Litera N

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Nakanaka: a.: Jer. Naikanaika. Ahitsio
Nala: a.: Karazana vahy misy poizina. Ahitsio
Nalo: (Ski) p.t.: Enti-milaza ny lehilahy tsy misy volombava na somotra na vaoka. Ahitsio
Nama: (Btl) a.: Sakaiza, namana. Ahitsio
Namana: a.: Olona miara-dava amin'ny tena noho ny fifankahazoan-tsaina sy fitoviantoetra: Namana tsy mahafoy an-dRabe Rakoto. • h.i.: Ny olona manodidina anao na ny olombelona hafa rehetra: Tiauo ny namanao tahaka ny tenanao. • Enti-milaza ny iray amin'ireo zavatra mandeha roa lalandava, na lomisy: Ny kofehy no naman'ny fanjaitraa/ Tsy hitako ny nalehan'ny naman'ity kiraro ity. • Mitovy, azo alahatra amy..., azo heverina ho toy ny...: Ny manafina zauatr' olona, hono, naman'ny mangalatra. / Tonga tsy miarahaba naman'ny tezitra, lasa tsy manao ueloma naman'ny sosotra (fiten.) Ahitsio
Namba: p. mt.: Mitovy amin'ny Kinamba. Ahitsio
Namonamona: a.: Teny entimilaza ny vava mitsakotsako sady miteny na mihirahira. - t.i.f.: Namonamonina, tafanamonamona / minamonamona, finamonamona, mpinamonamona / inamonamonana, finamonamonana. Ahitsio
Namonamonina: (namonamona) mt. ih. (namonamony): Tsakoina eo am-pitenenana na eo am-pihirana. Ahitsio
Nana: a.: Tsiranorano vonivony mivoaka avy amin'ny fery efa simba elaela ka mandoaka. - F.-p.: Mamoro-nana: mandeha nana, mivoaka nana. Ahitsio
Nanahary: a.: Teny mitovy amin'ny hoe Zanahary ihany, fa ny N sy Z nifanolo toerana toy ny hita indraindray: ohatra amin'ny hoe "Naotra" sy "Zaotra" (izay nahazoana ny zao-dahy, zao-bavy). - F.-p.: Vita-Nanahary: tsy namboarin -tanan' olombelona fa vita nataon'Andriamanitra avy hatrany, voa-Janahary. Ahitsio
nanambatra:Jereo [tambatra] Ahitsio
Nananana: a.: Antsoantso mafy, dradradradra. - t.i.f. : nanananaina, anananana, tafanananana 1 minananana, finananana, mpinananana / mahanananana. Ahitsio
Nanananaina: (nananana) mt. ih. (nanananao): Antsoina mafy mikiakiaka. Ahitsio
Nananjo: a.: Karazan-kazo madinika (uernonia). Ahitsio
nandrandraina:Nantenaina, jereo [miandrandra] Ahitsio
Nanga: (Ski) a.: Vatofantsika. Ahitsio
Nangy: na Mangy a.: Fivontosana — izay tsy aretina akory fa efa toe-tena mihitsy — eo amin'ny faritra ambanin' ny sofina: Mauesabesatra izany no fijery ny olona be nangy. • h.i.: Ny faritra eo anelanelan'ny takolaka sy ny ravintsofina ambany: Nisy bibikely nanaikitra azy teo amin'ny nanginy. - F.-p.: Manginy fotsiny: ambiny fotsiny: Mafy no nahazo ahy fa mora loatra no nahalasanan'ny olona ny akoho namidiko; ny havizanako nitondra azy tany an-tsena amin'izany manginy fotsiny. Ahitsio
Nantsana: na Nantsanantsana a.: Feo mikarantsan-javamaneno, toy ny lakolosy, ny kipantsona; feo mimenomenona somary mikiakiaka amimpahatezerana. - t.i.f.: Nantsanantsanina, anantsanantsana / minantsanantsana, finantsanantsana, mpinantsanantsana / inantsanantsanana, finantsanantsanana. Ahitsio
Nantsanantsanina: (nantsanantsana) mt. ih. (nantsanantsano): Ampanenoina. Ahitsio
Nantsonantsona: a.: Habasiambavan'olona miteny haingana momba itsy fakofakonjavatra rehetra itsy. - t.i.f.: Nantsonantsonina 1 minantsonantsona, finantsonantsona, mpinantsonantsona / inantsonantsonana, fi. nantsonantsonana / mahanantsonantsona. ¶ M.h.: Nentsonentsona, vatsavatsa, taria, karijo, tsaotsaombava, kamentsona, pentsompentsona. Ahitsio