Litera P

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Pareake: (Ski) a.: Verontsanjy. Ahitsio
Pariahana: (pariaka) mt. pdr. (pariaho): Enti-milaza toerana anaparitahana zavatra. Ahitsio
Pariaka: a.: Paritaka, fiely, fihahaka amin'ny toerana ma-ro. - t.i.f.: Pariahana, apariaka, voapariaka, tafapariaka / manapariaka, fanapariaka, mpanapariaka / anaparlahana, fanapariahana / mipariaka, fipariaka, mpipariaka / ipariahana, fipariahana 1 mahapariaka / pariadriaka, Ahitsio
Pariakala: (fr. percale) a.: Karazan-damba somizo. Ahitsio
Pariamaso: a.: Karazam-borona (Zosterops madagascariensis). Ahitsio
Pariritana: p.t.: Enti-milaza olona na zavatra ifantsitsirandrano. Ahitsio
Pariritra: o.: Fantsitsirana fitifitry ny rano mivoaka ny fantsona na ny ra mivoaka ny hoza-dra tapaka. - t.i.f.: Pariritina, aparkitra, voapariritra, tafapariritra 1 manapariritra, fanapariritra, mpanapariritra 1 anapariritana, fanapariritana 1 mipariritra, fipariritra, mpipariritra 1 ipariritana, fipariritana / mahapariritra / pariridritra, Ahitsio
Paritaka: a.: Fielezana fa tsy iray toerana; fihahaka tsisy kototony,fisafotofoto. - t.i.f.: Aparitaka, voaparitaka, tafaparitaka 1 manaparitaka, fanaparitaka, mpanaparitaka / anaparitahana, fanaparitahana 1 miparitaka, fiparitaka, mpiparitaka / iparitahana, fiparitahana mahaparitaka 1 paritadritaka, Ahitsio
Paritra: a.: Fizarazan'ny feo amin'ny hira; feo voalohany, feo faharoa, torebiny... - F.-p.: Diso paritra: tsy mitana ny anjara paritry ny te-na fa mangalatra ny an'ny hafa. Ahitsio
Parlemanta: (fr. parlement) a.: Solombavambahoaka mamolavola sy manao lalàna. Ahitsio
Pasahana: (pasaka) mt.pdr. (pasaho): Enti-milaza olona na zavatra anelezana vaovao. Ahitsio
Pasaingy: a.: Parasy (jer. koa Parapandy). Ahitsio
Pasaka: a.: Fahavakisana, fiveraka, na fisaraka. - t.i.f.: Pasahana, apasaka, voapasaka, tafapasaka / manapasaka, fanapasaka, mpanapasaka / anapasahana, fanapasahana 1 mipasaka, fipasaka, mpipasaka I ipasahana, fipasahana / pasapasaka. Ahitsio
Pasasaka: a.: Fahavakivakisana na fihoaran-drano mibosasaka. Ahitsio
Pasipaoro: (fr. passeport) a.: Taratasy avy amin'ny fanjakana ahazoana mivezivezy na miditra any amin'ny firenenkafa. Ahitsio
Pasitry: a.: Ampanga maniry eny ambony hazo. Ahitsio
Pasohina: (pasoka) mt. ih. (pasohy): Lamaina, tsindriana amin'ny vy hafanaina mba halamalama tsara tsy hisy miketrona na miforiporitra: Tokony hopasohina iny pataloanao iny fa efa miforiporitra. • h. i.: Alamina: Pasohy tsara aloha ny resaka uao mihaona amin'ny lehibe. Ahitsio
Pasoka: a.: Fanalamana, fanalana ny ketronketrona amin' ny fltafiana amin'ny alalan' ny vy nohafanaina ka asosa ary tsindriana eo amboniny. I t.i.f.: Pasohina, apasoka, voapasoka, panapasoka 1 mipasoka, fipasoka, mpipasoka / ipasohana, fipasohana / mahapasoka 1 pasopasoka. Ahitsio
Pataloa: (fr, pantalon) a.: Akanjo ambany fitondran'ny lehilahy, mandrakotra ny tongotra roa tsirairay avy, hatreo amin'ny valahana, ary mivady amin'ny palitao. - t.i.f.: Mipataloa, fipataloa, mpipataloa 1 ipataloavana, fipataloavana, ipataloana, fipataloana 1 mahapataloa. Ahitsio
Patana: a.: Karazan-jandiana. Pa-tendro a.: Jar. Paka. Ahitsio