Litera O

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Omanina: (omana) mt. ih. (o-mono): Karakaraina mialoha: Omanina ny dia rehefa mivahiny. Ahitsio
Omba: a.: Fiarahan-dalana, fanjohiana na fanenjehana avy ao aoriana, fanarahana hevitra. 1 t. if.: Ombana, aomba, voaomba, tafaomba f momba, fomba, mpomba / ombana, fombana / mampomba / mlomba, fiomba, mpiomba 1 iombana, fiombana f mahaomba. Ahitsio
Omba: a,: Fandrakofana; fiarovana amin'ny hatsiaka na rivotra; fisakobonana amin'ny lamba na zavatra hafa tsy hangatsiaka, mbomba. - t.i.f.: Ombana, aomba, voaomba 1 manomba, fanomba, mpanomba / anombana, fanombana / mahaomba. a F.-p.: Omban-drenikely, mbomban-drenikely: fandrakofan-drenikely zanabady zara raha mirakotra. 1 h.o.: fikarakarana vita ala safay fotsiny. Ahitsio
Ombalahy: a.: Lahin'omby; iantsoana koa ny olo-mahery sy malaza. - F.-p.: Ombalahim-baviantitra: h.o. zavatra na olona tiana fatratra. / Ombalahin' Andriamanitra, ombalahin-Janahary: ombalahy natokana ho an'ny sampy. / Ombalahinify: ny nify maxanitra andaniny roan'ny andrianify, izay atao koa hoe vangy. / Ombalahin-tany: baingan-tany mafy sy lehibe. / Ombalahin-tongotra: ny voditongotra. / Ombalahy antitra: ombalahy tsy matahotra na inona na inona, h.o. miaramila menavazana tsy mirai-ka na amin'inona na inona. / Ombalahy aviavy: karazan' aviavy misy tandrony anaovan'ny ankizy kiombiomby. J Ombalahy be maso: anaram-bositra nomena ireo mpanjaka roa lehibe teto I-merina: Andrianampoinimerina sy Ilaidama. / Ombalahy fanoto: ilay fanoto ataon' ny lehilahy matanjaka sahala amin'ny omby tolomina eo amin'ny fotoam-pamorana zaza. / Ombalahy lafon' ny feony na ny vavavy: h.o. olona tsy dia misy vidiny firy fa be vava fotsiny. / Ombalahy tsy mihosy: ireo ombalahy tsy mety hampihosena fa mandositra, h.o. entimilaza olona kamo, tsy mety miasa. / Ombalahy vola: sarin'omby volafotsy, / Adin' ombalahy: h,o. enti-milaza adin'ny samy ngeza eny amin' ny fitsarana. * Ohab.: Adin'ombalahin'ny mpianakauy, ny resy tsy akoraina, ny mahery tsy hobena: raha mpihavana no miady eny amin'ny fitsarana, noho ny fitsimbinana ny fihavanana, dia tsy akoraina izay resy ary tsy hobena izay maharesy. / Ombalahy tanimanga, ha ny tompony no mitrena ho azy: enti-milaza irony olona tsy mba mahavita zavatra raha tsy tambinana na soloana tena. Ahitsio
Omban'ny: pph.: Miaraka amy, mbamin'ny: Ariary zato ny haraman'ny mpanetsa omban'ny sakafo antoandro. Ahitsio
Ombana: (omba) mt. ih. (ombay, na ombao): Rakofana, sakobonina, amin'ny lamba na ny elatra; arovana: Ombany ny elany ny zanany. Ahitsio
ombay:omeo, fangatahana, Oh: Ombay làlana tompoko. Ahitsio
Ombiasa: na Ombiasy a.: Mpisikidy sy mpanao ody. Ahitsio
Ombihana: (ombika) mt. ih. (ombiho): Sombinana, akana ilany na sombiny kely. Ahitsio
Ombika: a.: Sombina, potipotijavatra: Ombi-kena: potipoti-kena .azo rehefa mandidy sombintsombiny amin'ny omby vonoina. - t.i.f:: Aombika, ombihana, voaombika, tafaombika / manombika, fanombika, mpanombika / anombihana, fanombihana / miombika, fiombika, mpiombika / iombihana, fiombihana / mahaombika, ombikombika. Ahitsio
Ombika: mt.: Rafitra, maika, dodona: Ombika aho nanontany azy. Ahitsio
Ombona: a.: Fiarahana amin' izay atao; fiaraha-mikambana. i tif: Aombona, tafaombona / miombona, fiombona, mpiombona / iombonana, fiombonana / mahaombona. Ahitsio
Ombotana: (ombotra) mt. ih. (omboty): Ongotana, alana amin-kery. Ahitsio
Ombotra: a.: Fanalana na fanesorana avy hatrany, ongotra. • p. t.: Tsy faly ka lasa nirintona: Nisy teny nahatohina azy ka ombotra izy. - t.i.f.: Aombotra, ombotana, voaombotra 1 manombotra, fanombotra, mpanombotra / anombotana, fanombotana / miombotra, fiombotra, mpiombotra / iombotana, fiombotana 1 mahaombotra / ombotrombotra / manombotrorirbotra / miombotrombotra. Ahitsio
