Litera R

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Rameva: a.: Karazam-biby mandinika avy any Aria misy trafony anankiroa. (Ny rameva dia ataon'ny olona fitaingina, nefa fihinana tsara koa ny henany ary manome ronono koa aza izy; ankoatra izany, mbola azo arnpiasaina ny hodiny sy ny volony). Ahitsio
Ramianoka: a.: Anaran'ahitra lehibe fahita eny an-tanimbary (Aeschynomene indica). Ahitsio
Ramiary: a.: Anaran-javamaniry misy voniny fotsifotsy lehibe, fahita matetika eny amin'ny tany mando. (Datura stramonium) Ahitsio
Ramiavona: a.: Hazo eny amin' ny vatan'ny namany no aniriany (fiteny koa ny hoe hazomiavona). Ahitsio
Ramifaritra: a.: Zavamaniry misy raviny mena misisina fotsy. Ahitsio
Ramijaingy: a.: Karazam-balala. Ahitsio
Ramilaheloka: a.: Anaran-kafa iantsoana ny fandrefiala. Ahitsio
Ramilamina: a.: Anaran-javamaniry fahita mitsinkafona eny ambony rano, fanao fanafody. Ahitsio
Ramimendo: a.: Anaran-kazo. Ahitsio
Ramiraja: (angl. ramrod) a,: Faritso-basy. Ahitsio
Ramirebaka: a.: Anaram-bosotra omena ny anantsonga no-ho izy mahabe rivotra. Ahitsio
Ramiretaka: a.: Aretina mpahazo ny kisoa, izay mahatonga azy halemy, hiretaka tsy mahajoro ary dia mahafaty azy. Ahitsio
Ramirondra: a.: Anaran-javamaniry eny amin'ny vatan' ny namany no aniriany. (Phipsalis cassytha) Ahitsio
Ramitambina: a.: Anaran-javamaniry hita maniry eny ambonin'ny angavodiana. (Loranthus) Ahitsio
Ramofaritra: a.: Karazan'ahitra. (Limnophila terenioides) Ahitsio
Ramole: (fr. mulet) a,: Biby sahala amin'ny soavaly, avy amin'ny fampiarahana ny ampondra lahy sy ny soavaly vavy (fiteny koa ny hoe Mole). Ahitsio
Ramondramona: a.: Fitsako mingonongonona mierona toy ny alika na ny saka. - t.i.f.: Ramondramor2lna, aramondramona, tafaramondramonal miramondramona, firamondramona, mpiramondramona I iramondramonana, firamondramonana. Ahitsio
Ramondramonina: Aramondramona (ramondramona) mt. ih. (ramondramony, aramondramony): Tsakoina eo am-pingonongononana. Ahitsio
Rampa: p.t.: Banga, afaka niala (nify na hohon-tongotra sendra tafintohina): Potraka Rakoto ka rampa daholo ny nifiny ambony rehetra - t.i.f.: Rampaina, voarampa j mandrampa, fandrampa. mpandrampa j andrampana, fandrampana 1 maharampa. Ahitsio
Rampaina: (rampa) mt. ih. (rampao): Bangaina, alana. Ahitsio