Mahabe | : | (be) mt. p.: Mahatonga ho betsaka: Mahabe moka ny kirihitra manodidina ny trano.
Ahitsio |
Mahabeda | : | (beda) mt.p.: Afaka na tia mibeda.
Ahitsio |
Mahabetsaka | : | (betsaka) mt. p.: Mahatonga ho betsaka: Ity farihy ity no mahabetsaka ny moka aty aminareo.
Ahitsio |
Mahabibo | : | (Ski) a: Karazankazo izay ny voany fanao amin'ny tombokavatsy mba hahamainty azy,
Ahitsio |
Mahabonoka | : | (bonoka) mt.s.: Afaka na tia mibonoka.
Ahitsio |
Mahadala | : | (adala) mt. s.: Mahatonga adala, mampivozavoza, mampitahontahona: Mahadala ny toaka sy ny rongony, ka izany no nandraran'Andrianampoinimerina azy ireo.
Ahitsio |
Mahadangana | : | (dangana) mt.s.: Manondrotra na mahatonga hisondrotra.
Ahitsio |
Mahadikidiky | : | (dikidiky) p.i.: Mahasosotra, mahatofoka: Mahadikidiky ny fitondrantena ratsy ataony. ? Mahamenatra: Aoka ihany fa mahadikidiky amin-drainao.
Ahitsio |
Mahadikitra | : | (dikitra) mt.s.: Mahasosotra, manao izay hahatezitra, izay tsy hahafaly.
Ahitsio |
Mahadiky | : | (diky) mts,: Mahasosotra noho ny loto na ny zavatra maharikoriko ao anatiny: Mahadiky it? tranompako ity, fa misy rano maintimainty mitsininika auy ao.
Ahitsio |
Mahadilo | : | Mankadilo, Mampadilo (dito) mt.p.: Mahatonga hadilo: Mahadilo ny nify ny uoasarimakirana.
Ahitsio |
Mahadiso | : | (diso) miss.: Mahatongaho diso,
Ahitsio |
Mahadoroka | : | (doroka) mt.s.: Mahamamo, mankaleo: Mahadoroka ny fofon'io zavatra io.
Ahitsio |
Mahady | : | (ady) mt.s.: Afakana tia miady: Tsy mahady aminao aho fa mitandro ny voninahitro.
Ahitsio |
Mahafaly | : | a: Anaram-poko kely monina amin'ny tany be sokay sy fasika, anelanelan' ny ony Onilahy sy Menarandra, amin'ny faritra atsimo andrefan'ny Nosy, fantatra indrindra amin'ireo fasany voaravaky ny aloalo (jer. io teny io), tanàn-dehibe: Betioky, Ampanihy.
Ahitsio |
Mahafaly | : | (faly) Mahatonga ho faly, tsara: Vaovao mahafaly.
Ahitsio |
Mahafanina | : | (fanina) mt.s.: Mahatonga ho fanina: Mahafanina ny fofon'afon'arina ¶ M.h.: Mahajambena, mahabadenina.
Ahitsio |
Mahafantatra | : | (fantatra) mt. p.: Mahay: Mahagaga fa tsy mahafantatra izay lazain'ny olona azy intsony izy. ? Mahalala: Tsy mahafantatra anao aho. ? Mahazo: Mahafantatra ny baiko omena azy ny alikanay.
Ahitsio |
Mahafaty | : | (faty) mt.p.: Afaka hamono: Tsy mahafaty akoho akory, hono, Ramatoa io. * Mahatonga ho faty: Tsy hahafaty azy akory io aretina io. / Poizina mahafaty. ? F.-p.: Fahotana mahafaty: mahavery ny aim-pahasoavana (Fiv. kat.). ? Maharesy: Ny mpilalaonay Ampamarinana no nahafaty tamin'ny baolina. ? Mahazo: Tsy tsara ny tsena androany fa tsy nahafaty roanjdto akory aho, * Mamely mafy, tsy ahazoana aina, mahatrotraka: Mahafaty izany hatsiaka izany. ? Mamono, manala, mikosoka, mampanadino: Ny andro sy ny volana nifandimby no nahafaty ny soratra teto. / Tay misy hahafaty ny fahatsiarovako an 'i Neny.
Ahitsio |
Mahafina | : | (afina) mt.p.: Afaka manafina: Tsy mahafina anao aho.
Ahitsio |