Mamokora | : | na Mamokorabiby: Jer. Akorabiby.
Ahitsio |
Mamoky | : | (voky) mt.p. (mamokisa): Manome sakafo betsaka: Mamoky ny uahiny rehefa tonga mitsidika azy Rabe. • Mamporisika, mitarika, mitaona olona hanao zavatra tsy dia mampaharisika azy loatra, amin'ny f andokafana azy na amin'ny fampanantenàna soa be ho azy: Mamoky ny vahoaka hikomy ny mpanoha riana
Ahitsio |
Mamolaka | : | (folaka) mt.p. (mamolaha): Manapaka fa tsy tangarana. • Manazatra ny biby ho mora entina: Mamobaka omby. rt Mamoritra, mampilefitra: Mamola-damba - F.-p.: Mamola-body : manao fitondram-bady henjana mba hahatonga azy ho fatrapanoa /Mpamola-damba: mamontra ny lamba eo amin' ny soroka toy ny fanaon'ny mpikabary na ny mpilalao rehefa hiteny. / Mamola-tokokebiny: manala ny toko ao amin'ny trano izay kendrena hatao lapa amin'ny famorana / Mamola-tany: miasa ny tany, manamboatra azy tanteraka mba hahazoana vokatra tsara betsaka.
Ahitsio |
Mamolavola | : | (uolauola) mt p. (mamolavolà): Manao ho boribory ohatra ny volavola:Namolauola vary masaka i Lita mba ho haniny rehefa ouy nianatra izy. • Mikarakara, manolokolo: Izy ihany no namoiavola anay tamin'ny fahatanoranay.
Ahitsio |
Mamolimbolina | : | (volimbolina) mt.p. sady mt.s, (mamolimbolena): Manao ho volimbolina.
Ahitsio |
Mamolivoly | : | (voly) p.t: Misy manaingotsaingoka izaitratra eran'ny rantsam-batana; voly.
Ahitsio |
Mamolo | : | (vola) mt. p. , (mamolàsa): Manongotra ny volo amin'ny tenan'ny vorona vonoina: Tsy mahay mamolo ganagana akory i Bozy.
Ahitsio |
Mamololona | : | (uololona) mt s.: Maniry vololona.
Ahitsio |
Mamolona | : | (folona) mt p. (mamobona): Mambory.
Ahitsio |
Mamoly | : | (foly) mt.p. (mamolesa): Manao ho kofehy: Efa ela no nahay namoly landy sy landihazo ny Malagasy. ¶ M. h.: Manasina, manady, manira.
Ahitsio |
Mamompotra | : | mt. p.: Mitovy amin'ny Manafompotra.
Ahitsio |
Mamona | : | (vona) Manisy vona
Ahitsio |
Mamonaponaka | : | (fonaka) mt p. (mamonaponaha): Manatrotraka, mamizana, mampalemilemy.
Ahitsio |
Mamondipondy | : | (pondipondy) mt.p.: Mamoriporitra amin' ny tanana.
Ahitsio |
Mamondraka | : | (uondroka) mt p. (mamondràha): Manatavy, mamahy.
Ahitsio |
Mamondrana | : | (fondrana) m t p. (mamondràha): Mandoko.
Ahitsio |
Mamongady | : | (vongady) mt.p. (mamongadia): Mividy mitambatra. • Manavosa, manao antontany. IU
Ahitsio |
Mamongana | : | (vongana) mt.p.: Mandidy (zavatra) atao didiny lehibe.
Ahitsio |
Mamongana | : | (fongana) mt.p. (mamongàna): Mandrava tanteraka, mandevona, mandany, manapitra.
Ahitsio |
Mamongatra | : | (fongatra) mLp. (mamongàra): Mihady, mandoatra: Mamongatra harembe avy ao anaty tany ny mpihady volamena • Mamohafoha: Tsy misy tsy misento raha mamongatra ny lasa!
Ahitsio |