Litera P

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Poizinina: (poizina) mt. ih. (poizino): Asiana poizina: Nopoizininy ny sakafo narosony ho azy. ? Omena poizina: Poizino io alika io fa romotra. Ahitsio
Poka: a.: Feo re mirefotra amin'ny fifandonana, fidonana: Po-doha. - t.i.f.: Pohina, apoka, voapoka J mamoka, manapoka, fanapoka, mpanapoka / anapohana, fanapohana 1 mipoka, fipoka, mpipoka J ipohana, fipohana / mahapoka J popoka. - F.-p.: Poka akalana: teny enti-milaza ny don-tandroka ataon'ny mpifanorona fa voany ny an-kilany noho io diso fandeha. J Po-doha: fipehana ny loha, pai-doha. J Po-tandroka: ilazana ny fihetsika atao hampanaiky ny an-kilany raha miady hevitra amin'ny alalan'ny fihetsika maherihery.JPo-drindrina: fandonana ny rindrina na ny varavarana izay ataon'ny mpamaky volana fa Ranona mipetraka ao dia mpamosavy araka ny latsa-bato, ka hampinomina. / Po-tany: lo• za lehibe toy ny areti-mifindra mahazo ny mponina rehetra. / Tsy hita poka, tsy hi-ta popoka: very tanteraka, tsy hita mihitsy izay toerana misy azy. ¶ M.h.: Dona, gona, paika, katroka. Ahitsio
Pokopoke: (Ski) a.: Ny kitrokely. Ahitsio
Polahina: (polaka) mt. ih. (polahy): Aforitra, folahina. Ahitsio
Polaka: p.t.: Milefitra, miforitra (jer. Folaka). * t.i.f.: Polahina, apolaka, voapolaka, tafapolaka / manapolaka, fanapolaka, mpanapolaka / anapolahana, fanapolahana / mipolaka, fipolaka, mpipolaka J ipolahana, fipolahana / mahapolaka 1 polapolaka. Ahitsio
Polena: na Polesina (poly) rat. ih. (poleso): Poriporetina, fozafozaina amin'ny rantsantanana: Raha polesina ny ravin-drarnbiazina, mandraraka fofona manitra. Ahitsio
Polesina: (poly) mt. ih. (poleso): Jer. Polena. na. Ahitsio
Poleta: na Basipoleta (fr. pistolet) a.: Fiadianamipoaka, fohy sady maivana, fanapoaka tanana an'ila ihany. y Ahitsio
Polimielita: (fr. polimyéiite) a.: Aretina avy amin'ny virosy iray izay mamely ny sala mpampihetsika eo amin'ny tendron'ny tsokan-damosina ka mety hahatonga fahalemen-drantsambatana, indrindra ny rantsambatana ambany;lefakozatra. Ahitsio
Poliny: a.: Solofom-paraky, kolokolom-paraky. Ahitsio
Polipitra: (angl. pulpit) a.: Toerana avoavo ao am-piangonana ijoroan'ny mpitory teny. Ahitsio
Pôlisa: (fr. pouls) a.: Fitepon' ny fo manosika ny ra, izay mora heno indrindra eo amin'ny hato-tanana anoloana: Ny isan'ny polisa ho an' ny olona salama dia eo amin'ny 72 isa-minitra eo. / Mitsapa poksa. Ahitsio
Polisy: (fr. policier) a.: Olona manao fanamianamanokana, mitandrina ny filaminana ao an-tanàna: Miantso polisy. / Polis in-dalana. * Ohab.: Ny mamo indray no miantso polisy: Enti-milaza ny mamo mitabataba ka manintona ny mason'ny polisy; heviny: ny olona manao ratsy indray no mitolo-tena amin'ny manam-pahefana. Ahitsio
Politetse: (Ski) p.t.: Latsaka na mivoaka avy amin'ny elanelan-javatra na mitete toy ny fotsimbary entina amin'ny harona makarakara. - t.i.f.: Manapolipotse na mamolititse, mampamolititse. Ahitsio
Politfka: (fr. politique) a.: Teti-pitondrana: Manao politika, mpanao politika. Hafetsena, hevitra: Olona be politika koa Rangahy in y. Ahitsio
Politika: na Politsika p. t.: Kely, madinika, pitiny. . Ahitsio
Pololotina: na Pololorina (pololotra) mt. ih. (pololoty, pololory): Enti-milaza ny vovoka na ny setroka atosiky ny rivotra na tsofina, ka toa mirohotra misesika hivoaka. Ahitsio
Pololotra: a.: Firohotana (vovoka na setroka) misesika hivoaka. * t.i.f.: Pololotina, pololorina, apololotra, voapololotra / mipololotra. Ahitsio
Poloney: (fr. polonais) a.: Ny firenena tompon-tany any amin'ny tanin'i Polonina: 0-lona mahery fo ny Poloney, 1 p.t.: Momba an'i Polonina, an'i Polonina na avy any Polonina: Sambany nisy Papa poloney tamin'ity taonjato ity. Ahitsio
Polopolorina: (mt, ih),: Tsy fampiasa raha tsy amin'ireto fomba fiteny ireto: Tsy hita polopolorina: tsy metY ho hita na manao ahoana na manao ahoana; tsy taka-polopolorina:lalina tsyvoasain-' tsaina, tsy misy fetra, tsy misy farany. ¶ M.h.: Tsy taka-pesipesenina. Ahitsio