Pily | : | (fit.-p.) a.: Anaran-kafa iantsoana ny fandrefiala.
Ahitsio |
Pily | : | a.: Karazam-bibilava vaventy.
Ahitsio |
Pimaso | : | a.: Baiko atao amin' ny maso (na hiantsoana olona na handrarana azy tsy hiteny...).
Ahitsio |
Pin- | : | Fitambaran'ny P sy ny " tsofoka na sisika IN hanaovana mt. ih. amin'ny fototeny sasantsasany manomboka amin'ny P.: Pinaoka = p+ in+ aoka: Voapaoka.
Ahitsio |
Pinaika | : | (paika) mt. ih. misy tsofoka in: Voapaika, voapoka, pehina: Nopinaika ilay vara dia vaky.
Ahitsio |
Pinaingotra | : | (paingotra) mt. ih. misy tsofoka in: Voapaingotra, paingorina, asiana paingotra.
Ahitsio |
Pinaoka | : | (paoka) mt. ih. misy tsofoka in: Voafaoka amimpahakingana.
Ahitsio |
Pinasoka | : | (pasoka) mt, ih. misy tsofoka in: Voapasoka, pasohina.
Ahitsio |
Pindakoaka | : | na Pindaoka a.: Biby fahagola voalazan'ny angano ho nisy tany amin' ny ilany atsimon'ny Nosy.
Ahitsio |
Pindina | : | (pindy) mt. ih. (pindio): Apitika amin'ny fanondro, tsipindina.
Ahitsio |
Pindy | : | a.: Fanapitihana zavatra amin'ny fanondro izay aforitra amin'ny ankibe ka atsotra tampoka sy mafy. - t.i.f.: Pindina, voapindy / manapindy, fanapindy, mpanapindy / anapindiana, fanapindiana ) mahapindy / pindipindy. ¶ M.h.: Tsipindy.
Ahitsio |
Pinelatra | : | (pelatra) mt, ih. misy tsofoka in: Voapelatra, pelarana, voafelaky ny tehamaina: Nopinelany ilay zaza maivan-doha.
Ahitsio |
Pinetaka | : | (petaka) mt. ih. misy tsofoka in: Voapetaka.
Ahitsio |
Pingapinga | : | a.: Fahamaimaizana mipelipelika sy kevokevoka. - t.i.f.: Mipingapinga.
Ahitsio |
Pingipongy | : | (fr, ping-pong) a.: Karazana tenisy fanao eo ambony latabatra. -+
Ahitsio |
Pingo | : | a.: Hazo mainty sady mafy.
Ahitsio |
Pinitika | : | (pitika) mt. ih. misy tsofoka in: Voapitika, ipitihana: Nopinitiky ny fotaka ilay akanjoko vao auy nosasana.
Ahitsio |
Pinjy (Sakalava) | : | Jorery Ahitsio |
Pinotsitra | : | (potsitra) mt. ih. misy tsofoka in: Voapotsitra, potsirina: Naharary ilay uoy nopinotsitra.
Ahitsio |
Pintsana | : | na Pintsampintsana p. t.: Olona keliray na kelireny fa kinga;maivamaivana sy mailaka. - t.i.f•: Mipintsana, mipintsampintsana / fahapintsana, fahapintsampintsana, hapintsana, hapintsampintsana.
Ahitsio |