Litera N

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Ndramborake: (Ski) a.: Anaran-kazandrano. ¶ M.h.: Lemba. Ahitsio
Ndre: sy Ndry t.p.: Enti-milaza figagana na fijaliana amam-pahoriana, arakaraka ny angolam-peo ilazana azy: Ndre! mahafinaritra izany ety an-tampon-kavoana! / Ndre! manaintaina ny ratrako izany! Ahitsio
Ndrefa: p. mt.: Jer. Nefa. Ahitsio
Ndriamihôzono: na Ramihozono (Tsm) a.: Fomba epti-mibaiko ny olona matory mba hanao izay tiana hampanaovina azy. Ahitsio
Ndriandita: (Ski) a.: Anarankazandrano izay heverin'ny Sakalava ho mahatonga loza ho an'izay mahita azy. Ahitsio
Ndrofilahy: a.: Fiteny fankaherezana, azo adika hoe: "aza matahotra, mahereza fo", fanaon'ny ankizy rehefa mampiady angely. Ahitsio
Ndry: sy Ndriako: Mpisolo anarana misolo olona ifampiantsoan'ny samy vehivavy ny namany, mitovy hevitra amin'ny "ianao", saingy milaza fifankazarana lehibe: Ho aiza indry rahariva? (jar. In-dry sy indriako). Ahitsio
Nefa: p, mt.: Enti-milaza hevitra mifanohitra amin'ilay voalaza eo aloha: Marary izy nefa tonga ihany. (Tsara homarihina fa manana endrika roa hafa io teny io, izay tsy dia tena mitovy fampiasa aminy: "anefa" sy "kanefa": anefa, dia fampiasa matetika eo aorian'ny teny voalohany amin'ny tapaky ny fehezanteny faharoa: Marary izy; mahagaga anefa fa tonga ihany; kanefa: fampiasa raha lavalava ilay tapaky ny fehezan-teny faharoa: Marary izy, kanefa mahagaga fa tonga ihany. Ahitsio
Nehaneha: a.: Fihetsika sy fiteny feno rehareha (jer. Naikanaika). * t.i.f.: tafanehaneha / minehaneha, finehaneha, mpinehaneha I lnehanehana, finehanehana / mahanehaneha. Ahitsio
Nemonemona: a.: Fihaminkaminan'ny olona somary mievotrevotra kely raha mitaingin-tsoavaly na entina ampilanjana. * t.i.f.: Minemonemona, finemonemona, mpinemonemona / inemonemonana, finemonemonana. Ahitsio
Nendo: na Nendonendo a.: Toetran'ny zavatra mangirangirana, mandina, mihilontrilona. * t.i.f. : Anendonendo, nendonendoina, voanendonendo / minendonendo, finendonendo, mpinendonendo / mahanendonendo. Ahitsio
Nendonendoina: (nendonendo) mt. ih. (nendonendoy): A-tao tonga mangirangirana. Ahitsio
Nendra: a.: Aretin-koditra sady mamohehatra no mahafaty haingana: mafana, mangotrakotraka izay voany, dia mipoitra hatina mandoaka sy mangirifiry eran'ny tena. - F.-p.: Nendra fotsy: karazan'aretina izay mora odiana. / Nendra mainty: karazan'aretina nendra tsy sitrana vetivety ary mamindra. / Nendram-boalauo: bontsimbontsina toy ny mony ary mpahazo ny zaza sady mifindra nefa tsy mahafaty. / Soki-nendra: loadoaka amin'ny tarehy rehefa sitrana ny nendra. / Mamangy nendra: famangiana marary miserana kely dia lasa (tsy mahafaly ny vangiana na ny havan'ny marary izany satria heveriny ho areti-mifindra no mahazo ny marary). Ahitsio
Nenibe: a.: Ny renin'ny ray na ny renin'ny reny niteraka ny tena. Ahitsio
Nenifara: a.: Teny fiantsoana ny zandriny indrindra amin' ny rahavavin'ny reny niteraka na ny anabavin'ny ray niteraka. Ahitsio
Nenina: a.: Alahelo noho ny ratsy natao, na ny tsara tsy natao, ka nahatonga fahavoazana ho an'ny tena: Neniko ny tsy namaliako ny taratasiny. ? Fibebahana amin'ny hadisoana natao. - t.i.f.: Manenina, fanenina, mpanenina / anenenana, fanenenana / neninenina. - F.-p.: Nenina be cama: nenina lehibe dia lehibe. / Afa-nenina: nanao izay rehetra azo natao ka tsy manenina intsony aty aoriana. / Ala nenina: fanaovana izay tsy hisian'ny nenina. / Miala nenina: manao izay rehetra azo atao mba tsy hisian'ny nenina. * Ohab.: Ny nenina tsy mba aloha hananatra fa avy aoriana handatsa. Ny nenina tsy mba roahina eo aloha tahaka ny ondry, fa avy manaraka tahaka ny aliaka (mazava ho azy). ¶ M.h.: Mitohy sakay, mitohy fangoka, fay, nahita faisana, mibarara, enjehin'ny fieritreretana, manongo tena, mitomany tena, mandray ny kiho, mitsapa farahatoka, manaiki-molotra, mijery soratr'omby an-tanàna. Ahitsio
Nenitoa: a.: Teny fiantsoana ny zokiny indrindra amin'ny rahavavin'ny reny niteraka na ny anabavin'ny ray nateraka. Ahitsio
Neno: ft.: Tsy fampiasa irery fa enti-milaza feo re amin'ny fitsofana na fitendrena zavamaneno, hirahiran'ny vorona na feo ataon'ny biby sasany; fitatatatana amin'ny teny na vatsavatsa atao. - t.i.f.: Maneno, faneno, mpaneno / anenoana, fanenoana / nenoneno. Ahitsio
Nenona: na Nenonenona a.: Fi- N( menomenonana, fimonomononana, fitenenana arahingonongonona. * t.i.f.: Nenonenona I minenonenona, finenonenona, mpinenonenona / inenonenonana, finenonenonana. Ahitsio
Nentsonentsona: a.: Jer. Nantsonantsona. Ahitsio