Litera P

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Piny: a.: Jer. Pika. Ahitsio
Pioka: na Piopioka a.: Jer. Fioka. Ahitsio
Pipa: (fr. pipe) a.: Zavatra lavalava misy fatana sy fantsona kely natao hifohana ravim-paraky efa voatetitetika madinika, izay ampirehetina ao anatin'ilay fatana kely dia trohina amin'ilay fantsona kely kosa indray. Ahitsio
Pipika: a.: Feo heno mipaipaika malemy sy an-kisesy, toy ny feon'ny fandehan'ny famantaranandro. Ahitsio
Piretaka: na Poretika: Jer. Poretika. Ahitsio
Pirimotra: (angl. print) a.: Mitovy amin'ny printy (jer. io teny io). Ahitsio
Pirinty: (angl. print) a.: Taozavatra famerenana soratra na sary imbetsaka amin'ny taratasy, ka tarehintsoratra vy, izay atao hoe lohavy, no atambatambatra ho teny, dia asiana ranomainty ka apetaka miverimberina amin'ny taratasy ary dia ahazoana soratra mitovy betsaka azo anaovana gazety na boky. Ahitsio
Piripiso: (Ski) a.: Karazan-kazo madinika mivondrona. Ahitsio
Piripiso: p.t.: MaintY ngizina noho ny loto, feno tsikoko. Ahitsio
Piripite: (Ski) a.: Hira sy dihin' ny Masombika. Ahitsio
Piripity: a.: Amponga tsangana kely indrindra vita amin'ny hoditra tokana eo amin'ny tendrony ambony (hoditr' omby na ondry, na osy, na bibilava do na menarana no henjanina amin'ny fantsika hazo eo amin'ny tendrony ambony); tsy maintsy anankiroa (feo avo sy iva) no ampiarahina ary velesin'ny felatanana havia sy havanana. I-reto avy ny flanakavian'ny piripity: ny n'lapa, n'lapabe, ny tary, ka ity no ngeza indrindra. Ahitsio
Piriritra: a.: Fifantsitsirana, pararatra, fivalanana rano fotsiny. - t.i.f.: Apiriritra / mipiriritra, fipiriritra, mpipiriritfa / ipiriritana, fipiriritana / pixiridritra. Ahitsio
Piritihana: Piritsihana (piritiha) mt. pdr. (piritiho, piritsiho): Ampiritihana fotaka, andefasana zavatra mifantsitsitra: Nopiritihan 'in y fiarakodia iny fotaka ny lambako. Ahitsio
Piritika: na Piritsika a.: Fipitipitiky ny rano na fotaka le-na; fivalanana malemy mipitika. - t.i.f.: Piritihana, piritsihana / apiritika, apiritsika; voapiritika, voapiritsika; tafapiritika, tafapiritsika / manapkitika, manapiritsika, fanapieitika, fanapiritsika, mpanapiritika, mpanapkitsika / anapiritihana, fanapiritihana f mipiritika, mipiritsika, fipiritika, fipiritsika, mpipiriti• ka, mpipiritsika / ipiritihana, fipiritihana, ipiritsihana, fipiritsihana ) mahapiritika, mahapiritsika i piritidritika, piritsidritsika. Ahitsio
Piro: a.: Anaran-kazo. Ahitsio
Pirotse: (Ski) a.: Enti-milaza ny tandrok'omby kirongo izay miforitra kokoa ny anankiray noho ny ilany. Ahitsio
Pisitasy: (fr. pistache) a.: Jer. Voanjombazaha, kapika. Ahitsio
Piso: (angl. puss) a.: Saka. è Pisopiso / pisopisoana / mipisopiso, fipisopiso, mpipisopiso j ipisopisoana, fipisopisoana J mahapisopiso. Ahitsio
Pisopiso: a.: Teny fiantsoana ny saka: Pisopiso, pisopiso. Ahitsio
Pisopisoina: (pisopiso) mt. ih. (pisopisoy) a.: Antsoina amin'ny teny hoe pisopiso. Ahitsio