Mpanentana | : | (entana) a.: Ny olona natao hitarika ny fivavahana na ny hira any am-piangonana.
Ahitsio |
Mpanera | : | (ara) a.: Olona mpanelanelana amin'ny varotra atao, izany hoe manao ny fifampiraharahan'ny olona mpividy amin'ny olona tena tompon-javatra mpivarotra: Nalaky nahita trano ho fana kosa ianao izany. — Nanatona mpanera aho no nahatanterahako izao.
Ahitsio |
Mpanety | : | (hety) a.: Olona manao ny fanetezana ny volon' olona ho anton-draharaha.
Ahitsio |
Mpangalatra | : | (halatra) a.: Mpifetsifetsy maka zavatr'olona; mpandroba fananan'olona.
Ahitsio |
Mpangataka | : | (hataka) a.: Olona tsy miasa fa mangataka fiantrana ombieny ombieny no ataony antom-pivelonana.
Ahitsio |
Mpanivo | : | a.: Tsipika miala avy amin'ny tendro iray ka mamonjy ny afovoan'ny lafy mifanandrify amin'io tendro io.
Ahitsio |
Mpanjaitra | : | (zaitra) a.: Olona manjaitra, izany hoe mandidy sy manakambana ny lamba ho tonga akanjo, ka izany no ataony antom-pivelomana.
Ahitsio |
Mpanjaka | : | (zaka) a.: Olona voahosotra na atsangana ho mpitondra ny fanjakana, izay sady mitondra no manapaka ary mandidy, ka fahefana ifandovana no ananany izany.
Ahitsio |
Mpanjono | : | (jono) a.: Olona manao ho antom-pivelomana ny fakana hazandrano. —(
Ahitsio |
Mpanohariana | : | a.: Antokon' olona manohitra ny fiovana izay tian'ny antoko iray eo amin'ny fahefana hatao, ka mitetika ny hamerina indray ny fomba narahina teo aloha.
Ahitsio |
mpanome | : | Izay manome Ahitsio |
Mpanompo | : | (tompo) a.: Olona miasa ho an' olona, manao raharahan'olona, ka mahazo karama na tsia.
Ahitsio |
Mpanoratra | : | (soratra) a.: Lehilahy na vehivavy manoratra boky, ka izany no saika antom-pivelomany.
Ahitsio |
Mpanoritra | : | (soritra) a.: Sokajin-teny enti-manoritra na manavaka ny anarana. Misy karazany efatra ny mpanoritra, dia ny mpanoritra tsotra (ny trano), ny mpanoritra manondro (very ity vary), ny mpanoritra anaran-tsamirery (Faly i Bozy), ary ny mpanoritra zavatra efa fantatra (tonga ilay vahiny).
Ahitsio |
Mpiady | : | (ady) a.: Ireo olona roa tonta miady eny amin' ny fitsarana. ? Ny miaramila miady amin'ny fahavalo any an-tafika.
Ahitsio |
Mpiahy | : | (ahy) a.: Mpikarakara, olona mpanao izay hahasoa no sady andry iankinana.
Ahitsio |
Mpiambina | : | (ambina) a.: Olona atokana hiambina, izany hoe manao andry maso, miaro tsy ho simba ary mitandrina amin'ny fahavalo.
Ahitsio |
Mpianadahy | : | (anaka lahy) a.: Olona lahy sy vavy nateradray sy reny iombonana.
Ahitsio |
Mpianaka | : | (anaka) a.: Teny entina hilazana olona roa nifampiteraka, izany hoe ny iray nateraky ny iray, na olona azo heverina ho toy izany amin'ny taonany na arapihavanana.
Ahitsio |
Mpianakavibe | : | a.: Enti-milaza ny fianakaviana mütatra hatrany amin'ny foko.
Ahitsio |