Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mamatra: (fatra) mt. p. (mamàra): Mamantatra ny habenjavatra (rano na voa) amin' ny famarana: Mamatra ny tsaramaso hovidiny ao an'efitra ao Rabe. ? Mandoa: Mbola mamatra n? volako izy. ? Mandray: Efa namatra ny volanao ve ianao? Ahitsio
Mamatratra: (fatratra) mt.p. (mamatràra): Manesika, manisika, mampiditra moly mba hifatratra tsara; mandetra, mampifanizina: Mamatratra mangahazo ao anaty gony. Ahitsio
Mamatravatra: Mivatravatra (vatravatra) p.t: Avy mahery: Fa misy inona no mivatravatra toy izao ianao? ? (orana) Latsaka vaventy sady mahery: Nivatravatra be ery ny orana ka natahotra i Dada kely. Ahitsio
Mamatsavatsa: (uatsauatsa) mt p. (mamatsavàtsà): Mikamenona , mikamentsona (olona). Ahitsio
Mamatsy: (vatsy) mt P. (mamatsia): Manome vatsy. ? Manome sakafo ilaina. Ahitsio
Mamava: (vava) mt.p• : Mandoaka, mambanga. Ahitsio
Mamavatra: (vavatra) mt.p. (mamavàra): Manataka kely. * Mamaha, mamelatra ? Mamosaka, mampiseho, manambara Ahitsio
Mamavy: (vavy) mt.p.: Manisy vavin-drafitra: Mamavy hazo. Ahitsio
Mamay: (fay) mt. p. (marnaiza): Manao izay hahafay, hahatonga olona tsy hamerina ny ratsy nataony intsony, manasazY, ¶ M.h,: Mankafay,manasazy, manazy. Ahitsio
Mamazana: (vazana) ma p. (mamazàna): Manaikitramafy. ? Manery mba hanoka-bava sy nify: Izaho no aoka hamazana an'io zaza io raha tsy mety hisotro fanafody. Ahitsio
Mamazivazy: (vazivazy) mt.p. (mamazivazia): Manamavomavo, manao teny tsy manome voninahitra: Touolahy kely io ianao no hamazivazy lehilahy lehibe ohatra an-d rainao? Ahitsio
Mamba: a.: Biby mandady lehibe misy tongony efatra fohy, mivelona any anaty ranomamy ary atahorana izaitsizy noho ny tanjany sy ny hasiahany. ? h.o.: Olona goavambe. ? Olona be tenda, be kibo. - F.-p.: An-tana-mamba: enti-milaza zavatra sendra olona masiaka tsy m am ela hikofoka. / Mamba miandry: ilazana ny loza efa manao an-dry maso, — ilazana koa ny mpiandry ny hafa amin'ny antsojay. / Mamba noana: tsy mifidy hasiana sy hohanina. / Mivoho-mamba: tsy manaiky tsy mandà, na mihenahena amin'ny fanoavana ny didy aman-dalàna. JVato ateli-mamba: enti-milaza zavatra afoy, tsy misy hevitra ny hahazoana azy intsony. * Ohab.: Mamba noana tsy mahamasim-panidy: enti-milaza ny olon-doza tsy azo ivalozana ary tsy azo idiffana. / Raha lasa ny voay, misosoka ny mambo: ilazana olona na zavatra roa mifandimby, izay samy babany avokoa. Ahitsio
Mambabo: (babo) mt, p. (mambaboa): (mitovy amin'ny hoe Mamabo, fa fanampiny kosa, azo ampiasaina amin' ny hevitra an' ohatra izy ) Mahatarika izaitsizy, maharenoka, mahasarika mafy: Nambabo ny fony ny teny sy ny tenan'ilay nikabary. Ahitsio
Mambambohitra: a: Anaran-kafa ilazana ny maingoka. Ahitsio
Mambango: Manabango (ban-go) mt.p. (mambangoa) :Mamboatra ny volo hilamina amin'ny fihogo na fandraotra, ary dia mandrandrana azy. Ahitsio
Mambata: (bata) mt.p. (mambatà): Mitondra: Olona telo lahy no nambata ilay gony nisy fonjam-by. Ahitsio
Mambeda: Manabeda, Mibeda (beda) mt.p. (mambedà, manabedà, mibedà): Misambotraka mamihina amin'ny sandry mba tsy ho afa-mikofoka Ahitsio
Mambeta: (beta) mt p. (mambetà): Manainga zavamavesatra amin'ny tanana roa Ahitsio
Mambilabila: (bilabila) mt.p. (mambilabilà): Manao izay hahabilabila, izany hoe miolana na mivilana na somary mivadika. Ahitsio
Mambitsika: (bitsika) mt.p. (mambitsiha): Milazazavatra malemy dia malemy ao ampoto-tsofin'ny olona iray (mambitsika olona): Nambitsika azy izy, dia lasa izy roa lahy. Ahitsio