Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mivahovaho: (uahouaho) mt. s.: Mihararetra: Mivahovaho mafy ity mahantra ity ka a-sa na reraka na mangatsiaka. • Miambakambaka, miakanakana, mivakavaka, miambatrambatra: Nivahovaho aoka izany er? izy raha nandahateny tamin'ny uahoaka. Ahitsio
Mivaika: (vaika) mt. s.: Teny fampiasa taloha amin'ny basy raha ilay miatrana iny ny fem-basy mba hirehetan'ny vanja; miatrana. Ahitsio
Mivaikavaika: (uaikavaika) mt. s.: Mivozavoza, midrahodraho, mitaraiky: Mbà mailaka fa aza dia mivaikauaika toy izao re ianao e! Ahitsio
Mivaingana: (vaingana) p. t.: Mivongana ho bontolo makadiry be. • h.o.: Misongadina: Hita mivaingana izao ny hadisoany. Ahitsio
Mivaingavainga: (vainga) p.t.: Voadidy vaingany vaventy. Ahitsio
Mivaitra: (vaitra) p.t.: Be haitraitra, be di-doha. Ahitsio
Mivaivay: (vaivay) p. t.: Mena midorehitra; menan'ny hatezerana. Ahitsio
Mivakana: (vakana) mt. s.: Miravaka vakana. Ahitsio
Mivakavaka: (vaka) mt, s.: Miakanakana, miambakambaka, miambatrambatra. Ahitsio
Mivala: (vàla) mt. s.: Misy fefy manodidina: Efa mivala ve ny ombinareo? Ahitsio
Mivalahetraka: Mivalaketraka (ualaketraka) mt. s.: Mipetraka tsy misy ahiahy. • Mivarahontsana, tsy mahahetsika. Ahitsio
Mivalampatra: (valampatra) mt. s. (mivalampàra): Mandry mitsilany ka mitsotra tanteraka ny tongotra. • Manao izay tiana hatao, manarampo: Fohy ny fotoana, hoy iiay mpitarika ny valandresaka, ka tsy afaka hivalampatra isika. Ahitsio
Mivalana: (vàlana) mt. s. (mivalàna): Midina manaraka ny iva; mandeha midina: Mivalana mianatsimo ny renirano rehefa tonga eto. 4 Mangery, miavela: Lasa nivalana izy. 4 Marary kibo ka mangery matetika: Mararin'ny inona ity zanakao ity, Ramatoa? — Mivalana izy io, Do-k o te ra. - F.-p.: Miandry an-dRazaka tsy hivalana: miandry olona tsy ho tonga na tsy hanao zavatra nandrasana taminy. Ahitsio
Mivalandotra: (valandbtra) mt. s. (mivalandora): Mandry mitsilany ka mivalampatra ny tongotra sy ny tanana, mitsotra, miampatra: Mivalandotra eo ambony ahitra ilay mpagataka fa noana angamba! Ahitsio
Mivalangidina: (valangidina) mt. s.: Mianjera, mikodia amin' ny tany. • Rava harena ka mikodingy. Ahitsio
Mivalavala: (valavala) mt. s.: Manao vosobosotra mampihomehy. Ahitsio
Mivalo: (valo) mt. s. (mivalbza): Mifona, mibaboka amin'ny fahadisoana ary milaza fa tsy hanao intsony; mibebaka: Namindrany fo ilay jiolahy nivalo. Ahitsio
Mivalo: (valo) mt. s.: Mizara valo: Tokony hivalo ilay tanimbary sala be. Ahitsio
Mivalombalona: (vàlona) mt. s.: Mihetsika toy ny rano tsofin'ny rivotra ka misy mivohitra ary misy lempona: Lamba mivalombalona. Ahitsio
Mivalona: (vàlona) mt. s.: Miforitra milamina tsara: E-fa mivalona izao ny lambako ka aza kasihina intsony. • Tehirizina na atokana ho an'ny andro iray: Tsy foiko hampindramina io fa lamba mivalona. Ahitsio