Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Maika: (aika) p.t.: Misy zavatra tsy maintsy halehahaingana: Maika aho. • Maimay hanao zavatra, dodona: Maika hiteny er? izy. / Maika hamonjy masinina aho. 1 Enti-milaza zavatra tsy azo ampiandrasina ela, tsy maintsy hatao haingana: Raharaha maika t.i.f : Mehina I manamaika, fanamaika, mpanamaika 1 anamehana, fanamehana l mahamaika / mafmaika / fahamaikana, hamaikana, hamehana. * Ohab.: Maika tsy faingana toa dian'ondry: dodona nefa tsy lasa lavitra akory. ¶ M.h.: Dodona, kododona, dodoka, dodotra, rototra, rodoka, somadodoka, somarodoka, somarototra, maimay, mitaitay, mirotoroto, mi7rorobobo, miheninkenina, mikoropaka, sevotsevoka, milomay, maintavo, forehitra, mivoa-jamala, misehotra, misalehotra, mikododoka, minitinitika, Atao maika, vita maika, kongomaika, kongorevo, ankamehana, sondrodrahona, aniritra, tandrevaka, tandrametaka, peta-toko. Ahitsio
Mailahina: (mailaka) mt. ih. (mailaho): Atao tongamailaka, kinga. Ahitsio
Mailaka: p.t.: Kinga, haingana, mavitribitrika raha mandeha: Mailaka er? izy raha mande-ha. • Havanambanana, mahay no sady haingana: Mpiasa mailaka Rakoto. - t.i.f.: Amailaka, mailahina, voamailaka I manamailaka, fanamailaka,mpanamailaka 1 anamailahana, fanamailahana / mahamailaka I mailamai• laka I hamailahana. Ahitsio
Mailo: p.t: Malina sady kinga maso, feno fitandremana: A-oka ho mailo tsara ianareo fa ny ratsy tsy kely lalana Ahitsio
Mailoka: p. t.: Meloka, tsy mahitsy. Ahitsio
Maily: (angl. mile) a,: Ny refin'ny 1.609 metatra (refy fampiasa taloha). Ahitsio
Maimaizina: (maimay) mt.ih. (maimaizo): Asaina manao na mandeha haingana; dodo-nana, mehina. Ahitsio
Maimay: (hay) p.t.: Dodona, maika: Maimay er? izy handeha omaly; izao anefa, tsy rototra indray. Ahitsio
Maimbo: (imbo) p.t.: Ratsy fofona, mamoaka fofona mankandoa: Maimbo ity atody i-t? izany. • ho.: Afa-baraka: Maimbo amin'ny tany amamonina izy. ¶ M.h.: Afa-boninahitra, afa-pofona, maimbo tsikahonkahona. i t.tf.: Maimboina, amaimbo, voamaimbo / manamaimbo, fanamaimbo, mpanamaimbo 1 anamafmboana, fanamaimboana / mahamaimbo / mafmbomaimbo I hamaimbo, fahamaimbo / haimbo, hamaimboana, fahamaimboana. - F.-p. :Maimbo afo na maimbo setroka: mamofona afo na setroka, / Maimbo andro: mamofona azon'ny hainandro. /Maimbo bona: enti-milaza ny volom-behivavy azon' ny menaka tavonany azy. / Maimbo erona: misy fofonjavatra may. / Maimbo fana: enti-milaza ny fofona re amin'ny vehivavy vao terabao, na fofon'ny vary na hena nialina andro ka nohafanaina ny ampitso maraina. / Maimbo amp?: mamofona fivalanan-drano izay mihandrona maharitra amin'ny tavy na mipetraka amin'ny fitafiana kotsany matetika fa indrindra manetons avy amin'ny toerana anariana rano maloto isan'andro. /Maimbo ladina: enti-milazafofona mahafenofeno re amin'ny ahitra na anana mbola tanora / Maimbo lazo: ilazana ny a• hitra na anana manjary misy fofona fa voadaniky ny hainandro, enti-milaza koa ny fofon'ny mangahazo izay tsy maina tsara eo am-pihahazany. / Maimbo manitra: entimilaza fofona tsy hita hatao tsara na ratsy. / Maimbo ra: tezitra na vinitra mafy hamaly faty (nalaina tamin'ny omby vonoina izay tezitra misafoaka noho ny fandrenesany ny fofon'ny rany efa manorika), / Maimbo raikona: enti-milaza ny fofon' ny taolana na tandroka voadotra; • h.o,: Afa-baraka. 1 Ahitsio
