Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mamimaso: (pimaso) mt.p.: Manao famantarana amin'ny maso, manao pimaso: Namimaso ahy Rabe uao tsaroako fa hay moa tsy azo lazaina an'i Neny ilay zavatra Ahitsio
Maminany: (vinany) mt.p. (maminania): Milaza mialoha no-ho ny tsindrixnandry: I Jeremia no anisan'ny naminany ny faharavàn'i Jerosalema • Manao vinany arakeviny fotsiny: Moa ve tsy efa naminany izao toe-javatra ankehitriny izao aho? Ahitsio
Maminavina: (vinavina) mt. p. (maminauind): Manombana: Ohatrinona ny volanao very raha naminavina ny fatiantokao ianao? Ahitsio
Mamindra: (findra) mt p. (mamindrà): Manova toerana: I-za no namindra ny satroko teto? • Mitondra amin'ny toerana hala: Lasa namindra ny zanany amin'ny Sekoly any Antananarivo izy. • Mamboly zavamaniry efana niry tamin'ny toeran-kafa: Mamindra zana-kazo. • Manendry hiasa amin'ny toeran-kafa: Ny lehiben'ny Faritany no namindra azy ho eto. • Manome, manolotra: Namindra ny fahefany tamin'ny apostoly i Jesoa • Mampita: Tsy tsara ny mamindra hafatra • Mandeha: Mbola vao herintaona latsaka dia mamindra tsara sahady t lay zozo. • Miara-mandeha, mitanjozotra, mirindra tsara: Namindra tsara ny foloalindahy tamin'ny matso tamin' ny 26 Jlona (mt. s.). * F.-p.: Mamindra fo: mangora-po, mamelaheloka (Mamindra fo ny voaheloka na mamindra fo amin'ny voaheloka). / Mamindra hahy: misambo-bola amin'olona mba hanefana trosan'olon-kafa. Ahitsio
Mamindro: (mindro) mt. s. (mamindroa): Mipetraka eo anoloan'ny afo mba hahazo hafanana; manafana tena eo akaikin'ny afo. * F.-p.: Manao kely tsy mba mamindro: manositosika ny madinika. * Ohab.: Afo tavitra tsy azo amindroana: tsy azo ianteherana hamonjy, raha misy loza, ny havana mipetraka any lavitra. / Raha mamatra mihoatra ny feno, raraka; raha mihinana mihoatra ny voky manevika; raha mamindro mihoatra ny toko, may; raha mandry mihoatra ny farafara, mianjera: tokony hahalala onony amin'izay rehetra atao, fa raha tsy izany, fahavoazana no mety ho hita. Ahitsio
Mamingafinga: (fingafinga) mt s. (m am ing af ingà) : Manery hamindra matetitetika. Ahitsio
Mamingana: (fingana) mt.p. (mamingàna) : Mandavo amin' ny tongotra.: Iza no namingana an-dRabe ianareo? • Manao ankasomparana: Ny sakaizany ihany no namingana azy. Ahitsio
Mamingavinga: (vingavinga) mt. p. (m am ing av in gà ) : Manao tsinontsin ona, manivaiva, ma nambany, tsy manaja: Aza mamingavinga ray aman-dreny toy izao lahy ianoo! Ahitsio
Mamingitra: (vingitra) mt.p. (mamingita) : Mitondra zavatra amin'ny loha fanondro sy ny ankibe ka sisiny kely foana no itondràna azy. ¶ M. h : Mamivitra. Ahitsio
Mamingivingy: (vingy sy vingtvingy) mt.p. (mamingivingia): Mitondra amin'ny tendron-tanana. • Maniratsira. Ahitsio
Mamingotra: (fingotra) mt.p. (mamingora) : Manao ampa rapaingo, mandray arnin'ny vozon-tongotra, mamingana. Ahitsio
Maminjifinjy: (finjifinjy) mt.p.: Ahitsio
Mamintana: (fintana) mt.P. (mamintàna): Maka, manjono amin'ny fintana: Mamintana trondro. - F.-p.: Mamintana andro: tsy tonga amin'ny fotoana nifanaovana: Mahafinaritra fa tsy namintana andro ianao. Ahitsio
Mamintina: (fintina) mt.p. (mamintina): Manery, manakely: Mamintina ny tena ny akanjo ba. • Manafohy: Mahay mamintina ny resaka izy.Mamioka (fioka) mt.p. (mamioha): Mikapokamirivorivo. Ahitsio
Mamira: (fira) mt.p. (mamirà): Mikapa, mijinja. • Mamingana, mamely amin'ny fingony. Ahitsio
Mamiratra: (firatra) mt.p. naP-t, (mamirata): Mazava manjopiaka: Fahazaana mamirapiratra • Mangirangirana, man,ielanjelatra: Mahita zavatra mamirapiratra ao anaty vovoka aho. Ahitsio
Mamiravira: (viravira) mt.p. (mamirauira) : Mikitakita, mikitakitaka, manao ratsy fi-tondra: Tsy tokony hamiravira ny kamboty mihitsy ianao. • Mandrairay befahatany, mamozafoza: Tsy manandraharaha afa-tsy ny mamiravira taratasy fotsiny izy. • Mandrirodrirotra, misaritsarika: Nahatsiravina ny nahita ireo andian'alika namiravira ilay sakanay. Ahitsio
Mamirifiry: (firifiry) p. t: Mangatsiaka izaitsizy (fiteny a-min' ny andro ihany ). Ahitsio
Mamisaka: (fisaka) mt.p. (mamisàha): Manao izay hahafisaka. Ahitsio
Mamisavisa: (visavisa) mt.p. (mamisavisà): Mitanisanisa, milaza tsirairay: Namisavisa ny fahoriany teo izy ka nalahelo azy er? aho. • Milazalaza hatramin'izay antsipiria ny madinika: Mamisavisa ny toetran'ny voninkazo. • Mamohafoha (ny lasa) sady mitalaholaho: Namisaoisa ny la-sa teo am-pijerena ny masoandro milentika izy. Ahitsio