Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mpianakavy: (anaka avy) a.: Fitambaran'ny ray, ny reny ary ny zanaka ao amin'ny ankohonana. Ahitsio
Mpianala: (ala) a.: Ireo mande-ha any an'ala maka hazo, tantely... ka izany no antondraharahany. Ahitsio
Mpianatra: (anatra) a.: Antokon'olona mitady fahaizana na mampitombo fahalalana eo ambany fitarihana mpanoro atao hoe mpampianatra. Ahitsio
Mpiantoka: (antoka) a.: Olona tompon'andraikitra amin'ny fahavitan'ny asa -na trano a-tao anankiray. Ahitsio
Mpiantsa: (antsa) a.: heu tsimandoa lahy sy vavy, manaraka ilay olona hobena amin' ny antsa: sady mihira no manao fihetsehana toy ny mandihy eny am-pamindrana izy ireo, ary samy mitana tapadamba kely ka indray manopaka an'iny na miankavia na Iniankavanana. Ahitsio
Mpiaotra: (aotra) a.: Olona roa (lehilahy roa na vehivavy roa na lehilahy sy vehivavy) izay vadin'ny olona roa iray tampo, na olona iray tam-po amin'ny vadin'ny olona roa. Ahitsio
Mpiasa: (ara) a.: Olona mikara?na manao raharaha manokana: Mpiasan'ny ozinina. — Misy karazany maro ny mpiasa; ireto avy ny lehibebe maro mpiteny: mpiasa tan y: ireo manao ho antom-pivelomana ny fitrandrahana ny tany; mpiasa an-trano: olona karamaina hanao ny raharaha ao an-trano; mpiasampanjakana: olona miasa amin' ny antokon-draharaham-panjakana samihafa, izay vao no-mena ny anarana hoe mpiasam-bahoaka, noho izy ireo natao indrindra hanome fahafaham-po ny vahoaka. Ahitsio
Mpiasabe: (asa) a. na p.t.: Olona tsotra, morainy, tsy be teny ary tsy mahery fihetsika. * Ohab.: Mpiasabe vonton' anatra ka manao mbay lalana an-tsena: enti-milaza ireo olona tsotra loatra ka tsy mandinika izay tokony sy tsy tokony hampiasana ny anatra omena azy fa rehefa izay no voalaza dia tanterahiny na manao ahoana na manao ahoana. ¶ M.h.: Rainazy, andrainazy, jomo (jomoka), mongena, monge-mahalatsaka, malemy tsy azo, malemy maozatra, jinjinina, morabe, morainy, tsy sarotiny, mihako, konetaka, bonaika, be tsY miteny, olom-bodo, olombe, olon-kova, olon-kovabe, joko tsoriaka, manaiky lembenana, manaiky lempona, manaraka efa, entina amin' ny sangany, kofehy manarapanjaitra, malemy paika, malemy an-dranombary, manara-drenirano, manara-driandrano, manaraka ambokony. Ahitsio
Mpifatotra: (fatotra) a.: Mpigadra, olona voatana ao amponja. Ahitsio
Mpifotràka: a.: Mpierotra raindahiny. Ahitsio
Mpigaka: (gaka) a.: Mpisotro raindahiny. * F.-p,: Manao gagaka: misotro rano, manao gorodana. Ahitsio
Mpihavana: (hauana) a.: Olona iray fototra niaviana; misy ifandraisany ara-pihavanana. Ahitsio
mpijery:(an. mpan.) olona mijery Ahitsio
Mpikaika: (kaika) a.: Mpiantso: Izy no ataouy mpikaika fa manam-peo. Ahitsio
Mpikambana: (kambana) a.: A-nisan'ny antoko na fiombonana iray: Mpikambana amin' ny Fikambanan'ny Poety sy Mpanoratra malagasy izy. Ahitsio
Mpikarama: a. :olona ampanaovina asa ka mahazo vola a-min' izany. * F.-p.: Mpikarama an-trano: mpanao ny raharahan-tokantranon'olona — toy ny mahandro, mana-sa lamba, manadio trano... — izay andraisany karama isam-bolana. / Mpikarama an'ady: olona mikarama ho miaramilan'ny tany hafa fa tsy an'ny tanindrazany. * Ohab.: Mpikarama milanja ro fia: manenjan-tsandry amin'ny an'olona: enti-milaza olona misasatra amin'ny zavatr'olona izay tsy mba ahitany soa akory. Ahitsio
Mpikotretrika: (kotretrika) a.: Mpitomany lava, mody mitomany. Ahitsio
Mpileony: Fileony (lao) a.: Mpimamo, mpidoroka. Ahitsio
Mpimasy: (masy, marina) a.: Olona sady mitsabo no manao sikidy. Ahitsio
Mpino: (ino) a: Ter. Mpivavaka. Ahitsio