Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Malabary: a: Akanjo fotsy na zandiana toy ny lobaka saingy lava manasa-drani o. Ahitsio
Malady: (lady) p.t.: Mandeha haingana: Malady ianao izany, tsy vao tamin'ny fito ianao no niala teto? ? Mora mandre, mandre na dia izay feo malefaka indrindra aza: Mbola malady io antidahy valopolo taona io fa reny thany na bitsibitsika aza no atao aminy. • Mora mahafana rano, mahamasaka nahandro (vilany): Aza ela ianao fa efa ho masaka ny sakafo, malady manko ny vilaninay. ? F-p.: Malady ofana: mora angolena, maimay tsy m ahan-dry fotoana: Malady ofana toa amalon-kely. / Malady saina: haingan-tsaina, mahazo haingana. / Malady sofina: mora mandre. / Malady tongotra: enti-milaza zaza mbola kely dia efa mandeha. l Malady vava: haingam-pamaly, malaky mamaly; entimilaza koa ny zaza mbola kely dia miteny sahady (mif anohitra:Votsa vava). Ahitsio
Malagasy: a: Ny firenena tompon-tanin'i Madagasikara: 0-lona tia zanaka sy mandala fihavanana ny Malagas y. • p, t.: Momba an'i Madagasikara, an'i Madagasikara na avy any Madagasikara: 'Zany takariva kosa mody omby tera-bao!... / 'Ndreny lasa ny tsiriry nde-hody hifindra lasy; / Efa dify ny masoandro ne fa toa malain-kandao... / 'Zay nahita tsy hanadino ny hariva malagasy! (R. R-R). Ahitsio
Malahelo: (alahelo) p. t.: Mani-na, manembona: Malahelo foana an-janany lasa any la-vitra Rasoa. • Ory noho ny: Malahelo ny ombiny very izy. 1 Manenina: Malahelo aho fa niteny azy mafy loatra - F.-p.: Ny malahelo: ireo mahantra fadiranovana./Malahelo hava-manana: malahelo mahita ny havana misondrotra, mialona. / Malahelo vady voky: malahelo amin' ny soa azon'ny sasany. * Ohab.: Malahelo monina amoron-tsena: be sitra-po fa tsy ampy fanaovana: (Mazava ho azy). Ahitsio
Malaho: na Malaholaho (laho) p.t.: Manan-tsiro masiatsiaka: Tsy tiako ity divay ity fa malaholaho izany! Ahitsio
Malaholaho: (laholaho) p. t: Reraka dia reraka efa ambavahoana. Ahitsio
Malaholaho: (laholaho) p.t.: Enti-milaza olona madinika mason-koditra, malefaka toy ny volon'akondro. Ahitsio
Malailay: (lailay) p.t.: Masaosao na masaisay rehefa mikasika ny tena: Malailay ny jiafotsy. 1 Mahatonga hidihidy: Malailay it? akanjoko it? izany. • Mangidihidy: Malailay aho izany; asa raha nandadian'ny fanday. * Ohab.: Malailay fonosina toa fary: enti-milaza ny olona sarotra arovana na vonjena: ny tena mamonjy na miaro azy indray no asiany. Ahitsio
Malaina: (laina) p.t.: Tsy mazoto homana: Malaina aho izany fa rehefa kelikely aho mihinana ? Tsy ta hanao na inona na inona fa satry ihany hipetrapetraka amin'izao: A-1eo maty olo-malaina toy izay vaky viiany mianefitra (ohab.). - F.-p.: Malai-mody: nanondroan'ny ntaolo ny olona tsy marisika hody (fa misy mahafinaritra azy any ivelany, na anti-bady izy araka ilay ohabolana hoe "anti-bady angaha no malai-mody"?) / Malain-komana: tsy mazoto homana, /Matai-mihetsika: kamokamo, tsy mazoto hanao zavatra, tsy rototra. / Kibo malain-kanan-dratsy: entimilazany ray aman-dreny niteraka tsy te hanana ny maditra ka miteny na mikapoka. Ahitsio
Malako: Malakolako (lako) p. mt.: Miadana, tsy manano sarotra, milanto, milamina, malefadefaka: Ihome hezako malakolako! Ahitsio
Malakofa: a: Akanjo be ambainy sy midoroboka. Ahitsio
Malaky: (laky) p.t. na p. mt. (malakia): Haingana: Malaky mamaly izy. / Nalaky nandeha it? zaza it? noho ny zokiny. • Mandehahaingana, tonga haingana: Nalaky ianao androany. Ahitsio
Malala: (lala) p.t.: Tiana amin' ny fo tokoa: Manina ny olomalala Ahitsio
Malalaka: (lalaka) p.t: Lehibe ny sakany sy ny lavany: Malaldka ny lakozianareo izany. • Enti-milaza ny akanjo lehibe loatra ho an'ny tena ka toa difotra ao anatiny ny te-na: Malalaka loatra iny kapaotinao iny izany. ¶ M.h.: Lobaloba, milobaloba. • Be sakana, na be velarana, migodana: Malalaka ny arabe eto Antananarivo. • Misy elanelany makadiry: Malalaka loatra ny andalan-tsoratrao. • Manam-potoana tsara, tsy misy mahamaimaika: Malalaka aho izao handray azy fa osai vo miditra izy. ? Lava, betsaka: MalaIaka ny fotoana hamitako it? sary it?. 1 Tsy teritery; ananana fahaf ahana tsy voageja: Olona malaia-tsaina Rabe, / Malalaka ny fifidianana ka fidio izay tianao na ny eny na ny tsia. Ahitsio
Malama: (lama) p.t.: Malambolambo mampibolisatra: Tandremo sao potraka fa malama ny fotaka. • Midifidify tsy mety mandoa trosa: Olona malama iny Rangahy iny fa aza mba mampisambo-bola an' iny. - F.-p.: Malamakely: entimilaza karazana vola farantsa fahizay, dia ilay nisy ny sarin'i Napoléon I. / Malama kely: zazalahy tsy misy volombava, tsy mbola vaky somotra. / Malama maina: (miaraka mandrakariva amin'ny teny hoe tany): enti-milaza ny fiainana izay sarotra itondran-tena fa jerena toa mora andehanana ne fa raha tsy mitandrina mety hamotraka: Tandremo fa malama maina ny tany ka tsy azo anaovana tongo-dovia. / Malama vava: loza raha hiteny fa misosa mandeha dia mandeha ery ny teny aloakan'ny vavany. Ahitsio
Malamalama: (lama) p.t.: Tsy misy marokoroko na maraorao; malambolambo: Malamalama ny lohan'ity zaza i-t?. Ahitsio
Malambo: Malambolambo (lambo) p.t.: Malama mililotra tsara, kely mason-koditra. Ahitsio
Malana: na Malamalana (mata-na) p.t.: Enti-milaza zavatra lena ka efa manomboka ho maimaina: Enta miditra ny lamba na dia mbolo malamalana aza • h.o.: Reradreraka. - t.i.f.: Hamalana, hamalamalana. Ahitsio
Malandilandy: (landy) p.t.: Malambolambo tsara ohatra ny landy, Ahitsio
Malandy: (fit-p.) p. t.: Fotsy. Ahitsio