Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mamongika: (vongika) mt p. (mamongeha): Mamesatra, manisy enta-mavesatra (eo an-tsoroka). Ahitsio
Mamongitrika: (uongitrika) mt, p.: Mijery amin'ny maso mivandravandra toy ny hamono. Ahitsio
Mamongotra: Manafongotra (fongotra) mt.p. (mamongora, manafongora): Mandany, manafongana: Ny loka sy ny jilalaouana no namongotra ny fananan'io tovolahy io. • Mandripaka, mandringana: Namongotra ny vahoaka teny ambanivohitra ny pesta. • Mandrava hatramin'ny fotony, manafongana: Ny riuodoza no namongotra it? trano ity. Ahitsio
Mamongovongo: (uongovongo) mt.p.: Manao anentana Ahitsio
Mamonjafonja: (fonjafonja) mt p. (mamonjafonjà): Mandrairay dia mamolipoly, mamenjafenja Ahitsio
Mamonjely: (fr, mademoiselle) a.: Ny zazavavy mbola tsy manambady. Ahitsio
Mamonjy: (vonjy) mt.p. (mamonje): Mitondra vonjy ho an'ny...; manala (olona) amin'ny loza: Rakoto no namonjy ilay zaza saika voahitsaky ny fiarakodia • Manampy: Tsy tapaka ny mamonjy ny mahantra izy raha manam-bola koa • Mande-ha mba ho tonga amin'ny.,.: Lasa namonjy ny fotoana nifanaouany tamin'i Naiuo i Lita • Manatrika: Nandeha namonjy ny fotoampivaoahana Ramatoa Raketaka • Mihazakazaka, rafitra: Namonjy niditra haingana izy ireo raha vao nahare ny poabasy. Ahitsio
Mamonkina: (vonkina) mt.p. (mamonkena): Mamoritraho fohy fa tsy manatsotra ho la-va. * F.-p.: Mamonkin-kevitra: ilazana ire o tsy mba mety hanambara ny heviny fa aleony mangina ary tsy mitenY na inona na inona. f Mamonkin-totohondry: aforitra ao anaty felatanana ny rantsantanana toa filazana fa vonona hiady. Ahitsio
Mamono: (fono) mt.p. (mamonosa): Mandrakotra, manisy fonony: Aza asiana mikobana rehefa mamono boky. 1 Manafma: Mamono vola madinika an-joron-damba * F.-p.: Mamono faty: mandrakotra lambamena manodidina ny faty. f Mamono lamba: mandrakotra lambamena vaovao indray ny maty amin'ny famadihana. Ahitsio
Mamono: (vono) mt.p. (mamonba): Mikapoka: Ity manko mamono anay ô, hoy lbalita tamin-dreniny, t• Manala ai-na, mahafaty: Mamono olona maro isan-taona ny toaka * Mitsoka: Mamono jiro. • Manafoana: Mamono lalana * Mikosoka: Mamono soratra * F,-p.: Mamono antoka: enti-milaza ny zavatra tsy nahazoana tombony fa nampiditra fahasahiranana na nahavery masonkarena. f Mamono biby: enti-milaza ny fanafoanana ny fifaneraseràna izay nisy teo aloha. / Mamono dia: 1) manao izay tsy hahitan'ny mpanaraka ny alehan'ny tena ka mivilivily sy mody mitamberimberina na mandiso ny lalan-kaleha, fa tay any amin'izay efa noheverina;2) mamboatrasy mandamina tsara ny tany voasa ary ny bainga voavadika. / Mamono dindo: manao izaY hialan'ny avelo na fanahy ratsy mitady hisompatra. f Ma-mono feo: manao izay tsy haharenesana feo hafa ka manao tabataba be. j Mamono hira: tsy manaraka ny tena hira fa mampidina ambany na mampakatra avo, ary dia simba ny hasoan'ny hira fa tsy aralia ny tena izy. / Ma-mono lalana: 1) misakana na manisy fefy ny lalana tsy ho azo aleha; 2) anambarana koa ny olona manao zavadratsy amin'ny asa ataony, ka tsy afakamiverinahahazo soa amin'ny raharahany intsony. / Mamono lolo: (mitovy amin'ny mamono dfndo). / Mamono masoandro: ilazana ny olona miasa fatratra mandra-pilentiky ny masoandro. J Mamono sofina: mody tsy mandre izay lazaina, na tsy miraharaha izay zavatra henony. f Mamono tena: 1) manao izay hahafaty ny tenany, manapitra ny afny; 2) ilazana ny olona tsy mihevitra izay mety hahafaty azy. / Mamono teny: mitovitovy amin'ny hoe: manapa-teny, nefa miteny ihany mba hihainoan'ny olona izaylazain' ilay voalohany. f Mamono va-tala: manimba ny soa tokony hiafarana.f Mamono voalavo: alohan'ny fampinomam-be, dia manao latsa-bato ny isantanàna na isam-paritany mba hanadiovana azy amin'ny mpamosavy. j Mamono vola-na an-trano: jar. Volana./Mamono vorona: mandrahona, mampitahotra ambony ihany, manao don-tandroka. / Tsy mamono anaka: ilazana ny vono izay mahafaty eo no ho eo amin'ny indray mandeha monja. Ahitsio
Mamonona: (vonona) mt.p. (mamonàna): Manomana mialoha: Mamonom-piadiana izay te handresy. • Manangona: Mamonom-bola izy ha-no renan- trano. Ahitsio
Mamontana: (bontana) p. L: Mibontsina, mizihitra, mivozihitra. Ahitsio
Mamontangina: na Mivontangina (vontangina) p.t.: Mivonto, mibontsina. Ahitsio
Mamontirika: (vontirika) mt. s.: Mampivandravandra be ny maso toa hivoaka ny taolamaso mihitay: Namontirika ny masony ka natahotra aho. Ahitsio
Mamonto: (vonto) mt.p. (mamontona): Mahalena hatrany anaty, manaboboka: Tsy namonto tany akory ilay erika tao. / Mamonto rano ny sponjy. Ahitsio
Mamontona: (vontona) p. t: I-zay eo afovoany. Ahitsio
Mamontsina: Mamotsona p.t: Hita mipoitra amin'ny ilany indray (vay lahy kely). Ahitsio
Mamony: (vony) mts.: Vaky vony: Efa mamony sahady ity paiso ity. Ahitsio
Mamora: (fora) mt.p. (mamorà): Mandidy foitra: Mamora zaza. Ahitsio
Mamorabora: Manaborabora (borabora) mt.p. (mamoraborà, manaboraborà): Mamototra migoragora na malemy. Ahitsio