Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mampiakatra: (akatra) ?nt P. (mampiakara): Manome baiko hiakatra: Iza no nampiakatra an'io olona io taty ambony rihana? ~ Mahatonga hiakatra. Ahitsio
Mampianatra: (anatra) mt. p. (mampianara): Manao izay hampahay zavatra olona, manoro; mampahazo fahaizana na fahalalana na fahakingana manao zavatra: Mampianatra manao tsihy. Ahitsio
Mampifam-: Mampifampan-: Tovona fanaovana "matoantenin'ny mpanao asa ifanaovan'olona roa" ho an'ny mt manomboka amin'ny main-na man-, enti-milaza olona manasa olona roa na maro hifamaly asa. Ahitsio
Mampifampi-: Tovona fanaovana matoantenin'ny "mpampanao asa ifanaovan'olona roa" ho an'ny mt manomboka amin'ny mi-, enti-milaza olona manasa olona roa na maro hifamaly asa: Mampifampiteny: Tsy nifandray mihitsy izy mirahavavy fa reniny vao nampifampiteny azy. Ahitsio
Mampifilafila: (fila fila) mt.p. (mampifilafilà): Mampitamby; manaiky hanome na hanao dia mandà, manaiky indray dia mandà: Aza mampifilafila tahaka izao ianao, fa rehefa tsy hanome dia milazà tsotra Ahitsio
Mampihanankanana: (hanankanana) mt.p.: Mampitsikanfona; mampiempo: Mampihanankanana ny firaka ny afo. Ahitsio
Mampiketrona: (ketrona) mt. p.: Mahatonga fivalombalonana amin'ny tarehy: Ny hahiazana koa mampiketrona ny tarehy fa tsy ny fahanterana ihany akory. Ahitsio
Mampilafila: Jer. Mampifilafila. Ahitsio
Mampilendalenda: (lendalenda) p. t.: Maha-te hihinana fatratra: Mampilendalenda fatratra ireto voankazo masaka mihantonkantona eny ambony hazo. Ahitsio
Mampimalo: (malo) mt.p.: Mampatahotra ka mahakivy ambony ihany. Ahitsio
Mampinona: (inona) mt. p.: Mampisotro tangena. Ahitsio
Mampirafy: (rafy) mt. s. (mampirafesa): Malot vady hala ho fanampin'ny vadin'ny te-na efa eo. Ahitsio
Mampiriatra: (piriatra) mt.p.: Mampandositra Ahitsio
Mampirina: na Manampirina (ampirina) mt. p. (mampirima): Mandamina, mandahatra: Mampirin-trano isa-maraina izy. (• Mametraka amin' ny toerany avy: Andraso fa mbola hampirina ireto bokiko ireto aho. Ahitsio
Mampirivana: (rivana) mt.p.: Mandrahona mafy amin-katezerana, amin'ny teny, amin'ny fihetsika feno fampitahorana. Ahitsio
Mampisaraka: a: Anaran-kazo. Ahitsio
Mampiseho: (seho) mt. p. (mampisehoa): Mamelatra mba hô hita: Mampiseho sary amin'ny ankizy. ~ h,o.: Mampiseho hakevohana io touoiahy io amin'ny ataony rehetra. ¶ M.h.: Maneho, Ahitsio
Mampitabataba: (tabataba) nit p.: Mampikorontana: Tokony hosazina mafy izay mampitabataba ny fanjakana Ahitsio
Mampitaha: (taha) mt. p.: Mampifanatrika zavatra na olona roa ka tombanana iza no isaratsara kokoa amin'izy ireo: Andeha hampitaha lakana sy zahatra ve ianao? Ahitsio
Mampitahady: a.: Karazan-kala lehibe fahita matetika. Ahitsio