Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mivareraka: (vareraka) mt. s. (mivareraha): (fitafiana) Miborotsaka mirefarefa: Trotraka aoka izany angamba izy ka ny lambany avy no mivareraha tsy voasampiny intsony. 4 Miboretaka kivy sy ketraka: Nivareraka izy raha vao nahare ny fahasimban' ny famboleny tamin'ny havandra. Ahitsio
Mivarina: (varina) mt. s. (mivarina): Midina mikorisa: Mivarina any Ikopa ity sakelidrano ity. 4 Midina, mivalangidina: Nivarina any avara-tanàna any ilay mpangalatra. 4 Mianjera dia lasa mikodiadia, mikodingy: Voafingana izy dia nivarina tany an-tevana. 4 Mietry voninahitra na laharana: Nivarina ho miaramila tsotra ilay manamboninahitra noho ny hadisoana bevava nataony. Ahitsio
Mivarirotra: (uarirotra) mt s.: Mifendrotra, mi fan drirotra: Mivarirotra ny molony fa reraha izy. Ahitsio
Mivarizoka: (varizoka) mt. s. (mivarizoha): Mitaria, mitsaontsaom-bava tsy an-kijanona. Ahitsio
Mivaroraka: (varoraka) mt. s. (mivaroraha): Miboraka sy mivaha: Mivaroraka ny pataloan'io zaza io. 4 Vaky ka miely miparitaka: Mivaroraka ny tsinain'ilay alika voahitsahy ny aotomobilina. 4 h.o.: Kivy ka very hevitra: Nivaroraka izy nahare izany vaouao ratsy izany. Ahitsio
Mivarotra: (varotra) mt. s. sady mt. p. (mivarota): Manao varotra: Mivarotra no antondraharahany. 4 Manakalo zavatra vola: Mivarotra anana Rasoa. (mi. P.) Ahitsio
Mivarozaka: (varozaka) mt. s.: Lava mikirazorazo. 4 (teny) Lava mitarozaka no miverimberina. Ahitsio
Mivasavasa: (vasavasa) mt. s.: Miteny lava tsy misy antony. Ahitsio
Mivatra: (vatra) mt s.: Mitondra vatra na vanditra avy amin'ny kapoka nahazo ny tena na ny tady namatorana ny tena. Ahitsio
Mivatritrika: (uatritrika) mt. s.: Mitringitringy be. Ahitsio
Mivatsavatsa: (uatsauatsa) mt. s. (mivatsauatsà): Mipentsompentsona, mitaria. Ahitsio
Mivatsy: (vatsy) mt. p. (mivatsia): Mitondra vatsy na sakafo entina hivahiny: Tokony hivatsy rehefa mivahiny fa tsy fantatra ny dia. 4 Mitondra: Mivatsia fitaovana sy fiadiana ihany fa mangingina ny lalana. Ahitsio
Mivava: (vaua) mt. s.: Mitriatra, mitresaka: Efa manomboka mivaua sahady ny rindrin'ny tranonareo. Ahitsio
Mivavaka: (vavaka) mt. s. (miuavaha): Mitsaoka sy mangataka amin'Andriamanitra: Tsy azo itokiana ny olona tsy mivavaka. Ahitsio
Mivavavava: (vavauava) mt. s.: Miantsoantso mafy tsisy farany. Ahitsio
Mivazina: (vazina) mt. s. na p. t.: Revo amin'ny zavatra iray ka tsy mahatandro ny voninahiny intsony. Ahitsio
Mivazivazy: (uazivazy) mt. s. (mivazivazia): Mihomehy, milalao, mananihany. Ahitsio
Mivazizo: (uazizo) mt. s. (mivazizoa): Mitaria tsy misy farany, mitomany lavareny mahasosotra. Ahitsio
Mivazo: (vazo) mt. s. (mivazba): Mihira kalom-pitiavana. Ahitsio
Mivela: (vela) mt. s.: Mijanona, natokana: Miuela ho an'ny firenena ny asa soratry ny mpanoratra. Ahitsio