Litera P

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Patraka: na Patrapatraka a.: Feon-javatra vaventiventy miara-mikorotsaka; fikatraka zavatra mitete mahalankalana. - t.i.f.: Patrapatrahana, voapatraka (voapatrapatraka) 1 manapatraka, fanapatraka, mpanapatraka / anapatrapatrahana, fanapatrapatrahana, / mipatraka, fipatraka, mpipatraka 1 ipatrapatrahana, fipatrapatrahana. b Ohatra: patrakala= filatsaky ny rano sisa navelan'ny orana Eny amin'ny ravikazo n'a ratsankazo Ahitsio
Patrakala: a.: Vongan-drano vaventy izay mitete avy amin' ny ravinkazo any anaty hazo rehefa avy ny orana, ka mipoapoaka (mip atrapatraka) noho ny hamafisan'ny fianjerany. Ahitsio
Patrana: a.: Mitovy amin'ny Patraka. Ahitsio
Patrapatrahana: (patrapatraka) mt. ih. (patrapatraho): Entimilaza olona na zavatra ianjerana vongan-drano: Nialoka teo ambody hazo iray izahay ka nopatrapatrahan' ny orana. Ahitsio
Patre: a.: Dity fametaham-pitaratra. Ahitsio
Patriarika: (fr. patriarque) a.: Anaram-boninahitry ny eveka any amin'ny eglizy katolika tatsinanana. (Fiv. kat.) Ahitsio
Patripatry: p.t.: Vaventiventy, fatrofatro (fiteny fahiny amin'ny vakivakim-bola, ary ankehitriny amin'ny voanjavamaniry lehibe noho ny namany, sady tsara). - t.i.f•: Mipatripatry, fipatripatry. Ahitsio
Patro: a.: Vehivavy sakaizandehilahy. Ahitsio
Patry: a.: Ilay ketrona anoloana misy lavabokotra amin' ny lobaka, blozy... Ahitsio
Patsa: a.: Karazan'orana madinika kely ary ffhinana: Misy patsa mena sy patsa fotsy. • p.t.: Entina milaza koa ny zazavavy madinika sy kely reny, - F.-p.: Rom-patsa: anarana ilazana ny vola famangiana omena ny mpifana vao tarabao. / Takalom-patsa vidimpihinanana: enti-milaza fanomezana ataonao olona mba ho takalon'ny soa nataony taminao. Ahitsio
Patsanorana: a.: Karazam-patsa lehibe. Ahitsio
Patsiatra: jer. Potsiatra. Ahitsio
Patsitsirana: (patsitsitra) mt. pdr. (patsitsiro): Enti-milaza zava;tra na olona tifirina rano. Ahitsio
Patsitsitra: a.: Fantsitsitra, fipotsiran-drano. - t.i.f• : Patsitsirana, apatsitsitra, voapatsitsitra, tafapatsitsitra 1 manapatsitsitra, f anapatsitsitra, mpanapatsitsitra 1 anapatsitsirana, fanapatsitsirana 1 mipatsitsitra, fipatsitsitra, mpipatsitsitra 1 ipatsitsirana, fipatsitsirana / mahapatsitsitra 1 patsitsitsitra. Ahitsio
Patso: (Ski) a.: Daba velezina miaraka amin'ny langorony amin'ny fanaovana morengy. a.: fitenim-paritra iantsoana ny fanitso: Mitafo patso io trano io Ahitsio
Paza: na Pazapaza p.t.: Fohy nono (fiteny koa ny hoe paza nono). Ahitsio
Pehina: (paika) mt. ih. (peho): Donina, kapohina, pohina: Peho mafy ny fantsika mba hilentika. / Nopehiny ny lohako. ? Tefena (vato): Tsy nopehinareo tsara ireto auto ireto. • Kapohina, tenenina, rahonana: Peho mafy io zaza io fa maditra. Ahitsio
Pejy: (angl. page) a.: Ila takelaka amin'ny taratasy na boky; takila: Jereo amin'ny pejy faharoa amby valopolo. Ahitsio
Peke: (Ski) p. t.: Enti-milaza ny nify nohamaintisina tamin' ny lengo. Ahitsio
Pelaka: na Pelapelaka p. t.: Fisaka sy Inhibe, manify ary mivelatra (toy ny ravina ravina-la na afontsy na saonjo). - t.i.f.: Pelapelahina, apelapelaka, voapelaka 1 manapelaka, fanapelaka, mpanapelaka 1 anapelapelahana, fanapelapelahana / mipelaka 1 mahapelaka. Ahitsio