Litera P

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Pensily: (angl. pencil) a.: Fanoratana amin'ny solaitra. Pensilihazo: Hazo lavalava kely misy atiny manjarano, atao fanoratana amin'ny taratasy. Ahitsio
Pentimpentenana: (pentimpentina) mt. ih. (pentimpenteno): Asiana pentimpentina, loto kely mitentintentina. Ahitsio
Pentina: na Pentimpentina a.: Loto kely mipetaka amin-javatra: Tsy mahatondra io lamba rakotra pentina io aho. • h. o.: Tsiny na hadisoana kely maivana: Ny fanahy tsisy pentina ihany no hahazo hiditra any an-danitra avy hatrany. - t.i.f.: Pentimpentina, apentimpentina, voapentimpentina, voapentina 1 mamentimpentina, famentimpentina I amentimpentenana, famentimpentenana 1 mipentimpentina, fipentimpentina 1 mahapentina. Ahitsio
Pentsompentsonina: (pentsompentsona) mt. ih. (pentsopentsony): Enti-milaza ny zavatra na ny olona tenenina na resahina amin-kabasiambava, itsaontsaonana. Ahitsio
Pentsona: na Pentsompentsona a.: Habasiam-bava, fitsaontsaonam-bava, haim-bava. I t.i.f.: Pentsompentsonina, apentsompentsona 1 mipentsompentsona, mipentsona, fipentsona, fipentsompentsona, mpipentsona, mpipentsompentsona 1 ipentsompentsonana, fipentsompentsonana / mahapentsompentsona. Ahitsio
Pepe: (Ski) a.: Anaran-kazandrano be taolana. Ahitsio
Peperana: Perana (pepetra) mt, ih. (pepero, pero): Hafatrafarana: Nopeperan-drainy izy hanao fasana. ? Didiana: Nopeperan'ny fanjakana tsy hisy vola hiuoaka any iuelany. Ahitsio
Pepetra: na Petra a.: Hafatrafatra mafy: Nasain-drainy honina any ambanivohitra izy araka ny pepetrany taminy. Hevitra nifanekena ary tandremana tsara: Natao ny pepetra alohan'ny hisarahana. - t.i.f.: Peperana, perana, apepetra, voapepetra, voapetra f mamepetra, famepetra, mpamepetra / ameperana, fameperana f mahapetra, (...). Ahitsio
Pepipepy: a. : Fivezivezena mankatsy mankaroa noho ny hatairana na haverezan-tsaina ka tsy mahita izay hatao na haleha. - t.i.f.: Apepipepy / mipepipepy. ¶ M.h.: Pempena, papapapa. Ahitsio
Pepo: (Ski) a.: Hodipotsy. - F.-p.: Pepeo: be hodipotsy (enti-milaza ny paraky rehefa antitra ka vandambandana ny raviny). Ahitsio
Pepo: p.t.: Misy lempona petaka milentika: Nidona tamin'ny varavarana izy ka pepo ny handriny. - t.i.f.: Pepoina, apepo, voapepo, tafapepo / manapepo, fanapepo, mpanapepo f anapepoana, fanapepoana f mipepo, fipepo, mpipepo f ipepoana, fipepoana f mahapepo / pepopepo. Ahitsio
Pepoina: (pepo) mt. ih, (pepoy): Asiana lempona, atao pepo: Adala mihitsy i Soa kely: nopepoiny tamin'ny vato ny sininy. ? h.o.: Tsy avala hitraka, tsy avala handroso: Aza pepoina ny tanora fa avela izy hivelatra amin' ny maha-izy azy. Ahitsio
Perana: (petra) mt. ih, (pero): Rarana, sakanana: Pero mafy ny zanakao tsy hilalao eo amoron-teuana. Ahitsio
Peratra: a.: Masom-by na metaly hafa (volafotsy, volamena) atsofoka amin'ny rantsantanana mba hatao firavaka na ho mari-pomba misy heviny sy dikany: Peratry ny fifamofoana; peratry ny mariazy. - t.i.f.: Miperatra, fiperatxa, mpipexatra / iperatana, fiperatana f mahaperatra. Ahitsio
Peretika: a.: Karazam-borona. Ahitsio
Perla: (fr. perle) a.: Voahangy. Peripetika a.: Jer. Tsipetrika. Ahitsio
Perovianina: (fr. pérouvien) a.: Ny firenena tompon-tany any amin'ny tanin'i Peroa (Amerika atsimo): Ny Perouianina no voalohany amin' ny fanjonoana eran'izao tontoio izao. ? p.t.: Momba an'i Peroa, an'i Peroa na avy any Peroa: Fomba perovianina. Ahitsio
Pesipesenina: na Pesipesinina: Heverina, (tsy fampiasa afatsy raha miaraka amin'ireto teny ireto: tsy azo, tsy hita, tsy takatra): Tsy hita pesipesenina ny haben'ny masoandro. Ahitsio
Pesta: (fr. peste) a.: Areti-mifindra mahatahotra aoka izany, izay misy karazany roa: ny "peste bubonique" sy ny "peste pulmonaire": ilay voalohany dia azo avy amin' ny kaikitry ny parasy tratran'io aretina io noho ny nanaikerany voalavo narary, ka ny amantarana azy dia ny fisehoana atodintaria eo amin'ny tata na ambany hetika; ny "peste pulmonaire" kosa, izay miendrika amonia dia mifindra mivantana avy amin'ny olona voany ka anisan'ny aretina mora mifindra indrindra. Ahitsio
Petahana: (petaka) mt pdr na ih. (petaho): Raiketana: Nopetahany taratasy misy teny fanarabiana ny lamosin'I-sambilo. • Asiana, tefohana: Petaho tehamaina io zaza io fa maditra. • Raisina, samborina: Nopetahan'ny polisy tlay mpangalatra. Ahitsio