. / Mahaleova mahalasàna: teny firariana atao olona mba hahavitany tsara izay hataony, handreseny ny sarotra, hahombiazany. Ahitsio
Mahaliana: (liana)p. t.: Mahatonga ho liana, tsara ka tiana ho hita, ho heno, hohanina...: Mahaliana izany tantara izany. Ahitsio
Mahalonaka: (lonaka) mt.p.: Mahatonga ho lonaka: Ny zezika ihany no mahalonaka ny tany. Ahitsio
Mahalonify: a: Karazan-kazo madinidinika. Ahitsio
Mahamamo: (mamo) mt. p. na p.t.: Enti-milaza ny fisotro mahatonga ho mamo: Ny divay no nahamamo azy. / Fadio ny fisotro mahamamo. Ahitsio
Mahamaody: (maody) p.t.: Mahatonga ho maody. Ahitsio
Mahamay: (may) a: Ny masoandro: Tsy mbola nisy zavatra toy izany tety ambonin' ny tany, ambanin'ir? mahamay Ahitsio
Mahamay: (may) p. t.: Mafaha dia maf ana ka mandoro. (Teny iray tarika, jar. Mafana). * Ohab.: Ny ao am-pon'ny siny mangatsiaka, ny ao ampon'ny vilany mahamay: enti-milaza ny fahasamihafan' ny zavatra na dia mitovitovy ety ivelany aza, arakaraka ny toetra nikendrena azy na ny asa iandraiketany avy. Ahitsio
Mahandrandra: (andrandra) mt. s.: Afaka mampitraka ela ny loha. Ahitsio
Mahandro: (handro) mt.p. (mahandroa na mandrahoa):Manamasaka zavatra miaraka a min'ny rano amin'ny afo: Mahand ro mangahazo. - F.-p.:Nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka: enti-milaza ny olona nahavita sy nahatanteraka zavatra iray antsakany sy an-davany. / Toko telo mahamasa-nahandro: enti-milaza fit am baran' olona miara-miasa antoky ny fahavitan'ny asa na zavatra iray. * Ohab.: Ilay nahandro takatra, ka izay no takatra: tsila laon-teny manambara fa izay no vita tamin'ny sakafo, ka aoka tsy hahazo tsiny avy a min'izay nasaina. / Ilay na- handro vato: raha ny rony dia masaka: enti-milaza zava- tra efa notenehina ela na raharaha nokarakaraina maharitra, nefa tsy mbola vita ihany na tsy mety masaka. Ahitsio
Mahantra: (ancra) p.t: Enti-milaza ny olona tsy manana ny ilaina amin'ny fiainana: Tonga nahantra Rabe taorian'ny nahamay ny fananany. ¶ M. h.: Malahelo, fadiranovana, faraidiny, miporipory, mikaforoforo, mikokokoko. Ahitsio
Mahapahina: (pahina) mt.p.: Mahatonga ho pahina. Ahitsio
Mahapainga: (painga) mt. P.: Mahatonga ho kinga, mafia-ka. Ahitsio
Maharafona: (rafona) Mampievina. Ahitsio
Maharary: (rary) mt.s. sy p.t: Mahatonga fan aintain ana: Maharary izany totohondrindRangahy iny izany. 1 h.o.: Maharary ny teninao. 1 Tsa ro ana manaintaina: Maharary ahy ny tongotro ka tsy afaka ho any aho. Ahitsio