Mamelona | : | (velona) mt.p. (mamelàma): Mahatongaho velona; manome ainsi: Ny fanahy no mamelon ny uatana ~ Miahy, mikarakara: Io Rangahy io no namelona anao fon y kely. ~ Mamp aneno, mively: Iza no namelona ny lakolosy tao? ~ Mahatonga hirehitra, mampirehitra, mahatonga ho voasoritra tsara: Mamelon-jiro antoandro ry zareo ao avaratra / Izaho no uao namelona io soratra io fa efa saiky tsy hay nouakina izy io tao. - F.-p.: Mamelo-maso: mandimby ny nataon'ireo ray aman-dreny kamahatonga azy ireo ho feno haja. l Mamelona afo: mampirehitra afo amin'ny kitay ao am-patana. / M amelon-jan a- baratra: mitaiza zaza tsy mahay mankasitraka ny soa natao azy. / Ma-me Ion- tsoratra: enti-milaza biby miova soratra tampoka noho izy tezitra.
Ahitsio |
Mamelovelo | : | (velovelo) mt. s.: Miseho na hitamanjavozavo, manelohelo: Misy sary mamelovelo ao an-tsaina raha mamaky io tononkalo io. ? Mahatsiaro mangotsoka any amin'ny aty fanahy any!: Tsy nahateny izy, fa ny any am-pony no tsaroany namelovelo.
Ahitsio |
Mamely | : | (vely) mt.p. (mameléza): Mikapoka: Namely ny zanako tamin'ny tehina ianao. ? Manisy: Mamely totohondry ahy izy. ~ Mahavoa, mampitondra faisana na fahavoazana: Namely ny tranon-dakolosy ny varatra omajy hariva / Namely mafy tokoa ny fofoka tamin'ity taona Mahavoa, mahatratra: Mamely ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy ny fahafatesana ? Misovoka, mananika: Mamely tampoka ny fahavalo ka aoka ho malina mandrakariva. ~ Manindrona, mandevilevy: Namely ahy mafy iny teniny iny, ? Manaratsy: Namely ahy tao amin'ny gazetinao ianao. 1 Manohitra: Mamely ny fluavahana io gazety io. ¶ M.h.: Mamely tampoka: Mamely tsy ampoizina, mamely am-pitaka.
Ahitsio |
Mamely | : | Nandavaka ahy mafy ny anao nony vao noteneniko.
Ahitsio |
Mamely | : | mihinana ny ilany: Nanija ny mofo ny voalauo, / Manila jzany orana izany, 1 Mitoetra, mijoro eo akaiky, mandalo eo akaiky: Manila ny azy ny tanimbarinay ka izany no mahatonga anay hiady rano. / Soa ihany fa nanila ny tanimbolintsika ny hauandra.
Ahitsio |
Mamempina | : | (fempina) mt.p.: Manampina, manentsina.
Ahitsio |
Mamenavena | : | (venavena) mt.p.: Manokatra, mampitanatàna.
Ahitsio |
Mamendrampendrana | : | (pendra-na) mt.s.: Jemby. • Mande-fa hazavana mahajemby, ma-mono maso; mampanjambena.
Ahitsio |
Mamendrana | : | (vendrana) mt.p. (mamendràna): Manokatra, mamadika ny hodi-maso. ? Marne raka ro a.
Ahitsio |
Mamendrivendry | : | (vendrivendry) mt. p. (mamendriuendre): Mampitotototo tsy misy antony; mamitaka
Ahitsio |
Mamendrofendro | : | (fendrofendro) mt.p. (mamendrofend roa): Manao izay hampitombo alahelo, hampitomany, hahatonga hifararemotra: Tsy tonga hamendrofendro anareo izahay, tompoko, fa hampiseho ny fiarahanay miory aminareo mianakavy.
Ahitsio |
Mamenja | : | (fenja) mt.p. (mamenjà) : Mangeja, mamia, mitazona tsy hikofoka, mangia.
Ahitsio |
Mameno | : | (feno) mt.p. (mamenoa): Manenika, mahahenika: Mameno ny trano ny fofon' izany fanafody izany. ? Manototra: Mameno hafaliana anay ny fahitana anao. / Hameno ny banga aminay ny fahatongauanareo roa lahy. ~ Manatanteraka, mahatontosa: Nameno ny faniriako ny fahombiazan'ny zanako ta-min 'ny fanadinana.
Ahitsio |
Mamentimpentina | : | (pentina) mt.p. (maman timpentena): Mandoto, manasolitika, ma• nasotitika, mamandambandana.
Ahitsio |
Mameofeo | : | (feofeo) mt. s.: Entimilaza fofona mahery na setroka mamely ka mamp angagaka ny tendit; maka tenda.
Ahitsio |
Mamepetra | : | (fepetra) mt.p. (mamepera): Manafatrafatra. ? Mandidy.
Ahitsio |
Mameraka | : | (veraka) mt.p. (mameràha): Mamaky roa, manokatra. ~ Mandoatra ny tsinain'ny biby vonoina, mitory. 1 Marnelatra. 1 Mamboraka.
Ahitsio |
Mameravera | : | (veravera) mt.p. (mamerauara) : Manatsikera, mamohavoha, manasaratsaraka.
Ahitsio |
Mamerina | : | (verina) mt.p. (mamerena): Milaza indray: Ma-marina ny teny lazaina ny ako. ~ Manao fanindroany: Tsy afaka tamin'ny fanadinana aho taona iny ka dia voatery namerina indray tao-na nanaraka 1 Manatitra: Tsy namerina ny elo nindraminy izy. ~ Manonitra: Moa efa namerina ny vola nangalariny ve Rakoto?
Ahitsio |
Mamerovero | : | (vero) p.t: Mandrara-pofona manitra: Voninkazo mamerovero. ? Malaza. * Ohab.: Teo tsy manitra ka lasa vao mamerovero: entimilaza olona na zavatra tsy niraikana akory fony mbola teo anatrehana, fa nony lasa vao alahelovana sy dokadokafana.
Ahitsio |