Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mizakazaka: (zaka) mt. s.: Mandidididy aoka izany. Ahitsio
Mizana: a.: Fitaovana enti-mandanfa zavatra, izay misy ny lela-mizana, ny vovona-mizana ary ny fitsara-mizana na lahi-mizana. (Lela-mizana: Ireo zavatra fisaka anankiroa ametrahana ny zavatra lanjaina an-kilany ary ny vato fandanjana an-daniny; vouona-mizana: ilay vy lavalava ipetrahan'ny lela-mizana; ny lahi-mizana na fitsara-mizana: ilay vy kely mitsangana, toy ny fanjaibe, eo afovoan' ny mizana ahalalana ny fahamarinan'ny lanja). - Mizana mahiratra: mizana marina, tsy mandainga. / Manao mizana tsindriana ila: tsy manao ny fahamarinana, miangatra. Ahitsio
Mizanaka: (zanaka) mt. s.: Enti-milaza ny vola miteraka, izany hoe mitombo tsikelikely any amin'ny olona nisambotra azy na any amin'ny banky nametrahana azy. ¶ M.h.: Mihana. Ahitsio
Mizara: (zara) mt. p. na mt. s. (mizarà): Mitantana: Hizara vary ho an'ny tra-boina ny fanjakana. ? mt. s.: Mitoko: Nizara efatra ny mpisambotra ilay mpangalatra. ? mt. s.: Misampana: Mizara roa ny lalana rehefa tonga eo. ? mt. p.: Mandidy: Iza no nizara roa an'ity voankazo ity? Ahitsio
Mizatra: (zatra) mt. p. (mizarà): Manao izay hahatonga ny tena ho zatra: Tokony hizatra hamaky teny ianao. Ahitsio
Mizehozeho: (zehozeho) mt. s. (mizehozehoa): Mandeha miadana mibaikabaika. Ahitsio
Mizetra: (zetra) mt. s. (mixera): Mandeha misosa milamina tsara. Ahitsio
Mizezika: (zezika) mt. s. (mizezèha): Miavosa, miavovona: Mizezika eo amin'ny varavarana ny fasika. ? Mitangorona, mitangongo: Nizezika teo an-tokotany ny mpianatra ta handre ilay uaouao. Ahitsio
Mizidina: (zidina) mt. s. (mizidina): Mijoro mahitsy tsy mihetsika. Ahitsio
Mizidizidy: (zidizidy) mt. s. (mizidizidia): Mamindra amim-pahavitrihana. Ahitsio
Mizihitra: (zihitra) mt. s. (mizihira): Mibontsina, midibadiba, mizihizihy: Mizihitra ny kibony. ? Tezitra: Nizihitra tamiko izy. ? Mihenahena tsy miteny: Nizihitra fotsiny izy nony nanontaniana.Mizihizihy (zihizihy) p.t.: Fe-no midibadiba. Ahitsio
Miziniziny: na Mizinjina (ziniziny na zinjina) mt, s.: Mirintona amin-katezerana. Ahitsio
Mizionjiona: (ziona sy zionjiona) mt. s.: Mivily, tsy mandeha mahitsy fa mivily lalana, mivembena: Mizionjiona ohatra ny mamo. Ahitsio
Mizipo: (zipo) mt. s.: Manao na mitondra zipo. Ahitsio
Miziriziry: (ziriziry) mt. s. (mi-z iriz iria) : Miridiridy, mihinjihinjy: Miziriziry ny tanany sy ny tongony. ? Manao ?itra, mikiry, mikiribiby: Miziriziry amin'ny heviny ihany izy. Ahitsio
Mizongozongo: (zongozongo) mt. s. (mizongozongoa): Mandeha irery tsy misy mpanaraka. Ahitsio
Mizotra: (zotra) mt. s. (mizdra): Mandeha: Mizotra tsara ny soaualinao izany! ? h.o.: Mandeha milamina, misosa: Mizotra tsara ny fianarako! ? Mandeha, mivalana, mikoriana: Raha efa avy eto, dia mizotra mianauaratra ity renirano ity. ? Mahazo, mihazo: Nizotra tamin'ny arabe fa tsy tamin'ny lalan-kely akory iz, - F.-p.:yMizo-dalana: Mizotra mahitsy manaraka ny lalana. ¶ M.h.: Mitanjozotra, mifanjohizohy, milahatra, mitandahatra, mitandavana, mitomandavana, mifanao aloha sy aoriana, manao ranolava, manao valala manjohy, manao tohy vakana, manao tohy lava, manao tohy lahy, manao zo-balala, manao tsoa-tokana. Ahitsio
Mizozozozo: (zozozozo) mt. s.: Mamoaka feo ohatra ny feon'ny rivotra mitsoka amin'ny elakelaky ny hazo na amin'ny elanelan'ny hiriky ny varavarana. Ahitsio
Mjbonabona:(bonabona) p.t.: Mivonto toa mizihiiihitra ne-fa mihodrahodra: Asa na na. ninona na naninona fa nibo_ nabona tampoka teo ny ta_ rehin.dRasoa, Ahitsio
Moa: Kianteny enti-manontany, ka toy izao no fampiasa azy: atao manomboka fehezanteny izy: Moa handeha ihany iânao rahampitso? azo ampiarahina amin'ny "va" koa anefa izy, ka amin' izay, na manarakaraka azy avy hatrany ny se na fonosina ao anatiny sy ny "va" ny teny fototry ny fanontaniana: Moa ve handeha ihany ianao rahampitso? na Moa handeha ihany ve ianao rahampitso? ? Kianteny kely entina manisika hevitra toy ny hoe "raha ohatra ka": Handeha aho moa, ny zanako ity marary; hijanona a-ho, ny raharaha ar? miandry, na manamafy hevitra fotsiny: Ianao moa ity marary ka tsy hita izay hatao. Ahitsio