Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Manaborera: (borera) mt.p. (maborerà): Managorera, mampivaroraka. Ahitsio
Manaboretaka: (boretaka) mi-. p. (manaboretaha): Mampipetraka hitsotra amin'ny tany. Ahitsio
Manaboribory: (boribory) mt. p. (manaboriboria): Manao ho boribory tsy misy zoronjorony na motiny kely mihoatra atsy sy eroa. Ahitsio
Manaboridana: (boridana) mt p. (manaboridàna): Manala ny fitafiana eny an-koditry ny olona iray. Ahitsio
Manaboroaka: (boroaka) mt. p.: Mandoaka mba hivoaka hatrany ambadika. Ahitsio
Manaborosy: (borosy) mt.p. (manaborosia): Mamaoka na manadio amin'ny borosy. Ahitsio
Manaborotsaka: (borotsaka) mt p. (manaborotsaha): Mamela hitambotsotra, hikorotsaka. Ahitsio
Manabosesika: (sesika) mt.p.: Manome be dia be, manesika, mampiletra, mampanao tranga. Ahitsio
Manabosy: (abosy) mt.p. (manabosia): Mitaona olona amin'ny fandokadokafana azy. Ahitsio
Manabotetaka: (botetaka) mt. p. (manabotetaha): Mampipetraka amin'ny tany. Ahitsio
Manabotry: Mambotry (botry) mt.p. (manabotria, mambo-tria): Man ao izay hampahantra: Hanabotry ny rahalahiny no tetik'io zazalahy io. Ahitsio
Manadaboboka: (daboboka) mt. p. (m anad a bo bo ha) : Manjera, mamarina. Ahitsio
Manadala: (adala) mt.p. (manadatà): Mandrebireby, mamitaka: Olona manadala anao fotsiny iny fa aza miaraka amin'iny intsony. • Manelingelina, mahasosotra: Tsy mitsahatra manadala azy amin' ny raharahany ny zafikeliny. • Mahavery loha, mamily saina: Tsy avelany, hono, iny zazalahy iny fa nanadala ny zanany. • Manolikoly olona hahazoana izay tadiavina: Tratra nanadala ny lehiben' ny fokontany izy ka nosazina. - F.-p.: Manadala tena: ma-nimba tena, mamita-tena: manadala tena amin'ny sakaiza ratsiny izy. Ahitsio
Manadanadana: (danadana) nit p.: Mamoha tanteraka, manokatra manontolo: Iza no nanadanadana ny varavarana toy izao? Ahitsio
Manadanga: (danga) mt.p. (manadangà): Manondrotra ambony, manao amin'ny toerana ambony ho hita tsara. Ahitsio
Manadangana: (dangana) mt.p. (manadangàna): Manondrotra avo:Mazàna ny tsy fisian' ny zavatra hovidina no manadangana ny vidim-piainana. Ahitsio
Manadaraboka: (daraboka) mt p. (manadaraboha): Maniera mafy amin'ny tany. Ahitsio
Manadaroboka: (daroboka) mt. p. (manadaroboha): Maniera ao anaty rano. Ahitsio
Manademba: (demba) mt.p. (manadembà): Manalesoka. Ahitsio
Manaderadera: (dera) mt.p. (manaderaderà): Mampisehoseho zavatra ho hita tsara: Kevoka er? izy manaderadera ny satrony vao nouidina Ahitsio