Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Moana: a. na p. t.: Enti-milaza olona tsy afaka miteny, tsy mamoa-peo hiteny: Tsy moana hatrany an-kibon-dreniny akory izy fa nisy loza tampoka nahazo azy ka ueriny tamin'izay ny fitenenana. * h. i.: Tsy mamaly, tsy miteny tsy mivolana: Nanontaniana izy, nefa tsy niloa-peo fa moana fotsiny tao. Ahitsio
Moany: na Moano a.: Karazankazo ahazoana loko vony na mavo. Ahitsio
Modely: (fr. modèle) a.: Mari-ka: Ireto ny sary hatao modely. ? Fakan-tahaka, fakana ohatra, fianarana: Izany lehilahy izany no tokony ho mode lin tsika. Ahitsio
Modimodia: a.: Jer. Mihoronkorona. Ahitsio
Mody: (ody) mt. s. (modia): Miverina any amin'ny tany niaviana, tanàna na trano onenana, rehefa avy niasa na nianatra na nivahiny: Efa la-sa nody daholo ny mpianatra. / Mody isan-kariva ny mpiasa. ? Miseho ho toy ny: Mody mihaino i Koto, nefa ny sainy any Ankaratra. ? Maka tahaka: Mody adala, mody maty ny anao lahy. - Miova ho, manjary: Nody diuay ny rano tany Kanà raha uao niteny ny Tompo. - F.-p.: Mody omby: entimilaza ny fotoana fodian'ny omby ankapobeny, aorian' ny filentehan'ny masoandro. / Mody omby tera-bao: entimilaza ny fotoana fodian'ny ombivavy vao teraka, izany hoe alohan'ny filentehan'ny masoandro. / Mody mpamosauy: eo amin'ny roa maraina na mahery kely. / Mody mandry: ilazana ny olona mivahiny ka mandry indray alina any dia miverina, na tonga any amin'ny alehany dia mandry any. ? h.o.: enti-milaza koa ny olona maty. / Mampody aina, nofo, tanjaka: manome hery, sy tanjaka nananana teo aloha. / Mampody uady: enti-milaza ny fampakaram-bady taloha raha notsorina ny fanaovana azy ka ny ray arnan-dreny roa tonta no irahin'ny fianakavian-drazazavavy hanatitra ny vodiondry ary tsy misy fanasam-be am oria-mpian akavy. Ahitsio
Mofo: a.: Zava-pihinana atao amin'ny kobam-bary na lafarinina voapotsipotsika ka andrahoina amin'ny menaka na atao anaty lafaoro fotsiny. (Karaza-mofo: mofo gasy, mofo dipaina, mofosira na ramanonaka, mofo menakely, mofo tampontsatroka, mofo koba na kobandravina, mofomamy, mofo randrana, mofo akondro, mofo tantely, mofo makasaoka, mofo malandy, mofo sponjy, moto baolina). Ahitsio
Mohafina: (mohaka) mt. ih. (mohafy): Atao tonga bodaka; (vary) andrahoina fanindroany mba halemilemy kokoa indray. Ahitsio
Mohaka: p.t.: Malemy, bodaka: Mohaka loatra ny uary ka tsy tiako. - t.i.f.: Mohafina 1 manamohaka, fanamohaka, mpanamohaka 1 anamohafana, fanamohafana / mahamohaka / mohamohaka. Ahitsio
Mohara: a. : Ody atao anaty tandroka. ---( Ahitsio
Moimoy: a.: Hasosorana aseho amin'ny fim on om on on an a na ny isitrisitra. - t.i.f.: Mimoimoy, fimoimoy, mpimoimoy / imoimoizana, fimoimoizana / mahamoimoy. Ahitsio
Moita: a.: Zavamaniry mifandraidraika amin'ny hazondrano Ahitsio
Moja: a.: Anarana iantsoana ny taolana eo ambanin'ny valahana na jar. Maoja. Ahitsio
Moka: a.: Karazam-bibikely manidina mpitsentsitra ra ka mahatonga na mamindra aretina, toy ny tazo. Ahitsio
Mokafohy: na Tsingaroka a.: Karaza-moka kely izay manaikitra amin'ny antoandro. Ahitsio
Mokarana: a.: Karazan-kazo maivana. Ahitsio
Mokijy:(1) Voninkazo Anthurium Amalia (Ski) a.: Zompona. Ahitsio
Mokimoky: a.: Fiezahana, fikelezana aina vonombonona sy marisika hanao zavatra. • t.i.f.: Tafamokimoky 1 mimokimoky, fimokimoky, mpimokimoky 1 imokimokiana, fimokimokiana / mahamokimoky. Ahitsio
Mokitra: a.: Fiezahana mafy. il t.i.f.: mimokitra, fimokitra, mpimokitra 1 imokirana, fimokirana / mahamokitra / mokimokitra. ¶ M.h.: Mokimoky. Ahitsio
Mokoko: a.: Tsikoko, loto, mitankosina amin'ny hoditra, kao-bilany. * t.i.f : Mokokoina. Ahitsio
Mokokoina: (mokoko) p. t.: Tsikokoina, feno loto. Ahitsio