Omby:1 p.t.: Antonona, sahaza (ka samy azo ilazana azy na ny toerana ampidiran-javatra na ny zavatra ampidirina amin'io toerana io): Be loatra ny olona nasaina ha tsy omby ny trano. / Ireo olona izaitratra ireo ve ho omby ao amin'io efitra kely io? - t.i.f.: Mahomby, fahomby, mpahomby / ahombiasana, ahombiazana, fahombiazana, fahombiazana. Ahitsio
Omby: a.: Biby lelribe ompiana, karazan'ny biby mampinono ary mandinika, misy tandrony roa ary trafony iray eo an-tampon-damosiny. (Teo amin'ny Ntaolo ka mandraka ankehitriny, dia anisan'ny harena lehibe ho an'ny olona ny omby; ny ilana ny omby dia ireto avy: vonoina hihinanana ny henany, terena hakana ny rononony, afahy hanatavezana azy (omby mifahy), ampitarihina sarety, akana zezika. - F.-p.: Omby an'efitra: omby miraoka any an'efitra. / Omby an-tondraka: omby miraoka eny an-tsaha. / Omby bada: ombivavy tsy miteraka. / Omby be ra: omby atao sorona raha misy aretimifindra. I Omby be rano: ombivavy manana anaka a-tao sorona mba hampilatsaka nv orana. / Omby bory: omby fohy kely toa mivonto fotsiny ny tandrony. / Omby haolo: omby dia. / Omby Floua: ombin'Imerina. ( Omby kely hamboty: Omby kely atao sorona radia manao velirano. / Omby mahery: omby saika dia. / Omby malaza: ny omby tsara tarehy sy matanjaka indrindra. / Omby manga: omby dia tsy misy trafo. / Omby maranitra: omby nohetezana mitsokotsoko ny sofiny. / Omby maro madinika: omby kelin'ny andriana novonoina natao sorona ny harivan'ny fandroana. / Omby mifahy: omby hatavezina. / Omby mitrongy tan y: ombalahikely mitsapatsapa ny herin'ny tandrony amin'ny fitrongisana ny tany. / Omby rana: omby tsisy trafo, taranak'ireo omby avy any an-dafin' ny ranomasina nampidirina teto Madagasikara. / O m by rano: omby lazain'ny angano ho nitoetra tany anaty rano. / Omby refona: omby noana. / Omby sira: han' omby nolomana sira. / Omby sisa mita: h,o. olona tsy mahaloa trosa ka tazonina. / Omby tapy soratra: ombin' andriana izay ny ilany mipentimpentina, ny ilany kosa madiodio natao ho anjaran' ny mpiandry azy.(Omby fotsy ra: rehefa mety ho omby atao lofo raha misy maty. / Omby voatombo: omby fotsy ny tendron'ny trafony, ny lohany, ny faritra vitsivitsy amin'ny tenany.'/ Omby volavita: omby misy fotsy eo amin'ny handriny, lamosiny, rambony ary ny tongony, izay natolotra na-tao hasin'andriana. / Omby uolon-takatra: omby mainty volon-takatra izay novonoina natao sorona ala fady raha nisy takatra nifanena andalana tamin'ny mpanjaka. / Omby vositra: omby efa namboarina tsy halain-taranaka mba hohatavezina fotsiny. / Manao toton'omby bory: manao an'aina sy Idtoatoa. * Ohab.: Mivarotra omby anaty ambiaty: mivarotra zavatra tsy fantatra akory. / Mpiandry omby volavita; tsy tompony fa mpamerin-doha: enti-milaza olona tsy tompon-javatra akory fa mpikarakara fotsiny. Ahitsio
Omby: a.: Trano ataon'ny bibindandy. - t.i.f.: Miomby, fiomby, mpiomby / iombiazana, fiombiazana / mahaomby. Ahitsio
Ome: ft,: Fanomezana, fahafoizan-javatra, fanolorana. - t.i.f.: Omena, fomena / ma-nome, fanome, mpanome / anomezana, fanomezana / omeme. Ahitsio
Omena: (ome) mt ih. (omeo): Afoy: Omeko anao ity boky ity. ? Atolotra: Omeo ahy kely io antsy io, • Tolorana: Omeo antsy kely aho handidiaho hena. ? Asiana: Omena tehamaina, daka. 1 Tolorana (zavatra) hohanina, hosotroina: Omeo fanafody ny marary. Ahitsio
Ompa: a.: Ozona, faniriana ratsy ho an'olona. 1 Teny ratsy atao amin'olona. Ahitsio