Maloto | : | (loto) p.t.: Misy pend-na, misy loto mifotetaka, tsy voadio: Maloto izany trano izany. / Misolitika, misotisoty, tsy mahadio tena: Zaza maloto i Lita kely ka ihatahan'ny namany. 1 Mahafabaraka: Raharaha maloto io ka hihatahako madiodio. 1 Vetaveta: Tokony hofadina ny teny maloto. ¶ M.h.: Tsy madio, tsy madio tena, solotika, solotidotika, vorery, misoritika, tsilotidotika, somitika, misotisoty, mitavontavona, somerongerona, misav ore taira, vazina, misotitika, mikesonkesona, mifotafota. Maloto, mahamenatra, vetaveta, mahavoafady, mahafaty vorona, tsy fampiseho masoandro, mamoafady.
Ahitsio |
Malovilovy | : | (louilovy) p.t: Marisarisa, tsy tsaratsara, tsy metimety: Nahoana tsy tonga ny anadahinao?—Ao ihany izy fa manao malovilovy kely.
Ahitsio |
Mam | : | Tovona fanaovana matoantenin'ny mpanao, izay tsy inona fa ny "man-" ihany raha mikambana amin'ny fototeny sasantsasany; toy izao ny fitsipika amin'izany: 1) Rahamikambana amin'ny fototeny manomboka amin' ny f na p ny man, dia miova ho mam ary latsaka ireo ranisoratra ireo: man-fikitra = mamikitra; man-potraka = mamotraka; 2) raha mikambana amin'ny ft manomboka amin'ny b na u ny man, dia miova ho mam, ka ny b mijanona ho b ihany (manbeda = mambeda) na indraindray latsaka (man-babo = mamabo) ary ny v kosa lasa b (man-voly = mamboly) na latsaka (man-velona = mamelona).
Ahitsio |
Mama | : | a: Teny enti-milaza ny reny; i Neny.
Ahitsio |
Mamabo | : | (baba) mt.p. (marna-boa): Maka ho babo: Tsy nitsahotra namabo ilay mpanjaka nandresy tamin'ny tanàna rehetra nolalovany. / Mandroba, mangalatra: Jiolahy no traira namabo tao Antsaha 1 Maka ho onitsa, manosy:Ny fanjakana no namabo ny fananan'ireo tratra nikomy.
Ahitsio |
Mamadiditra | : | (fadiditra) mt.p. (mamadira): Mangorona manodidina: Iza no namadiditra ity tady ity tamin'ny tongodavarangana? 1 Mandadina amy, mifadiditra amy...: Mamadiditra amin'ny hazo ny vahy.
Ahitsio |
Mamadika | : | (Btl) p.t.: Enti-milaza tandrok'omby toy ny tandrok'omby kirongo saingy boribory antonony ny fiolany.
Ahitsio |
Mamadika | : | (vadika) mt.p. (mamadiha): Manao zavatra miamboho:Mamadika fitaratra ? Mampiseho ny ila na lafiny iray tsy mbola niseho: Marnadika tsihy. 1 Miova ho mpamely nefa nitokisana:Namadika ny firenena izy. / Mamindra faty ho ao amin'ny fasan-drazan a na mamono lambamena: Lasa namadika any arnbanivohitra izy.
Ahitsio |
Mamady | : | (vady) mt.p. (marna-dia): Manome ho namana, ho fameno.
Ahitsio |
Mamafa | : | ~(fafa) mt.p. (marnafà): Manala ny loto, manaisotra ny potipoti-javatra amin'ny kifafa: Iza no namafa ny tohatra? 1 Mamaoka: Mamafa vilia
Ahitsio |
Mamafana | : | (fafana) nit s. (mamafana) : Mandrara-pofona mantra: Endre ! izany tsiotsiodriuotra namaf ana teo amin'ny ilay saham-boninkazo.
Ahitsio |
Mamafy | : | (fafy) mt.p. (marnafaza): Manapariaka voa mba hilevina ao anaty tany ka hitsimohany: Izay namafy uoa tsara dia hioty uoa tsara 1 Manely hatraiza hatraiza: Randria no mamafy izany heui-diso izany. ¶ .h.: Manely, mampiely, manapariaka, manaparitaka, manahaka, mampihahaka. 1 Mandanilany foana, mandany an-tetiny: Mamafy vola amin'ny zavatra tsinontsinona io lehilahy io.
Ahitsio |
Mamaha | : | (vaha) mt.p. (mamahà): Manaboraka: Mamaha vona 1 Manala fatorana: Mamaha alika 1 Manatsoaka: Mamaha zaigrafY• 1 Manapaka (fanekena): Iza tamintsika àry no namaha ny fanekena voalohany?
Ahitsio |
Mamahana | : | (fahana) mt.p. (mamahana): Mifikitra, mamikitra, misaringotra amin'ny zavatra iray mba tsy hianjera: Saiky nianjera tany an-tevana aho raha tsy namahana tamin'ny uody hazo iray. ¶ M. h.: Mamahatra. / Manao ditra tsy handeha, mitokona: Namahana teo am-baravarana izy ka tsy nandeha raha tsy norahonana ¶ Mh.: Mitokona, mihenahena, mitokozihitra.
Ahitsio |
Mamahana | : | (fahana) mt.p. (mamahàna) : Manome hanina, mampihinana: Mbola marnahana ny soavaliny i dada./Mamahana ny zanany ny vorona. 1 Manisy fahana: Marnaham-basy. 1 Manodina ny vimiainan'ny famantaranandro mba hahafahany mandeha maharitra:Mamahana famantaranandro. 1 Mampiditra ny kofehy mitsivalana amin'ny lamba tenomina: Efa namahana ny tenona ve izao i Nenibe? - F.-p.: Mamahan-dalitra: mamitaka. / Mamahan-tsofin-jaza: mampanantena zavatra ankizy, mampangina azy amin'ny fampanantenan-javatra azy.
Ahitsio |
Mamahatra | : | (fahatra) mt.p. mamahara): Mamikitra, mitazona mafy amin'nytongotra:Namahatra tamin'ny vato ny tongony, nefa nalama ilay vato ka tsy ampy toy inona nikorisa izy dia nianjera tany an-kady. / Mitokona tsy mety mandroso: Notaritina ilay zaza, nefa namahatra ka hany hery nobataina tao.
Ahitsio |
Mamahatra | : | (vahatra) mt s. (mamahara): Mandatsa-paka, mamaka: Ho tahaka ny hazo maniry eny amoron-drano izy: mamahatra any anaty rano.
Ahitsio |
Mamahirano | : | (fahirano) mt.p.: Tsy manome rano, manao fahirano.
Ahitsio |
Mamaho | : | (faho) mt.p. (mamahoa): Mampifangaro, mangaro: Mamaho rano ny divay.
Ahitsio |
Mamahoaka | : | (vahoaka) mt.p.: Mamory olona vitsivitsy mba hiasa ary mamahana azy avy eo. 1 Mametraka ho takatry ny vahoaka, mamplély amin' ny vahoaka: Anisan'ny fototry ny fandrosoana ny mamahoaka ny fampianarana.
Ahitsio |