Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mahafinaritra: (finaritra) p.t.: Mahafaly, maharavo: Saha mahafinaritra. / Olona mahafinaritra Rakoto. ? Tsara, soa, kanto: Lahateny mahafinaritra no nandraisana ny filohan'ny Nosy. Ahitsio
Mahafiry: (firy) Mahatonga firy?: Mahafiry anareo izahay fito lahy ireto? Ahitsio
Mahafitra: (afitra) mt p.: Afaka mampiianona, Ahitsio
Mahafoha: (foha) mt.p.: Afaka mamoa, a?aka manaitra. ? F.-p,: Tsy mahafoha tena: be torimaso ka raha tsy fohazina tsy tai-tut. Ahitsio
Mahafohy: (fohy) mt.p.: Mahatonga ho fohy: Mahafohy ny lalana ny lalan-kely mihoatra. Ahitsio
Mahafoy: (foy) mt.p. (maha- foiza): Afaka hisaraka amin' ny zavatra na olona iray: Tsy mahafoy ahy i dadabe. * Ohab.: Mahafoy erany ka tsy mahafoy mihintsana: Tsy mahafoy manome fanampiny na dia kely akory aza, fa izay dia izay. (Ny mihintsana dia entina milaza fomba famarana voan-javatra efa fa-no tsara, nefa ahintsana indray mba hifatratra tsaratsara kokoa). Ahitsio
Mahagaga: (gaga) p• t.: Mahatonga ho gaga, mahavariana, mahatalanjona: Mahagaga ny fahaizan'ny olombelona fa tongany hatreny amin'ny volana ¶ M.h.: Mahatalanjona,mampidagaga, mampidogaga, igagana, mampitolagaga, ihorehana, ikoizana, mampikoy, mampiaiky volana, mampitonàka, mampitampim-bava, mahavaky vava, mahavariana, mahasondriana, mampitanàka, mampivanàka, mampidonàka, mampitokaka, mahazendana, mahakepoka Ahitsio
Mahahendry: (hendry) mt.p.: Mahatonga ho hendry: Tsy ny rotsa-kazo akory no hahahendry ny zanakao. Ahitsio
Mahahira: (hira) mt.s.: Afaka mihira: Tsy mbola mahahira aho fa marary ny tendako. Ahitsio
Mahahona: (ahona) mt.p.: A-faka mampiahotra. Ahitsio
Mahahotra: (ahotra) mt.p.: A-faka hampijanona. Ahitsio
Mahaika: (aika) mt.p.: Afaka hiaika, hamory olona. Ahitsio
Mahajenitra: (jenitra) mt.s.: Mahatonga ho jenitra. Ahitsio
Mahakanjo: (akanjo) mt.s,: A-faka na tia miakanjo. Ahitsio
Mahakehana: (kehana) Afaka mikohaka kely. 1 Miseho ho zavatra. Il F, -p.: Tsy mahakehana: menatra, mangaihay, valv betroka, kepoka. Ahitsio
Mahakitoina: (kitoina, kitokitoina) mt.p.: Enti-milaza toejavatra na olona mahatonga ho kitoina: Ny tsy nahazoany ilay vola no nahakitoina azy. Ahitsio
Mahala: (ala) mt.s.: Afaka na tia miala: Tsy mahala eto a-ho fa tiako eto. Ahitsio
Mahalafo: (lafo) mt.p. sady mt. s.: Afaka mivarotra: Tsy mahalafo ny variny io mpivarotra io. ~ Enti-milaza ny antony mahatonga ho lafo: Ny hakelezan'ny vokatra no na-ha- lafo ny vary taona ito. Ahitsio
Mahalaika: (laika) mt.a: Afaka na mahay milaika. Ahitsio
Mahalaitra: (laitra) mt.p.: Afaka hamely, hihinana: Tsy mahalaitra it? hazo it5' io fandraka dombo io. / Tsy mahalaitra hena ny nifiko fa marary. Ahitsio