Maimbo: reny: ilazana ny ro- Mai nono na ny tantely manomboka ho simba, mavao. / Maimbo tain'akoho: akohokely izay mbola tsy famono, izay aharenesana fofona masiso rehefa masaka na re hefa hafanaina. / Maimbo ta-vo: maimbo menaka, ilazana ny hena aharenesana ny fofomenaka nony masaka./Maimbo tsikahonkahona: voalevilevy izaitsizy, afa-baraka. / Maimbo vava: enti-milaza olona misy fofon'aina maimbo noho ny aretina na ny tsy fahavarana manadio ny aty vava — ny olona mpiteny maloto dia lazaina fa maimbo vava koa. I Maimbo veto-na: maimbo noho ny aretina na noho ny halotoana sy havoretrana. / Maimbo von y: enti-milaza ny vonin-javamaniry izay tsY manitra. ¶ M.h.: Mamofona, mafaraka, mavao, mavingo, malany, many, masiao, mavoroka, mantsina, mangidy, mangeroka, mahavaky trano. Ahitsio
Maimbobe: a.: Karazan' ahitra Ahitsio
Maimboina: (imbo) mt.ih. (maim boy): Atao tonga maimbo. Ahitsio
Maimbokely: (t. tr.) a.: Tongologasy. Ahitsio
Maina: p.t.: Tsy lena, tsy man-do: Efa maina ny lamba ka ampidiro. • Tsy avy orana: Maina ny andro ka nanahy vary izahay. ? Ritra ny rano tao aminy, tankina: Maina ilay dobon-trondro atsy auaratra • h.o.: Diso fanantenana, gaina fa voan'ny tsy nainpoizina: Maina ohatra ny kitay izy nandre izany vaovao iz an y. i ti.f:Maininal manamaina, fanam aina, mp anamahra / anamamana, fanamainana/ mahamaine / maimaina. - F. -p.: Azo main: azo tsy nanahirana, tsy novidim-bola / Lany maina: lany foana tsy misy antony, amin'ny tsinontsinona. ¶ M.h.: Vanja may tsy harena, goavin'flaihavana, / Maty maina: niasa tsy nahazo karama, vizana sy sahirana nefs tsy nahazo na inona na inona. / Misara-maina: misaraka tsy nisy zavatra raikitxa na nifanarahana. /Miala maina: tsy nahomby tamin'izay natao. / Mody mai-na: miverina tsy mitondra na inona na inona, mitondra tanam-polo mody, foan-tanana. / Tsy maim-bolomaso: mitomany foana. /Maimaimpoana: tsy misy takalony na vidiny fa atao fotsiny amin'izao. / Mai-molotra kivy fa diso fanantenana na lampan' ny hanoanana. /Main-dambana: ilazana ny katsaka efa antitra eo am-paniriana, — ny olona main-dambana kosa dia mahantrahantra sy tsy mitafy tsara /Main-tany: ilazana ny fizaran-taona tsy misy orana, ny ririnina. I Maintavo: dodon-dava symaimay. / Mandrora tay maina: ilazana aretina mahavoa ny aty tenda ka raha mitelin-drora dia misy maharary. ¶ M. h.: Makiana, haraka, karakaina, mangetana, valoir hentana, tankina, ritra, mai-na tahaka ny kitay. Ahitsio
Maingoka: a.: Bibikely misy tanabeny roa mangeja eo anoloana, ary ny kibony miafara amin'ny rambo mifaingoka izay manindrona misy poizina. Ahitsio
Mainina: (maina) mt.ih. (mai-no): Atao tonga maina: Mai-no ny soratra alohan'ny hamadihanao ny takelaka. Ahitsio
Mainka: pmt,: Tenyenti-milaza ny hevitra hoe: "hanao ahoana re raha toa ka..., ho bebe kokoa indray raha toa ka...": Antoandro ara mangatsiaka, ha mainka fa alina. * Ohateny: Mainka izany raha parasily, ravin-katsaka aza mikasoka Mainka izany raha ranomasina, ranom-potaka aza manonja: enti-milaza ny olona matin-kambo be loatra; zavatra kely iny dia mampibontsina azy izaitsizy, hanao ahoana izany raha zavatra. lehibebe kokoa no sendra azy? Ahitsio
Maintinty: (t. tr.) (mainty) p.t.: Mainty matsora. Ahitsio
Maintisina: (mainty) ?nt-(main tiso) : Atao tonga mainty, lokoana mainty: Maintisiny amin'ny fanafody ny voiony. Ahitsio
Maintsy: p.mt.: Angamba, tokony ho: Maintsy vitany izany ilay raharaha nampanaoviko azy; fa ny mazàna ampiasana ny "maintsy" dia ialohan'ny "tsy" ka teny entina manery, mandidy izy amin'izay: Tsy maintsy mianatra ianao fa ela loatra izay nipetrapetrahanao izay. (Marihina fa aorian'ny tsy maintsy, dia samy azo ampiasaina na ny milaza ny ankehitriny na ny milaza ny ho avy arakaraka ny hevitryny fehezanteny fa tsy tahaka ny azo na ny tokony: Tsy maintsy mandeha aho izao. /Tsy maintsy handeha aho rahampitso. Ahitsio